Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Svalbard—Tany Mamirifiry

Svalbard—Tany Mamirifiry

Svalbard—Tany Mamirifiry

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NORVEZY

NAMAKIVAKY rahona matevina ny fiaramanidina nitondra anay, ka tsy nahita na inona na inona izahay. Tampoka teo anefa dia tafavoaka ny rahona izahay, ary faritra rakotra lanezy no tazanay terỳ ambany. Izany no mampiavaka ny Tendrontany Avaratra. Tena kanto ilay izy! Nahavariana aoka izany ny nahita ireo lohasaha misy lanezy mihandrona, ny helodranomasina miloko manga tanora, ary ny tendrombohitra rakotra lanezy. Midadasika tsy hita lany ilay faritra ngazana sady rakotra lanezy. Io no Svalbard. Vondronosy any akaikin’ny Tendrontany Avaratra izy io, ary nankany izahay mba hizaha tany!

“Morontsiraka Mamirifiry” no dikan’ny hoe Svalbard. Tamin’ny taona 1194 izy io no voaresaka voalohany tao amin’ny tantaran’i Islandy. Tamin’ny 1596 anefa, izany hoe 400 taona tatỳ aoriana, vao fantatr’izao tontolo izao ny fisian’ilay toerana. Tamin’io taona io no nandeha sambo nianavaratra ny Holandey maromaro mpikaroka tany vaovao. I Willem Barents no nitarika azy ireo. Indray andro dia nahatazana tany feno tendrombohitra marani-doha mitandahatra teny am-paravodilanitra ny mpitilin’ilay sambo. Toerana mbola tsy fantatra izy io. Tonga tao ry Barents, ary nomeny anarana hoe “Spitsbergen” io toerana ao amin’ny faritra avaratrandrefan’i Svalbard io. Midika hoe “Tendrombohitra Marani-doha” ny hoe “Spitsbergen.” Izy io no nosy lehibe indrindra ao amin’ilay vondronosy. Lasa toerana nanaovan-javatra maro be i Svalbard, taorian’ny nahatongavan-dry Barents tany. Tao ny fisamborana trozona, fihazana lambondriaka sy biby hafa, ary fikarohana toerana vaovao. Nanomboka koa tatỳ aoriana ny fitrandrahana arintany, fikarohana siantifika, ary fizahan-tany. Firenena maromaro no nandray anjara tamin’izany rehetra izany, rehefa nandeha ny fotoana. Lasan’ny Norvezianina anefa ilay vondronosy, nanomboka tamin’ny 1925.

Tany mivaingan’ny hatsiaka, sy hazavana avy any avaratra

Nandalo teo ambonin’ny helodranomasina iray ilay fiaramanidina nitondra anay, ary nipetraka tao amin’ny Seranam-piaramanidin’i Svalbard. Nanofa fiara izahay ary nankany Longyearbyen. Avy tamin’ny anaran’i John Longyear io anarana io. Amerikanina mpandraharaha izy io, ary izy no nisantatra ny fitrandrahana arintany tao amin’ilay tanàna, tamin’ny 1906. I Longyearbyen no tanàna be mponina indrindra any Svalbard. Maherin’ny 2 000 ny mponina ao. Mbola azo lazaina ho milamina sy madio ny tontolo iainana, kanefa misy an’ireo zavatra fahita any an-tanàn-dehibe ihany. Hita ao, ohatra, ny fivarotana lehibe, paositra, banky, tranomboky, sekoly, akanin-jaza, hotely fatoriana, hotely fisakafoana, hopitaly, ary gazety. I Longyearbyen koa no tanàna be mponina indrindra, any amin’ny faritra farany avaratra.

Nipetraka tao amin’ny tranom-bahiny iray izahay. Anisan’ny tranon’ny mpitrandraka arintany izy io taloha. Ambony toerana izy io ka tazana terỳ ambany i Longyearbyen, ary hita koa ny tendrombohitra Hiorthfjellet, izay kanto sy manerinerina. Volana Oktobra tamin’izay, ka rakotra lanezy ny tendrombohitra. Tsy nisy lanezy kosa ny lohasaha nanodidina azy ireny, fa ny tany no nivaingan’ny hatsiaka. Mivaingana mandavantaona ny tany any Svalbard. Ny nofon-tany ambony ihany no mitsonika rehefa fahavaratra, nefa tsy maharitra izany. Tsy dia mangatsiaka loatra anefa ny andro any, raha oharina amin’ny any an-tany hafa akaikin’ny Tendrontany Avaratra. Nahatazana ireo tendrombohitra notarafin’ny masoandro izahay, avy teo amin’ilay trano nipetrahanay. Maloka kosa ny lohasaha sady manopy manga. Tsy miposaka mihitsy ny masoandro any Longyearbyen sy ny manodidina, eo anelanelan’ny 26 Oktobra sy 16 Febroary. Ny hazavana avy any avaratra kosa matetika no manazava mandritra an’io fotoana io. Etsy an-danin’izany, dia tsy milentika mihitsy ny masoandro rehefa lohataona sy fahavaratra. Manomboka amin’ny 20 Aprily ka hatramin’ny 23 Aogositra izany, any Longyearbyen.

Zavamaniry sy biby

Valo degre ambanin’ny zero ny mari-pana tamin’izay, ary nisy rivotra mahery nitsoka. Tsy nanjombona anefa ny andro. Nandeha nitsangantsangana izahay ary nisy olona nitarika anay. Nianika ny Tendrombohitra Sarkofagen izahay, ary avy eo nidina nanaraka an’ilay lohasaha misy lanezy mihandrona, antsoina hoe Longyearbreen. Teo am-pianihanay an’ilay havoana mivaingan’ny hatsiaka, dia nilaza ilay mpitarika fa rakotra voninkazo tsara tarehy io toerana io, rehefa lohataona sy fahavaratra. Mahavariana fa feno karazan-javamaniry i Svalbard, ka anisan’izany ny voninkazo misy karazany 170 any ho any. Ao ny voninkazo miloko fotsy na mavo fahita eny an-tendrombohitra, ary ao koa ny voninkazo volomparasy mamerovero.

Nahita dian-tongotra vorona iray zanatany izahay, rehefa niakatra ny tehezan’ilay tendrombohitra rakotra lanezy. Karazana akohonala izy io. Ny vorona hafa ankoatra an’io dia voron-dranomasina mpifindrafindra monina, anisan’izany ny varevaka isan-karazany. Maro amin’izy ireny no mifindra avy any amin’ny Tendrontany Avaratra mankany amin’ny Tendrontany Atsimo.

Nahita dian-tongotra amboadia koa izahay. Biby fetsy izy io, ary mihinana fatim-biby na sisan-javatra tsy lanin’ny orsa. Mihinana zana-borona sy atody koa izy io. Misy roa ny biby mampinono mivelona an-tanety, any Svalbard, dia ny amboadia sy ny serfa. Malemy fanahy io serfa io, ary imbetsaka izahay no nahita akaiky azy. Tsy taitra akory izy nijery anay, ary navelany hanakaiky izahay mba haka sary azy, ary lasa izy avy eo. Fohy ny tongony, matevina ny volony, ary matavy be izy rehefa fararano. Tahirin-tsakafony io taviny io, ary ilainy mandritra ny ririnina mamirifiry.

Hiresaka momba ny orsa, izay mpanjakan’ny Tendrontany Avaratra aloha isika. Maro no mihevitra fa biby an-dranomasina mampinono izy io. Mandany ny ankamaroan’ny fotoanany ihazana lambondriaka eny ambonin’ny vongan-dranomandry eny an-dranomasina mantsy izy. Mety hahita orsa mandeha irery anefa ianao, saika na aiza na aiza any Svalbard. Hoy ilay mpitarika anay: “Enga anie mba tsy ho sendra orsa isika.” Mety hamely tampoka mantsy ny orsa, ka nitondra basy izy sao misy ilana izany. Voarara ny fihazana orsa nanomboka tamin’ny 1973, ary karohina mba hofotopotorana izay mamono an’ireny biby ireny. Marina fa betsaka ankehitriny ny orsa any amin’ny faritr’i Svalbard. Tena atahorana anefa ny hoavin’ireny biby tsara tarehy sy matanjaka ireny. Fotsy sy madio no fahitana ny toerana any amin’ny Tendrontany Avaratra. Nanimba ny tontolo iainana any anefa ny zavatra simika misy poizina. Miangona ao amin’ny vatan’ny orsa daholo ireny poizina ireny, satria izy no mihinana ny biby hafa voapoizina. Misy vokany eo amin’ny fahafahany miteraka izany.

Tonga teo an-tampon’ny Tendrombohitra Sarkofagen izahay, ary tena faly nahatazana tendrombohitra maromaro rakotra lanezy. Tazanay terỳ atsimoandrefana ny tendrombohitra Nordenskiöldfjellet, izay nahazo tara-masoandro tsara. Avo be izy io ary boribory ny tampony. Tazanay lavitra terỳ ambany kosa ny tanànan’i Longyearbyen. Ny lanitra mangan’ny Tendrontany Avaratra no toy ny tafo teo amboninay. Tsapanay mihitsy tamin’izay hoe nitsangana teo an-tampon’ny planeta Tany izahay. Nanao ody ambavafo izahay avy eo, ka nihinana mofo sy nisotro dite fisotron’ny mpanao dia an-tongotra. Rano mafana, siramamy, ary karazana goavitsinà no nanaovana azy io. Nidina nanaraka an’ilay lohasaha Longyearbreen izahay taorian’izay.

Ny fitrandrahana arintany, sy ireo biby atahorana ho lany tamingana

Tena nahafinaritra koa ny fitsidihana toerana tranainy iray fitrandrahana arintany. Nitondra anay nankany amin’ny Fitrandrahana Laharana Fahatelo ilay mpitarika anay, izay ranjanana sady mpitrandraka arintany za-draharaha. Mivoaka kely ny tanànan’i Longyearbyen no misy an’io toerana io. Nampanaovina akanjo manokana sy aro loha nasiana jiro izahay, ary nidina tany anatin’ilay tendrombohitra. Notantarain’ilay mpitarika fa ny fitrandrahana arintany no tena fiveloman’ny olona tao Svalbard, nanomboka tamin’ny taona 1900 ka hatramin’izao. Nandritra ny taona maro, dia tena mafy sy nampidi-doza ny asan’ireo mpitrandraka arintany. Matetika izy ireo no nandady tany anatin’ireo tionelina tery sady lava. Nirefy 70 santimetatra monja ny haavon’izy ireny indraindray. Nanandrana niditra tamin’izy ireny izahay, ary hitanay fa tsy ho vitanay mihitsy ny asan’ny mpitrandraka arintany. Mafy ilay asa, feno vovoka arintany sy vovo-bato ny rivotra iainana, nankarenin-tsofina ny tabataba, ary natahorana hihotsaka foana ny tany na hisy zavatra hipoaka. Fitaovana arifomba kokoa ankehitriny no ampiasaina. Mbola anisan’ny kitro ifaharan’ny toe-karenan’i Svalbard ihany ny fitrandrahana arintany. Nandroso be koa ny fizahan-tany, tato anatin’ireo taona faramparany.

Mazàna no tsy noeritreretin’ny olona mihitsy hoe mety hotandindomin-doza ny biby any amin’ny Tendrontany Avaratra. Nohazaina ny trozona, môrsa, serfa, orsa, ary biby hafa tany Svalbard, ka nanjary natahorana ho lany tamingana ny sasany tamin’izy ireny. Nandraisana fepetra anefa ny fiarovana ny biby sasany, ka nanjary nitombo isa indray izy ireny.

Toerana ankafizin’ny mpandinika ny nofon-tany

“Toerana ankafizin’ny mpandinika ny nofon-tany” i Svalbard. Vitsy kely mantsy ny zavamaniry, ka hita miharihary ny nofon-tany. Hita tsara ny firafitr’ireo sosona samy hafa amin’ny nofon-tany eny amin’ireo tendrombohitra. Samy hafa loko ireny sosona ireny. Ahitana vato efa tranainy sy vato niforona vao haingana kokoa izy ireny. Fifangaroana fasika sy tanimanga ny vato sasany. Ny hafa kosa dia sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny lasa vato, noho ny tanimanga nandrakotra azy. Niforona nandritra ny vanim-potoana samy hafa izy ireny.

Nitsidika ny tranombakok’i Svalbard izahay, ary nahita sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny lasa vato. Zavamaniry sy biby nivelona tany amin’ny tany mafana izy ireny. Hitanay avy tamin’ny fandinihana azy ireny, fa nafana be noho ny ankehitriny tany Svalbard taloha. Mahatratra dimy metatra be izao ny hatevin’ny sosona arintany any amin’ny toerana sasany any Svalbard! Nahitana karazana hazo kesika sy hazo hafa efa lasa vato, tany anatin’ireo sosona arintany. Nahitana vato misy dian-tongotra dinôzôro koa tao Svalbard, ka fantatra tamin’izany fa nafana tao taloha, sady be zavamaniry.

Inona no nahatonga izany fiovana lehibe teo amin’ny toetrandro izany? Nanontany an’i Torfinn Kjaernet izahay. Mpandinika ny nofon-tany izy, sady solontenan’ny Sampan-draharahan’ny Fitrandrahana Harena An-kibon’ny Tany ao Longyearbyen. Nilaza izy fa araka ny hevitry ny ankamaroan’ny mpikaroka, dia ny fikisahan’ny kontinanta no nahatonga izany. Milaza ireo mpandinika ny nofon-tany, fa tany akaikin’ny ekoatera mihitsy i Svalbard taloha, ary nikisaka tsikelikely nianavaratra, nandritra ny taona maro be. Araka ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny zanabolana aza, dia mbola mikisaka santimetatra vitsivitsy mianavaratratsinanana isan-taona izy io.

Nahalalanay zavatra maro ny fitsidihana an’i Svalbard. Nahita biby mahazaka tsara ny toetrandro, sy zavamaniry samihafa, ary toerana midadasika izay mampiavaka ny Tendrontany Avaratra izahay. Nanjary niaiky izahay fa maro karazana tokoa ny zavaboary, ary tena bitika ny olombelona. Niharihary koa ny ataon’ny olona amin’ny tontolo iainana. Tazanay farany avy teny ambonin’ilay fiaramanidina nitondra anay nody, ilay vondronosy misy morontsiraka mamirifiry, rehefa nianatsimo izahay. Tsinjonay ireo tampon-tendrombohitra izay nihoatra ny rahona sady rakotra lanezy. Tarafin’ny masoandro amin’ny tolakandro izy ireo, ka fotsy mamirapiratra manopy mavokely.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Tendrontany Avaratra

GROENLANDY

SVALBARD

Longyearbyen

75°A

ISLANDY

NORVEZY

60°A

ROSIA

[Sary, pejy 25]

Tanànan’i Longyearbyen

[Sary, pejy 25]

Maro ny voninkazo tahaka ny hita eto, mahazaka ny toetrandro any amin’ny Tendrontany Avaratra

[Sary nahazoan-dalana]

Knut Erik Weman

[Sary, pejy 26]

Karazana akohonala sy serfa any Svalbard

[Sary nahazoan-dalana]

Knut Erik Weman