Mahavariana ny Endriky ny Zavamaniry
Mahavariana ny Endriky ny Zavamaniry
EFA mba voamarikao ve fa maro ny zavamaniry ahitana endrika miolikolika? Miendrika toy izany, ohatra, ny filahatr’ireo masomason’ny hoditry ny mananasy. Raha miisa 8 ny masomasony eo amin’ny andalana mihodina miankavia, dia mety hiisa 5 na 13 kosa ny eo amin’ny miankavanana. (Jereo ny sary 1.) Hahita endrika miolikolika koa ianao, rehefa mijery ny voan’ny tanamasoandro. Mety hahitana andalana miolikolika 55 eo, ary mifanapaka amin’ny andalana 89. Mety hihoatra an’izany koa anefa ny isan’izy ireo. Mety hahita endrika miolikolika koa ianao na dia eo amin’ny soflera aza. Hanjary hahafinaritra kokoa anao ny mankeny amin’ny fivarotam-boankazo sy legioma ary voninkazo, rehefa manomboka mahamarika ireo endrika miolikolika ireo ianao. Nahoana ny zavamaniry no manana endrika toy izany? Misy dikany ve ny isan’ireny andalana miolikolika ireny?
Ny fomba fanirin’ny zavamaniry
Misy faritra na toerana ipoiran’ny tsimoka, eo amin’ny zavamaniry maro. Mety ho taho na ravina na felana no hitsimoka eo. Tsy mifanandrify ny tsimoka rehefa mipoitra, fa somary mifampihataka, hany ka mahavita zoro ny elanelan’izy ireo. * (Jereo ny sary 2.) Manome endrika miolikolika ny felana vaovao eo amin’ny ankamaroan’ny voninkazo, noho izy ireny manaraka zoro hafakely rehefa mitsiry. Firy ny refin’io zoro io?
Alao sary an-tsaina hoe hanamboatra voninkazo ianao. Tianao raha mifanakaiky tsara ny felany fa tsy mielanelana, sady manome endrika miolikolika. Izao angamba no hanaovanao azy: Hanao faribolana ianao ary hizara azy io ho dimy avy eo afovoany, mba hahazoana tsipika dimy na koa zoro dimy mirefy 72 degre avy. Hifidy tsipika iray ianao ary hanisy felana iray eo ambonin’izy io, miainga avy eo afovoan’ilay faribolana. Apetrakao ny felana manaraka, isaky ny avy manisa zoro roa mifanesy (144 degre), manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro. Tsy ho feno mihitsy ny toerana rehetra, na dia hotohizinao foana aza izany. Nahoana? Hilahatra manaraka ny tsirairay amin’ireo felana
dimy voalohany fotsiny ireo felana napetraka atỳ aoriana, ka hielanelana ihany ny felan’ilay voninkazo. (Jereo ny sary 3.) Na hozaraintsika firy ilay faribolana, na hozaraintsika firy, dia hilahatra foana ireo felam-boninkazo fa tsy hifanety. Ny zoro mety indrindra àry, dia ny zoro mirefy 137,5 degre, aseho eo amin’ny sary faharoa. Rehefa io ihany no ampiasaina vao tsy hielanelana ny felam-boninkazo. (Jereo ny sary 5.) Inona no tena mampiavaka an’io zoro io?Io zoro io no mety indrindra, satria raha mielanelana 137,5 degre ny felana tsirairay, dia tsy hahita bangabanga mihitsy ianao. Tsy hisy mihitsy ny felana roa milahatra. (Jereo ny sary 4.) Hanome endrika miolikolika ireo felam-boninkazo amin’ny farany.
Nahavariana ny zavatra hita, rehefa naseho tamin’ny ordinatera io endrika io. Rehefa marina tsara foana ihany ny refin’ilay zoro, vao azo ilay endrika miolikolika. Tsy hita tsara kosa izy io, raha vao nisy diso kely ilay refy.—Jereo ny sary 5.
Firy ny isan’ny felam-boninkazo?
Ity misy zavatra tena mahaliana. Azo kajina ny isan’ireo andalana miolikolika eo amin’ny voninkazo, rehefa arahina ny fomba fikajiana nampianarin’i Leonardo Fibonacci, Italianina mpahay matematika. Avy amin’io fomba fikajiana io no nahazoana an’ilay antsoina hoe laharan’isan’i Fibonacci. Tamin’ny taonjato faha-13 izy no nampahafantatra azy io voalohany. Ireto ilay laharan’isa: 1, 1, 2, 3, 5, 8, 13, 21, 34, 55 sy ny sisa. Ahoana no nahitana azy ireo? Ampifanampiana ny isa roa mifanesy aorian’ny isa 1. Toy izao izany: 0 + 1 = 1; 1 + 1 = 2; 1 + 2 = 3; 2 + 3 = 5; 3 + 5 = 8; 5 + 8 = 13; 8 + 13 = 21; 13 + 21 = 34; 21 + 34 = 55, sy ny sisa.
Matetika no tafiditra ao amin’ny laharan’isan’i Fibonacci, ny isan’ny felana ao amin’ny voninkazo maro, izay manana endrika miolikolika. Misy felany 5 mazàna ny benjan-drano, 8 ny an’ny kôsimôsy, 13, 21, 34, 55 na 89 ny an’ny marigirity, arakaraka ny karazany. (Jereo ny sary 6.) Misy zavatra mifanaraka amin’ny laharan’isan’i Fibonacci koa, eo amin’ny endriky ny voankazo sy legioma. Ahitana fizarana dimy, ohatra, ny akondro sasany rehefa tapahina.
‘Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika’
Mahafinaritra ny maso ny endrika miolikolika, ary efa hatry ny ela ny mpanao hoso-doko no nampiseho azy ireny. Nahoana ny zavamaniry no mahavita manaraka an’ilay zoro mety indrindra, amin’ny fomba tsy misy diso na dia kely aza? Maro no milaza fa anisan’ny manaporofo ny fisian’ny Mpamorona izany.
Vao mainka mahafinaritra antsika ny zavaboary, rehefa mandinika ny endrik’izy ireny isika. Tsikaritsika avy amin’izy ireny fa tian’ilay Mpamorona hankafy ny fiainana isika. Hoy ny Baiboly momba an’ilay Mpamorona antsika: ‘Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ny fotoany avy.’—Mpitoriteny 3:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Miavaka ny tanamasoandro, satria avy eny amin’ny sisiny no manomboka ny endrika miolikolika eo aminy, fa tsy avy eo afovoany. Izany no izy satria ny felany ihany no lasa voa.
[Kisary, pejy 24, 25]
Sary 1
(Jereo ny gazety)
Sary 2
(Jereo ny gazety)
Sary 3
(Jereo ny gazety)
Sary 4
(Jereo ny gazety)
Sary 5
(Jereo ny gazety)
Sary 6
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 24]
Faritra ipoiran’ny tsimoka, jerena amin’ny mikraoskaopy
[Sary nahazoan-dalana]
R. Rutishauser, University of Zurich, Switzerland
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Voninkazo fotsy: Thomas G. Barnes @ USDA-NRCS PLANTS Database