‘Hitsambikina Tahaka ny Diera’ Aho
‘Hitsambikina Tahaka ny Diera’ Aho
NOTANTARAIN’I FRANCESCO ABBATEMARCO
“Nahoana no navelan’Andriamanitra hitranga izao? Nahoana no izaho no voan’izao?” Imbetsaka no nametrahako ireo fanontaniana ireo! Tsy tantiko ny nieritreritra hoe ho eo ambony seza misy kodiarana mandra-pahafatiko aho, ary tsy ho afaka hampiasa ny tanako sy ny tongotro mihitsy.
TERAKA tamin’ny 1962 aho, tao amin’ny tanàna kely iray any amin’ny faritr’i Basilicata, any Italia. Saro-piterahana ny reniko ka saika maty aho raha vao teraka. Notsindronin’ny dokotera aho, ary nisy vokany tena ratsy tamiko izany. Nifanintona aho telo andro tatỳ aoriana, ka nangovitra be ny vatako. Lasa nalemy ny tanako sy ny tongotro, ary simba ny hoza-peoko.
Kivy aho rehefa nihalehibe, satria nahatsiaro ho tsy afa-manoatra noho ny toe-batako. Nanjary kizitina aho, ary matetika no nikitakita olona. Nahatsiaro ho manirery aho satria tsy mba afaka niara-nanao zavatra tamin’ny hafa, ary tsy nisy dikany ny fiainako. Kivy tanteraka aho, tamin’izaho 25 taona. Tsy haiko ny antony namelan’Andriamanitra ahy hijaly be, ka nanatsoaka hevitra aho fa tsy misy izy. Izany no toa hitako fa nitombina.
Niova ny fijeriko ny fiainana
Teo ambony seza misy kodiarana teo an-tokotany aho indray maraina, no natonin’ny tovolahy roa tsara fitafiana. Tamin’ny faramparan’ny taona 1987 izany no nitranga. Noheveriko fa hitady ny zokiko lahy ry zareo, ka nibadabada niteny taminy aho hoe tsy ao ilay zokiko. Hoy izy ireo: “Ianao no tianay hiresahana ka.” Tsy nampoiziko izany, satria vitsy ny olona mba te hiresaka tamiko.
“Mino an’Andriamanitra ve ianao?”, hoy izy ireo. Nivatravatra aho namaly hoe: “Izao no toe-batako, koa ahoana moa no inoako azy?” Nifampiresaka izahay, ary fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nomeny ahy ilay boky hoe Ny Fiainana—Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? * Tsy tena nazoto handray azy io aho, nefa noraisiko ihany. Nampanantena ny hiverina izy ireo, saingy tsy nanantena izany aho.
Niverina tokoa anefa ry zareo, ary nanohy ny resaka izahay. Tadidiko fa namakiany andininy avy ao amin’ny Baiboly aho, dia ny Isaia 35:5, 6 hoe: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” Nahafinaritra ireo teny ireo, nefa tena hafa tamin’ny zava-misy niainako. Ny nitsangana aza tsy vitako, ka mainka fa hoe hitsambikina tahaka ny diera! Nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’izy ireo ihany anefa aho, na dia tsy ninoako aza fa hanampy ahy amin’ny zava-manahirana ahy ny Baiboly. Toa nofinofy tamiko izany hoe mbola ho sitrana indray andro any.
Nanasa ahy hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana ry zareo, taoriana kelin’izay. Tsy tadidiko izay noresahin’ilay lahateny ara-baiboly, nefa tsy hohadinoiko mihitsy ny hatsaram-panahy sy fitiavana nasehon’ireo Vavolombelona tamiko. Tsy namendrofendro ahy izy ireo, fa nataony tsapako kosa hoe tena nahafaly azy ireo ny fahatongavako. Tsapako tamin’io alahady io fa tany amin’ny Efitrano Fanjakana no toerana tsara amiko sy tokony halehako, ka nanomboka nivory tsy tapaka aho.
Zava-tsarotra lehibe tsy maintsy noresena
Nampitolagaga ny vokatry ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra teo amin’ny toe-poko. Toy ny rano namelona hazo malazo izany. Nahatsapa fihetseham-po efa tsy nisy tato amiko hatry ny ela aho. Nahatsiaro ho velombelona indray aho, ary nahafinaritra tokoa izany! Naniry hiresaka tamin’ny hafa ilay fanantenana mahatalanjona noraisiko am-po aho. (Matio 24:14) Ahoana anefa no ahafahako mitory? Nivavaka mafy momba izany aho, ary nangataka tamin’i Jehovah mba hahita fomba itoriana.
Notendrena ho ao amin’ny fiangonanay ny mpisava lalana (mpitory manontolo andro) iray, tamin’ny Septambra 1991. Tao an-tranony izahay indray andro, ary nolazaiko taminy ny faniriako hitory. Niara-nidinika izahay tamin’izay hoe masinina no ampiasaiko mba hanoratana taratasy, satria tsy afaka miteny tsara aho. Ny tanako malemy indray anefa no olana. Nitady fomba maro àry izahay. Nanandrana nihazona pensilihazo tamin’ny nifiko aho mba hitendrena ilay masinina. Nanandrana nanao satroka nisy tahony hazo avy teo aloha koa aho, mba hitendrena tamin’ny lohako. Toa samy tsy nisy nety anefa izany.
Niresaka momba ilay zava-manahirana indray izahay sy ilay mpisava lalana tatỳ aoriana, ka nananihany ahy izy hoe: “Sao mba azonao ampiasaina io oronao tsara tarehy io!” Tonga dia nandramako notendrena tamin’ny oroko ilay masinina ka nety tokoa. Afaka nanoratra ihany aho, nony farany. Alao sary an-tsaina ange ny ezaka tsy maintsy ataoko mba hanitsiana teny diso amin’ny oroko e! Tsy ela dia hitanay fa ho mora lavitra ny mampiasa ordinatera. Ahoana anefa no hahitako vola hividianana ordinatera? Niandry ny fotoana nety tsara aho, ary niresaka tamin’ny ray aman-dreniko. Nampiasa ordinatera mba hanoratana aho, tsy ela taorian’izay.
Tanteraka ny faniriako
Ny namako sy ny havako no nanoratako voalohany, izay vao ny olona teo an-tanàna sy ny manodidina. Tsy ela dia nanoratra taratasy tamin’ny olona eran’i Italia aho. Tsy hay lazaina ny hafaliako isaky ny misy mamaly ny taratasiko. Nekena ho mpitory ny vaovao tsara tsy vita batisa aho, tamin’ny Desambra 1991. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana koa aho. Fandaharana atao isan-kerinandro any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Rehefa nahazo anjara lahateny aho dia nomaniko tsara ilay izy, ary nosoratako tamin’ny ordinatera. Nisy olona nankeny amin’ny lampihazo mba hamaky azy, rehefa tany am-pivoriana.
Tena nankasitrahako ny fitiavana nasehon’i Jehovah Andriamanitra tamiko. Fantatro fa ny fanoloran-tena ho azy sy ny batisa, no fandrosoana manaraka tokony hataoko. Nisikina herim-po aho ary niresaka ny fanapahan-kevitro tamin’ny ray aman-dreniko. Tsy faly izy ireo, nefa mafy kokoa noho ny tahotro ny faniriako hatao batisa. Natao batisa àry aho tamin’ny Aogositra 1992, noho ny fanampian’i Jehovah sy ireo mpiray finoana. Faly be aho fa nanatrika izany ny rahalahiko sy ny zaobaviko!
Nanova ny toe-tsaiko aho
Rehefa nihanazava tamiko ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hitako fa nila nanova ny toetra ratsiko aho. Tsapako fa nahatonga ahy hanjakazaka sy ho tia tena ny toe-batako. Tsy maintsy niady mafy aho, mba ho afaka tamin’izany toetra izany. Nila nanetry tena kokoa aho, sy niezaka nandresy ny fahakiviako noho izaho voatery niankina tamin’olona foana.
Niezaka mafy koa aho mba tsy hitsetra tena sy tsy hiraviravy tanana. Nanomboka nahay nankafy zavatra mampihomehy aho, tamin’ny toe-javatra sasany. Nitory isan-trano izahay indray mandeha, ary ankizivavikely no namoha
varavarana. Nanontany azy ny iray tamin’ireo Vavolombelona niaraka tamiko raha tao an-trano ny ray aman-dreniny. Niantsoantso ilay zazavavikely hoe: “Neny a, misy lehilahy roa miaraka amin’ny olona marary ao am-baravarana.” Menatra ilay reniny rehefa nahita ahy ary tsy nahateny. Hoy anefa ilay namako iray: “Ny roa aminay no marary, raha ny marina, fa ny iray salama.” Nihomehy izahay rehetra, ary nahafinaritra ny resaka nifanaovanay avy eo.Naniry hanompo bebe kokoa
Nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy nandritra ny sivy volana aho taorian’ny batisako, ka nanokana 60 ora isam-bolana mba hitoriana. Mbola te hampitombo izany anefa aho. Tsy ela dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho, ka nanokana ora betsaka kokoa mba hitoriana. Sarotsarotra ny volana vitsivitsy voalohany nanaovako io asa io. Maro no nihevitra fa hangata-bola no nahatongavako teo am-baravarany. Nahamenatra ahy sy ny Vavolombelona niaraka tamiko izany.
Ankoatra izany, dia olona maro teo anivon’ny fiangonana no tsy nahazo tsara ny teniko, ka tsy nahalala izay tena tokony hatao mba hanampiana ahy. Nihatsara anefa ny toe-javatra rehefa nandeha ny fotoana, noho ny fanampian’i Jehovah sy ireo rahalahiko sy anabaviko kristianina mahafoy tena. Vavolombelon’i Jehovah miezaka manampy ny hafa hahalala ny fikasan’Andriamanitra izao no ahafantaran’ny olona ahy, fa tsy lehilahy iray eo ambony seza misy kodiarana fotsiny.
Manao fiofanana manokana maharitra tapa-bolana ny mpisava lalana, ka nanatrika izany aho tamin’ny Jolay 1994. Nianaranay tamin’izany ny toro lalana ao amin’ny Soratra Masina, ilaina eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Nahazo fampiofanana mahasoa koa izahay teny amin’ny fanompoana. Tsy maintsy niatrika zava-tsarotra aho mba hanatrehana ilay sekoly, satria 60 kilaometatra eo ho eo avy eto aminay no nanaovana azy io. Tsy afaka natory tany an-tranon’olona aho ny alina, ka nifandimby naka ahy ireo Vavolombelona rehefa maraina, ary nanatitra ahy rehefa hariva. Nibata ahy nankany ambony rihana ny iray tamin’izy ireo rehefa antoandro, satria tany izahay rehetra no nisakafo.
Andraikitra lehibe iray
Voatendry ho anti-panahin’ny fiangonana aho tamin’ny Martsa 2003. Tsy maintsy niasa mafy ho an’ny hafa aho rehefa niantsoroka io andraikitra io. Lasa takatro tsara izao ny hevitry ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Miara-miasa amin’ny anti-panahy mahafinaritra aho, ary mampiofana ahy hahavita ny andraikitro izy ireo. Tsapako fa mankasitraka ahy ny fiangonana manontolo, indrindra fa ny tanora, ary manasa ahy izy ireo rehefa misy zavatra ataony. Hitan’izy ireo ny fomba nandreseko zava-tsarotra, mba hanompoana an’i Jehovah. Mitady fanampiana amiko ny maro aminy, mba hiatrehany ny olana mahazo azy.
Nianarako fa tsy voatery hiankina amin’ny toe-batan’ny olona iray ny fahasambarany. Ny fahazoana sitraka amin’i Jehovah sy ny fanaovana ny sitrapony kosa no zava-dehibe. Tena isaorako azy manokana ilay fampanantenany kanto hoe tsy ho ela aho dia tsy hila seza misy kodiarana intsony. Tsy andriko tokoa ny ‘hitsambikina tahaka ny diera’, sy ny hanompo an’ilay Andriamanitra marina mandrakizay doria.—Isaia 35:5, 6.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 22]
Vavolombelon’i Jehovah miezaka manampy ny hafa hahalala ny fikasan’Andriamanitra izao no ahafantaran’ ny olona ahy, fa tsy lehilahy iray eo ambony seza misy kodiarana fotsiny
[Sary, pejy 21]
Mitendry amin’ny oroko aho, rehefa manomana ny fivorian’ny fiangonana