Voa Iray Nitety An’izao Tontolo Izao
Voa Iray Nitety An’izao Tontolo Izao
Lehilahy iray nahafoy tena ho an’ny zana-kafe iray. Lazaina fa izany no “tapany mampihetsi-po indrindra amin’ny tantaran’ny fielezan’ny kafe”, hoy ny boky “Ny Mombamomba ny Kafe” (anglisy). Milaza ny gazety “Amerikanina Siantifika” (anglisy), fa io zavamaniry kely io dia nandray anjara lehibe tamin’ny fiforonan’ny indostria mpamokatra kafe, izay mampidi-bola 70 000 tapitrisa dolara isan-taona. Ny indostria mpamokatra solitany ihany no maharesy azy.
TANY amin’ireo tendrombohitr’i Etiopia no nanomboka ilay tantara mahaliana momba ny kafe. Tany no nahitana kafedia voalohany. Zanak’izy io ny kafe arabikà, izay ahazoana ny androatokon’ny kafe eran-tany. Tsy hay hoe oviana marina no nahitan’ny olona fa azo anaovana zava-pisotro matsiro sy manitra ny kafe. Efa nambolena tany amin’ny Saikinosin’i Arabia anefa ny kafe arabikà, tamin’ireo taona 1400. Voarara ny fivarotana azy io tamin’ny firenen-kafa, nefa nahazo masomboly na zana-kafe ihany ny Holandey, tamin’ny 1616. Tsy ela izy ireo dia nanana toeram-pambolena kafe tany Ceylan (Sri Lanka ankehitriny) sy Java (any Indonezia).
Naka zana-kafe iray tany Java ny Holandey, tamin’ny 1706, ary namboly izany tany amin’ny zaridainan-javamaniry tany Amsterdam, any Holandy. Nitombo tsara ilay izy ka nahazoana zanany, izay nalefa tany Suriname sy Karaiba, zanatany holandey. Nomen’ny ben’ny tanànan’i Amsterdam zana-kafe iray koa, ny mpanjaka frantsay Louis Faha-14, tamin’ny 1714. Namboleny tao anaty tranom-boly fitaratra ilay izy, tao amin’ny Jardin des Plantes, Zaridainan’ny Mpanjaka any Paris.
May hivarotra kafe ny Frantsay ka nividy masomboly sy fototra kafe, ary nandefa izany tany amin’ny nosy La Réunion. Tsy naniry anefa ireo masomboly, ary nisy manam-pahaizana nilaza fa hazo iray sisa no tsy maty. Nambolena ny masomboly 15 000 avy tamin’izy io, tamin’ny 1720, ka nisy toeram-pambolena kafe ihany tao La Réunion nony farany. Tena sarobidy ny fototra kafe, ka izay tratra nanimba iray monja taminy, dia nomelohina ho faty! Mba te hanana toeram-pambolena tany Karaiba koa ny Frantsay, fa tsy nahomby ny ezaka roa voalohany nataony.
Nanao vakansy tany Paris i Gabriel Matthieu de Clieu, manamboninahitry ny tafika an-dranomasina frantsay. Tapa-kevitra hitondra zana-kafe iray izy, rehefa hody any Martinika. Nahazo iray tamin’ny zanak’ilay kafe nambolena tao Paris izy, ary nitondra izany tany Martinika, tamin’ny Mey 1723.
Napetrany tao anaty boaty nisy lafiny fitaratra ilay zavamaniry sarobidy, mba ho azon’ny hainandro ka hafana foana, na dia maloka aza ny andro indraindray teny ambony sambo, hoy ny boky Ny Mombamomba ny Kafe. Nanandrana naka an-keriny an’io zana-kazo io ny mpiara-dia taminy iray, satria nialona azy angamba, na mety ho tsy tiany hahomby izy ka homem-boninahitra. Tsy azony anefa ilay zana-kazo, ary tsy maty izy io. Tsy naninona koa ilay izy, na teo aza ny tafio-drivotra mahery sy ny fanafihan’ny jiolahin-tsambo tonizianina. Ary ny ratsy indrindra dia ny tsy fahampian’ny rano fisotro, rehefa tsy afa-nihetsika tany akaikin’ny Ekoatera ny sambo, satria tsy nisy rivotra nanosika azy. Hoy i de Clieu: “Tena tsy ampy ny rano, ka tsy maintsy nozaraiko tamin’ilay zavamaniry ny anjara ranoko efa tena kely, nandritra ny iray volana mahery. Niankina taminy tanteraka mantsy ny fanantenako, ary loharanom-pahafinaretako izy.”
Novalian-tsoa ny fahafoizan-tenan’i de Clieu. Tonga soa aman-tsara tany Martinika ilay zana-kafe, ary nandrobona sy namokatra be tao amin’io tany mafana io. “Ny masomboly avy tamin’io zavamaniry iray io, na avy tamin’ny taranany, no nanomezan’i Martinika an’ireo tany rehetra tany Amerika, afa-tsy i Brezila sy Guyane ary Suriname”, hoy i Gordon Wrigley tao amin’ilay bokiny hoe Kafe (anglisy).
Nitady fototra kafe koa i Brezila sy Guyane tamin’izany. Mbola nanana zanak’ilay hazo avy tany Amsterdam ny Holandey tany Suriname, saingy tsy nety nanome an’iza na iza. Nisy mpanao heloka bevava iray anefa nandositra avy tany Suriname, ary nangalatra masomboly vitsivitsy tany. Nanaiky tsy hanagadra azy sy hamela azy hiverina tany Suriname ny manam-pahefana tao Guyane, raha nomeny tamin’ireo masomboly nangalariny. Nahazo masomboly àry i Guyane, tamin’ny 1722.
Niezaka hahazo masomboly na zana-kafe an-tsokosoko koa i Brezila, fa tsy nahomby. Niady sisin-tany i Suriname sy Guyane tatỳ aoriana, ary nangataka mpitsara tamin’i Brezila. Nirahina ho any Guyane àry i Francisco de Melo Palheta, manamboninahitry ny tafika brezilianina, mba handamina an’ilay ady sady nasaina nitondra zana-kafe vitsivitsy rehefa nody.
Voalamina tsara ilay raharaha, ary nanao fanasambe ho fanaovam-beloma an’i Palheta ny governora. Nomen’ny vadin’ny governora fehezam-boninkazo tsara tarehy io vahiny nanan-kaja io, ho fankasitrahana azy. Nisy zana-kafe sy masomboly vitsivitsy anefa nafenina tao anatin’izy io. Azo lazaina àry fa teraka tao anaty fehezam-boninkazo tamin’ny 1727, ny indostria mpamokatra kafen’i Brezila, izay mampidi-bola an’arivony tapitrisa dolara.
Hita avy amin’izany fa ny kafe voalohany nambolena tany Amerika Afovoany sy Atsimo, dia avy tamin’ilay zana-kafe tany Java nentina tany Amsterdam tamin’ny 1706, sy ilay zanak’izy io tao Paris. Hoy i Wrigley: ‘Taranak’ilay kafe arabikà tany am-boalohany ihany àry, ny kafe arabikà rehetra ampiasain’ny indostria ankehitriny.’
Misy toeram-pambolena kafe 25 tapitrisa mahery izao any amin’ny tany 80 eo ho eo. Fianakaviana samy hafa no tompon’izy ireny. Tombanana fa misy fototra kafe 15 000 tapitrisa ao amin’ireo toerana ireo. Ny vokatra azo avy amin’izany, no anaovana ny kafe 2 250 tapitrisa kaopy sotroin’ny olona isan’andro.
Be loatra indray anefa izao ny kafe vokatra ka lasa miteraka olana. Manampy trotraka an’izany ny resaka politika. Kely noho ny kafe vokatra ny kafe ilain’ny orinasa indraindray. Misy koa fikambanana matanjaka, izay mametra ny vidin’ny kafe. Lasa mahantra na bankirompitra tanteraka ny mpamboly kafe any amin’ny tany maro, noho izany rehetra izany. Mahavariana tokoa izany, indrindra rehefa eritreretina hoe nizara ny tahirin-dranony sarobidy tamin’ny hazo kely iray i de Clieu, efa ho 300 taona lasa izay.
[Efajoro/Sary, pejy 20]
Ny Kafe Roa Mahazatra Indrindra
Hoy ny gazety Amerikanina Siantifika: ‘Misy 66, fara fahakeliny, ny karazana kafe. Karazany roa amin’ireo no tena ahodin’ny orinasa mba hamidy: Kafe arabikà ny roa ampahatelon’ny kafe vokarina eran-tany, ary kafe robistà ny ampahatelony.’
Mahery ny fofon’ny robistà ary toy ny fofon-tany. Izy io matetika no anamboarana ilay vovo-kafe tonga dia levona ao anaty rano, sy azo sotroina avy hatrany. Mamokatra be ny hazony sady mahatohitra aretina. Mahatratra 12 metatra ny haavony, izany hoe indroan’ny haavon’ny hazon’ny kafe arabikà, izay tsy azo rantsanana sy marefo kokoa ary tsy dia mamokatra. Raha maka voana robistà sy voana arabikà mitovy lanja ianao, ny robistà dia misy kafeinina 2,8 isan-jato, fa ny arabikà kosa tsy mihoatra ny 1,5 isan-jato. Na dia 44 aza ny krômôzôman’ny arabikà ary 22 ny an’ny robistà sy ny kafedia hafa rehetra, dia azo natao grefy ihany ny sasany taminy.
[Efajoro/Sary, pejy 20]
NOHAMASININA NY KAFE
Raha vao tonga tany Eoropa ny kafe tamin’ny taonjato faha-17, dia nolazain’ny pretra katolika sasany fa avy tamin’i Satana. Natahoran’izy ireo haka ny toeran’ny divay izy io, nefa ny divay no noheverin’izy ireo hoe efa nohamasinin’i Kristy. Voalaza anefa fa nanandrana nisotro kafe ny Papa Clément Faha-8, ka niova hevitra avy hatrany, hoy ilay boky hoe Kafe. Nohamasininy àry ny kafe mba handaminana an’ilay adihevitra, ka lasa neken’ny Katolika ny fisotroana azy io
[Tabilao/Sarintany, pejy 18, 19]
(Jereo ny gazety)
NY FOMBA NIELEZAN’NY KAFE
1. 1400 tany ho any Nambolena tany amin’ny Saikinosin’i Arabia ny kafe arabikà
2 1616 Nahazo fototra kafe na masomboly ny Holandey
3. 1699 Nitondra fototra kafe tany Java sy tany amin’ny nosy
hafa tany Indonezia ny Holandey
4. 1700 tany ho any Nambolena tany Amerika Afovoany sy Karaiba
ny kafe
5. 1718 Nitondra kafe tany La Réunion ny Frantsay
6. 1723 Nitondra fototra kafe iray avy tany Frantsa nankany
Martinika i G. M. de Clieu
7. 1800 tany ho any Nambolena tany Hawaii ny kafe
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny boky “Uncommon Grounds”
[Sary, pejy 18, 19]
Nizara ny ranony tamin’ny zana-kafe iray i Gabriel Mathieu de Clieu, teny an-dalana ho any Martinika, 1723
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Sarintany: © 1996 Visual Language; De Clieu: Tea & Coffee Trade Journal