Tapa-kevitra Aho Hanatratra ny Tanjoko
Tapa-kevitra Aho Hanatratra ny Tanjoko
NOTANTARAIN’I MARTHA CHÁVEZ SERNA
Safotra teo am-panaovana raharaha tao an-trano aho, tamin’izaho 16 taona. Efa teo am-pandriana aho vao nahatsiaro tena. Narary andoha be sy very hevitra aho, ary tsy nahita na nandre nandritra ny minitra vitsivitsy. Natahotra aho. Fa inona no nahazo ahy?
NANAHY ny ray aman-dreniko, ka nitondra ahy tany amin’ny dokotera. Nasainy nihinana vitaminina aho, ary nilaza izy fa nifanintona aho satria tsy ampy torimaso. Nihetsika indray ilay izy volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary niverina fanintelony avy eo. Nankany amin’ny dokotera hafa izahay. Nihevitra izy fa niady saina aho, ka nomeny fanafody mampitony.
Lasa nifanintona matetika kokoa anefa aho, ary safotra ka nianjera sy naratra. Voakaikitro ny lelako sy ny ativavako indraindray. Narary andoha be aho rehefa nahatsiaro tena, sady nisalebolebo. Nanaintaina ny vatako manontolo, ary tsy tsaroako mazàna izay nitranga talohan’izay. Nila nijanona iray na roa andro teo am-pandriana aho matetika vao salama indray. Nino anefa aho fa nihelina ihany izany, ary ho sitrana tsy ho ela.
Ny tanjoko
Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay mianakavy, fony aho mbola kely. Mpivady mpisava lalana manokana no nampianatra anay. Mpitory manontolo andro izy ireo, ka manokana ora maro isam-bolana mba hampianarana ny fahamarinana ara-baiboly. Hitako fa nahafaly azy mivady izany. Lasa nahatsapa izany fifaliana izany koa aho, rehefa niresaka tamin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra tamiko, momba ny fampanantenan’ny Baiboly.
Tsy ela dia maro tamin’ny fianakaviako no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tena tiako erỳ ny nitory ny vaovao tsara! Nanana tanjona ny ho lasa mpisava lalana manokana koa aho, tamin’izaho fito taona. Nanao dingana lehibe hanatratrarana izany aho rehefa natao batisa, fony aho 16 taona. Taorian’izay aho no nanomboka nifanintona.
Nirotsaka ho mpisava lalana
Mbola nino aho fa afaka ny ho tonga mpitory manontolo andron’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia narary aza. Nisy nihevitra anefa teo amin’ny fiangonana, fa tsy tokony handray andraikitra lehibe toy izany aho, satria nifanintona efa ho indroa isan-kerinandro. Nalahelo sady kivy aho. Tatỳ aoriana anefa, dia nivory niaraka tamin’ny fiangonanay ny mpivady iray niasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Meksika. Ren’izy ireo fa te ho mpisava lalana aho, ka tena nandrisika ahy ry zareo. Nampiaiky ahy izy ireo fa tsy voatery hisakana ahy tsy ho mpisava lalana ny aretiko.
Voatendry ho mpisava lalana maharitra àry aho tamin’ny 1 Septambra 1988, tamin’izaho tao San Andrés Chiautla, tanàna nahaterahako. Nanokana ora maro isam-bolana aho hitoriana ny vaovao tsara. Tsy afaka nitory isan-trano anefa aho rehefa avy nifanintona. Nosoratako àry ny foto-kevitra ara-baiboly sasany ary nomeko an’ireo olona teo amin’ny manodidina, mba hampirisihana azy ireo hianatra Baiboly.
Fantatra ny aretiko
Nentin’ny ray aman-dreniko tany amin’ny manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra aho tamin’izay, na dia nandany vola be aza izany. Nilaza ilay dokotera fa androbe no nahazo ahy. Nety ilay fitsaboana narahiko taorian’izay, ka tsy nihetsika firy ny aretiko nandritra ny efa-taona teo ho eo. Afaka nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana aho tao anatin’izany fotoana izany. Tena nampahery ahy izy io, ka vao mainka aho naniry hanompo tany amin’izay nilana mpitory betsaka kokoa.
Fantatry ny ray aman-dreniko fa naniry mafy hampitombo ny fanompoako aho. Efa tsy nihetsika firy ny aretiko, ka navelan’izy ireo hankany Zitácuaro aho. Any Michoacán, 200 kilaometatra avy teo aminay izy io. Vao mainka nankamamy ny fanompoana manontolo andro aho tany, rehefa niaraka tamin’ny mpisava lalana hafa.
Nifanintona indray anefa aho, roa taona taorian’ny nahatongavako tany Zitácuaro. Kivy sy nalahelo ary nila fitsaboana aho, ka nody tany amin’ny ray aman-dreniko. Nankany amin’ny manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra aho, ary nilaza izy fa nanimba ny atiko ny fitsaboana narahiko. Nitady fomba fitsaboana hafa anefa aho, satria tsy nanam-bola hankanesana tany amin’ny manam-pahaizana intsony izahay. Niharatsy ny fahasalamako, ka tsy maintsy nijanona tsy ho mpisava lalana aho. Nihanarary aho isaky ny nifanintona. Tsapako anefa fa nampionona sy nanatanjaka ahy i Jehovah, rehefa nivavaka taminy sy namaky ireo Salamo aho.—Salamo 94:17-19.
Tratrako ilay tanjoko
Nifanintona indroa isan’andro aho rehefa tena narary. Nisy fiovana lehibe nitranga anefa. Nisy dokotera nanome ahy fanafody nety tsara tamin’ilay androbe, ka salama nandritra ny fotoana elaela kokoa aho. Nanao ny asan’ny mpisava lalana indray àry aho tamin’ny 1 Septambra 1995. Tsy nihetsika mihitsy ny aretiko tao anatin’ny roa taona, ka nangataka ny ho mpisava lalana manokana aho. Nidika izany fa hampitombo ny ora hanompoako aho, sady hanompo any amin’izay ilana ahy. Alao sary an-tsaina ange ny hafaliako rehefa voatendry ho mpisava lalana manokana aho e! Tratrako ihany ilay tanjoko hatramin’ny mbola kely.
Voatendry hitory tany amin’ny tanàna kely be tendrombohitra any Hidalgo aho, tamin’ny 1 Aprily 2001. Manompo eto amin’ny tanàna kely iray eto Guanajuato kosa aho izao. Tsy maintsy mitandrina tsara aho mba tsy hanadino ny fanafodiko, ary miezaka ny ho ampy torimaso. Tandremako tsara koa ny sakafo, ka tsy mihinana zavatra matavy na misy kafeinina, na sakafo am-bifotsy be loatra aho. Miezaka hifehy ny fihetseham-poko koa aho, mba tsy ho tezitra na hanahy be loatra, ohatra. Nahasoa ahy izany fahazarana izany, ka indray mandeha ihany aho no nifanintona hatramin’ny naha mpisava lalana manokana ahy.
Faly be aho manohy ny asan’ny mpisava lalana manokana, satria mbola mpitovo sady tsy manana andraikitra ara-pianakaviana. Mampahery ahy ny mahalala fa ‘tsy mba tsy marina i Jehovah ka hanadino izay nataontsika, sy ny fitiavana nasehontsika ho an’ny anarany.’ Tena be fitiavana tokoa izy, satria tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika! Nanampy ahy hahay handanjalanja ny fitadidiana izany. Fantatro mantsy fa raha voatery hijanona tsy ho mpisava lalana indray aho noho ny aretiko, dia ho faly foana i Jehovah raha mbola manompo azy amin’ny fo manontolo aho.—Hebreo 6:10; Kolosianina 3:23.
Tena mampahery ahy tokoa ny miresaka ny finoako amin’ny olona isan’andro. Mahatonga ahy hifantoka amin’ny fitahiana homen’Andriamanitra antsika amin’ny hoavy koa izany. Mampanantena ny Baiboly fa tsy hisy intsony ny aretina ao amin’ny tontolo vaovao, “sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa [ho] lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4; Isaia 33:24; 2 Petera 3:13.
[Sary, pejy 26]
Tamin’izaho 7 taona teo ho eo (ambony) sy 16 taona teo ho eo, taoriana kelin’ny batisako
[Sary, pejy 27]
Miara-mitory amin’ny namako