Ahoana no ‘Hampiasana ny Lalàna Araka ny Tokony ho Izy’?
Ahoana no ‘Hampiasana ny Lalàna Araka ny Tokony ho Izy’?
MISY zava-kendrena foana ny lalàna. Matetika izy io no miaro sy manampy izay mankatò azy. Tsy irin’ny mpanao lalàna ny hanaovan’ny olona tsinontsinona ny lalàna, ka handikany na hampianarany zavatra diso momba azy io. Tsy mampiasa ny lalàna araka ny tokony ho izy izay manao izany.
Nanoratra ny apostoly Paoly, fa nisy olona nihambo ho Kristianina, ka nieritreritra fa nahafeno fepetra hampianatra “lalàna”, nefa tsy nanao izany tamin’ny “fitiavana avy amin’ny fo madio, sy avy amin’ny feon’ny fieritreretana madio ary avy amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.” (1 Timoty 1:5-7) Nanandrana nampino ny Kristianina izy ireo, fa tsy maintsy nanaraka ny lalàn’i Mosesy izay te ho voavonjy. Tena tsy fampiasana ny Lalàna araka ny tokony ho izy izany, ka niteraka vokany ratsy.
Nilaza i Paoly fa mba hampiasana sy hampiharana ny Lalàna “araka ny tokony ho izy”, dia tokony ho fantatra fa “tsy ho an’ny olo-marina no namoahana ny lalàna, fa ho an’ireo olona tsy tan-dalàna sy tsy manaiky hofehezina, sy tsy matahotra an’Andriamanitra sy mpanota, tsy mahatoky sy mpanazimbazimba zava-masina, ... mpamono olona, mpijangajanga, ... mpaka olona an-keriny, mpandainga”, sy ny sisa. (1 Timoty 1:8-10) Mora resin’ny fakam-panahy hanao ireo zava-dratsy ireo ny olona, matoa nila lalàna nandrara azy tsy hanao an’ireo.
Efa nisy olo-marina ve, ka tsy nila lalàna toy izany? Eny. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. Milaza ny Baiboly fa ‘tsy nivadika izy, tsy nisy fitaka na loto, ary tafasaraka tamin’ny mpanota’, nandritra ny fiainany teto an-tany. (Hebreo 7:26) Tsy nila lalàna nandrara azy tsy hanao ratsy izy, satria olo-marina sy tsy natahorana hahavanon-doza. Tsy mora resin’ny fakam-panahy hanao ratsy izy, na dia afaka nifidy ny hanao ratsy toa an’i Adama aza, satria nanana safidy malalaka. Tsy navelany handalo tao an-tsainy akory aza ny hoe hanao ratsy. Nanda avy hatrany, ohatra, izy, rehefa notaomin’i Satana tsy hankatò, na hanao izay hahafa-po ny tenany, na hampiseho ny heriny sy ny toerana ambony tanany. (Matio 4:1-11) Naharikoriko azy, ka nolaviny avy hatrany ilay tenin’i Petera tamim-pahatsorana hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô. Tsy ho izany mihitsy no hiafaranao [hijaly sy ho faty any Jerosalema].” Nihodina izy ka niteny tamin’i Petera hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina ahy ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”—Matio 16:21-23.
Tsy voatery nifehy tena na nametra izay zavatra nataony àry i Jesosy, mba tsy handikana lalàna sasany. Voajanahary taminy ny nanao ny marina. Hoy izy: “Manao izay [sitrak’i Jehovah Andriamanitra Raiko] foana aho.”—Jaona 8:29.
Tsy voafehifehy na voasakantsakan’ny lalàna marina àry ny olo-marina. Miaina mifanaraka amin’ny lalàn’ny fitiavana izy, izay ‘lalàn’ny fahafahana’ sy “lalàn’ny olona afaka.” Tsy misy lalàn’Andriamanitra manohitra ny fitiavana, na mandrara ny fanehoana azy io amin’ny fomba feno sy malalaka. Niresaka momba ny vokatry ny fanahy i Paoly, anisan’izany ny fitiavana, ary niteny hoe: “Tsy misy lalàna manohitra an’ireo.” (Jakoba 1:25; 2:12; Galatianina 5:22, 23) Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.”—Jaona 15:12.
Antenaina hanaraka ny lalàna ao amin’ny tany misy azy ny Kristianina, ankehitriny. Tsy maintsy ankatoaviny izy ireny, ary tena ankatoaviny rehefa fantany fa marina sy mahasoa ny olon-drehetra. Tsy mankatò ny lalàna nataon’olombelona kosa anefa izy, raha mifanohitra Asan’ny Apostoly 4:19, 20; 5:29.) Ny lalàna toy izany dia mifanohitra amin’ny lalàn’ny fitiavana, izay tsy maintsy ankatoavin’ny Kristianina, eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Mamoaka lalàna marina anefa ny fanjakan’olombelona. Tsy manakana ny Kristianina tsy hanao ny tsara sy haneho fitiavana amin’ny olona àry ireny lalàna ireny.
amin’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny vahoakany izany, ka hahatonga azy handika ny feon’ny fieritreretany. (Ampitahao amin’nyNahoana? Satria ‘ambara fa marina’ izay mino ny soron’i Kristy ho an’ny olombelona. Voasaron’io sorona io ny fahotan’izy ireo, eo imason’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly momba azy ireo:
“Koa tsy mahazo fanamelohana àry izay tafaray amin’i Kristy Jesosy. Efa nanafaka anao tamin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana mantsy ny lalàn’ny fanahy. Io fanahy io dia manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy. Fa nisy zavatra tsy vitan’ny Lalàn[’i Mosesy], satria nampahalemy azy io ny nofo. Noho izany, dia nanameloka ny ota ao amin’ny nofo Andriamanitra ka naniraka ny Zanany izay nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota, ary naniraka azy noho ny ota. Eny, nomelohiny ny ota mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra ara-drariny takin’ny Lalàna, dia isika izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny fanahy.”—Romanina 8:1-4.
Tsy natao ho an’ny tena olo-marina àry, ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely tamin’ny alalan’i Mosesy. Tsy nisy olombelona tsy lavorary nahavita nitandrina azy io anefa, ka manaporofo izany fa tsy afaka mirehareha momba ny tenany ny olombelona. Tsy misy zavatra tsara ao aminy satria mpanota daholo izy rehetra. (Ampitahao amin’ny Romanina 7:18.) Mila fanampiana àry ny olona rehetra. Tsy inona izany fa ilay fanampiana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy Kristy. Mampiasa araka ny tokony ho izy ny Lalàna ny olona mahatakatra izany, ka miaina mifanaraka amin’izany.
Tsy mety anefa ny manery ny Kristianina hankatò ny lalàn’i Mosesy, ka milaza fa izy io no fitsipika tokony harahina. Tsy mety koa ny mampiasa azy io mba hampitahorana. Tsy eo ambanin’ny Lalàna intsony mantsy ny Kristianina. Efa nofoanana tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy izy io.
Inona àry no ilana ny Lalàna? Ahoana no ‘hampiasana azy io araka ny tokony ho izy’? Ilaina aloha ny mianatra azy io, satria “aloky ny zavatra tsara ho avy” izy io. (Hebreo 10:1) Hahita ny fomba fijerin’Andriamanitra zavatra koa isika, rehefa mianatra ny didiny sy ny fifandraisany tamin’ny Israely teo ambanin’ny Lalàna. Hahazoantsika toro lalana izany. Tsy voatery hanaraka ny Lalàna intsony anefa isika Kristianina. Natao hakana toro lalana sisa izy io.
Etsy an-danin’izany, ny Kristianina dia tsy manana fahefana hampihatra sazy ara-batana amin’izay nandika ny lalàn’ny fitiavana na ny lalàn’i Mosesy. I Kristy no Mpitsara, ka izy no hampihatra ny rariny. Be famindram-po koa anefa izy. Adidin’ny Kristianina àry ny manampy izay nania, raha afaka manao izany izy. Hoy i Jakoba: “Fantaro fa izay mampiverina mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy azy tsy ho faty sady hanarona fahotana maro be [ny an’ilay nania].”—Jakoba 5:20.
Horoahin’ny fiangonana ilay nania, raha tena mandika ny toro lalana marina avy amin’Andriamanitra, nefa tsy mety miova sady tsy mibebaka. Tsy natao hampijaliana azy anefa izany. Ilaina kosa izany, sady takin’Andriamanitra, mba hampahadio ny fiangonana eo imasony. Natao hiarovana ny fiangonana sy ny anaran’Andriamanitra koa izany. (1 Korintianina 5:5, 13) Andriamanitra àry no manafay ilay nanota, ka manapa-kevitra ny amin’izay sazy sahaza azy. Amin’ny alalan’i Kristy no anaovany izany.
‘Mampiasa ny lalàna araka ny tokony ho izy’ àry ny olona iray, rehefa mahatakatra ny tena zava-kendreny sy ny asany mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. Manaiky sy mankatò azy io mifanaraka amin’izany izy avy eo.