Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafaty ny Setroka

Mahafaty ny Setroka

Mahafaty ny Setroka

OLONA telo isa-minitra isan’andro no maty ao an-tranony, araka ny tatitra voaray. Tena mampanahy izany. Setroka avy amin’ny zavatra ataina no mahatonga ilay fahafatesana.

Inona avy no atain’ny olona? Mety ho taim-biby maina, kitay, bozaka na fako avy amin’ny fambolena izany. Ireny ihany matetika no ampiasain’ny tena mahantra, mba handrahoana sakafo sy hamindroana. Lazain’ny gazety The Kathmandu Post, any Népal, fa ny ampahatelon’ny mponina eran-tany no mampiasa azy ireny, izany hoe, 2 000 tapitrisa mahery.

Mampalahelo anefa fa mamoaka setroka mahafaty ireny zavatra ireny rehefa dorana. Inona àry no azo atao? Hoy ny fikambanana iray manampy amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny olona any amin’ny firenena maro: “Tsotra ihany ny vahaolana: Na tsy avela hiditra ao an-trano ilay setroka, na atao izay hivoahany.”

Any an-tokotany mahandro. Izany no soso-kevitra voalohany. Ahoana anefa raha tsy afaka manao izany ilay olona, na tsy te hanao an’izany? Mila hatsaraina àry ny fivezivezen-drivotra ao an-trano, araka ny toromarik’ilay fikambanana. Misy fomba roa hanaovana izany: Voalohany, manaova lavaka vitsivitsy amin’ny rindrina eo ambanin’ny valindrihana, ary asio karakara vy mba tsy hidiran’ny bibikely. Faharoa, ampio ny varavarankely. Afaka mivezivezy tsara ny rivotra amin’izay, ary ho tafavoaka ny setroka. Tsy dia tsara anefa ny lavaka raha tiana hafana ao an-trano. Misy fomba tsotra hafa àry azo ampiasaina.

Hoy ihany ilay fikambanana: ‘Ny fanamboarana fivoahan-tsetroka no fomba tsara indrindra.’ Tsy lafo ny manao an’izany, satria takela-by na biriky sy fotaka dia efa mety. Ataovy eo ambonin’ny fatana ilay izy, mba hahafahan’ny setroka hivoaka any amin’ny tafo. Lazain’ny manam-pahaizana fa mihena hatrany amin’ny 80 isan-jato ny setroka mahafaty, rehefa mampiasa lavaka na fivoahan-tsetroka ny olona, mba hanatsarana ny fivezivezen’ny rivotra. Milaza ireo mampiasa fivoahan-tsetroka fa mihatsara ny fahasalamany, mihamadio izy, afaka miasa bebe kokoa, ary lasa mahafinaritra azy kokoa ny mijanona ao an-trano. Hita àry fa zavatra tsotra dia efa afaka mampivoatra ny fiainana.

[Sary, pejy 24]

Lakozia any Kenya, misy fivoahan-tsetroka sy lavaka, ary varavarankely

[Sary nahazoan-dalana]

Dr. Nigel Bruce/www.itdg.org