Inona no Filma Hojerenao?
Inona no Filma Hojerenao?
SAMY hafa, tato ho ato, ny hevitry ny olona momba ny firaisana sy ny herisetra ary ny teny ratsy be dia be ao amin’ny tele. Misy miteny hoe mamoafady ireny firaisana ireny. Ny hafa kosa milaza fa mahatsara ny filma ireny. Ny sasany manizingizina fa tsy ilaina sady tsy rariny ny herisetra. Ny hafa kosa miteny fa rariny ireny. Misy milaza fa manafintohina ny teny ratsy variraraka. Ny hafa kosa miteny hoe zava-misy ireny. Izay heverin’ny olona iray ho vetaveta, dia heverin’ny hafa ho fahalalahana haneho hevitra. Mety ho adihevitra tsy misy dikany izany rehefa henoina, satria toa mahakasika fotsiny ny fahitan’ny tsirairay azy.
Tsy adihevitra tsy misy dikany anefa izany. Mampanahy ny ray aman-dreny sy ny olona manaja ny fitsipi-pitondran-tena tsara, ny zavatra hita sy re ao amin’ny filma, ary rariny raha manahy izy ireo. Nisy vehivavy nitaraina hoe: “Mbola mandeha mijery sinema ihany aho indraindray, na dia fantatro aza hoe tsy tokony hankany intsony aho. Mahatsiaro ho tsy mendrika kokoa noho ny taloha aho, isaky ny avy any, sady menatra ny tenako. Menatra koa aho noho ireo olona namorona ireny zavatra manafintohina ireny. Lasa toy ny olona tsy misy dikany ny fahitako ny tenako.”
Nasiana lalàna
Tsy vao izao no nampanahy ny zavatra hita sy re ao amin’ny filma. Tamin’ny fotoana voalohany nisian’ny filma, dia efa nahatezitra mafy ny olona ny resaka firaisana sy ny asan-jiolahy tao amin’izy ireny. Nasiana lalàna hentitra àry tany Etazonia, tamin’ireo taona 1930, mba hamerana izay azo aseho ao amin’ny filma.
“Tena henjana” io lalàna vaovao io, hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy). “Saika tsy azo nalefa daholo ny zava-drehetra fanaon’ny olon-dehibe. Voarara koa ny nampiseho ‘olon-droa mifaneho fihetsika manaitra ny filan’ny nofo.’ Tsy azo natao akory aza ny niresaka fanitsakitsaham-bady, firaisana tsy ara-dalàna, fanambatambazana hanao firaisana, ary fametavetana. Azo natao ihany ireo raha tena nilaina tamin’ny fizotran’ilay tantara, nefa tsy maintsy naseho tao amin’ny faran’ilay filma fa nosazina mafy izay nanao azy.”
Izao no voalaza momba ny herisetra: ‘Voarara ny mampiseho na miresaka fitaovam-piadiana fampiasan’ny olona, mampiseho amin’ny
an-tsipiriany heloka bevava, mampiseho manam-pahefana vonoin’ny jiolahy na vonoan’olona na famonoan-tena, miresaka fampijaliana tafahoatra na fandatsahan-dra. Azo natao ihany ireo raha tena nilaina tamin’ny fizotran’ilay tantara. Tsy tokony ho hita mihitsy anefa hoe rariny ny heloka bevava sasany.’ Ho famintinana, dia nilaza ilay lalàna fa “tsy tokony hisy sary hanimba ny fitondran-tenan’ny mpijery” ao amin’ny filma.Lasa nosokajina ny filma
Tsy nankatò io lalàna io intsony ny mpanao filma maro tany Hollywood, tamin’ireo taona 1950, satria noheverin’izy ireo fa efa lany andro izy io. Nofoanana àry izy io tamin’ny 1968. Nosokajina kosa ny filma nanomboka teo, ka nasiana famantarana toy ny hoe Visa A na Visa B na Visa C. * Azo natao àry ny nampiseho mivantana olona manao firaisana. Tsy maintsy nasiana famantarana fotsiny ilay filma, mba hampitandremana ny mpijery ny amin’ny habetsahan’ny zavatra “natokana ho an’ny olon-dehibe” ho hita ao. Natao “hampitandremana ny ray aman-dreny izany, mba hanapahany hevitra hoe inona no filma azon’ny zanany jerena.” Izany no tenin’i Jack Valenti, izay prezidàn’ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Filma, nandritra ny 40 taona latsaka.
Tsy nisy nanakantsakana intsony nanomboka teo. Nalalaka tanteraka ny mpanao filma, ka lasa nameno ny filma avy any Hollywood ny firaisana sy herisetra ary teny ratsy. Toy ny tondra-drano tsy azo nosakanana izy ireny. Soa ihany fa efa misy an’ilay famantarana, mba hampitandremana ny mpijery. Ampy hahalalanao izay zava-drehetra tokony ho fantatrao ve anefa ireny famantarana ireny?
Misy zavatra tsy ho fantatrao
Misy mahatsapa hoe lasa baranahiny ny fanasokajiana filma, rehefa nandeha ny fotoana. Manamarina izany ny fandinihana nataon’ny Oniversiten’i Harvard Misahana ny Fahasalamam-bahoaka. Hitan’izy ireo fa feno herisetra kokoa sy mampiseho mivantana kokoa olona manao firaisana izao ny filma azon’ny zatovo jerena, raha oharina amin’ny filma tamin’ny folo taona lasa fotsiny. Hita koa fa ‘mety ho betsaka lavitra sy ho hafa be ny zavatra mety hanafintohina ao amin’ny filma iray, raha oharina amin’ny filma iray hafa mitovy sokajy aminy. Raha ny sokajy misy an’ilay filma fotsiny koa, dia tsy ampy hahalalanao izay herisetra na firaisana na teny ratsy na zavatra hafa mety hiseho ao.’ *
Misy ray aman-dreny mamela ny zanany hijery sinema irery. Tsy fantany angamba hoe inona ny filma heverin’ny olona ankehitriny ho azon’ny zatovo jerena. Izao, ohatra, no nolazain’ny olona iray mpanao tsikera filma, momba ny mpilalao iray tao amin’ny filma azon’ny zatovo amerikanina jerena: ‘Ankizivavy 17 taona ilay izy. Tsy voafehifehy izy, ka tsy menatra mihitsy isan’andro mimamo, mampiasa zava-mahadomelina, manao fety anaranam-po amin’ny firaisana, ary manao firaisana amin’ny ankizilahy iray vao nihaona taminy.’ Fahita ao amin’ny filma izany. Nilaza mihitsy aza Ny Gazetin’i Washington (anglisy) fa toa “ekena foana” ny firaisana amin’ny vava, ao amin’ny filma azon’ny zatovo jerena. Tsy ampy hitsarana ny filma àry ny famantarana eo aminy. Misy zavatra tsara kokoa afaka manampy ve?
“Mankahalà ny ratsy”
Tsy mahasolo ny feon’ny fieritreretana voataizan’ny Baiboly ny famantarana eo amin’ny filma. Miezaka mampihatra ilay fananaran’ny Baiboly ao amin’ny Salamo 97:10 ny Kristianina isaky ny manapa-kevitra, anisan’izany ny fanapahan-kevitra momba ny fialam-boly. Voalaza ao hoe: “Mankahalà ny ratsy.” Ratsy amin’ny olona mankahala ny ratsy ny fialam-boly misy zavatra halan’Andriamanitra.
Ny ray aman-dreny no tena mila mijery tsara ny karazana filma avelany hojeren’ny zanany. Tsy mailo izy ireo, raha manopy maso fotsiny amin’ilay famantarana eo amin’ilay filma. Tena mety hisy fitsipi-pitondran-tena tsy ekenao ao amin’ny filma voalaza fa azon’ny zanakao jerena. Tsy mahagaga ny Kristianina izany, satria manana toe-tsaina sy *—Efesianina 4:17, 18; 1 Jaona 2:15-17.
fihetsika mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra ity tontolo ity.Tsy ratsy daholo anefa ny filma. Na izany aza, dia tena ilaina ny mitandrina. Hoy ny Mifohaza! 8 Jona 1997: “Ny isam-batan’olona dia tokony handanjalanja ilay raharaha amim-pitandremana ka handray fanapahan-kevitra izay hamela azy hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.”—1 Korintianina 10:31-33.
Fomba ahitana fialam-boly tsara
Inona no hanampy ny ray aman-dreny hifidy tsara ny filma hojeren’izy mianakavy? Diniho ny tenin’ireto ray aman-dreny avy amin’ny faritra maro ireto. Mety hanampy anao hahita fialam-boly tsara ho an’ny fianakavianao izy ireo.
Hoy i Juan avy any Espaina: “Tsy maintsy niaraka tamiko na tamin’ny vadiko ny zanakay tamin’ny mbola kely, isaky ny nijery sinema. Tsy nandeha irery mihitsy izy ireo, na niaraka fotsiny tamin’ny ankizy hafa. Efa zatovo izy ireo izao, nefa tsy tonga dia mandeha mijery izay filma mivoaka. Asainay miandry izy mandra-pamakinay ny fanamarihana momba ilay filma, na mandra-pahenonay ny fahitan’ny olona atokisanay an’ilay izy. Miara-manapa-kevitra izahay mianakavy avy eo na hijery an’ilay izy na tsia.”
Mampirisika ny zanany lahy hilaza ny heviny momba izay filma alefa any amin’ireny sinema ireny kosa i Mark, atsy Afrika Atsimo. Hoy izy: “Izahay mivady no manomboka ilay resaka, ka manontany azy momba ilay filma. Fantatray amin’izay ny heviny, ka afaka mampisaintsaina azy izahay. Vokatr’izany, dia afaka mifidy filma azonay mianakavy ankafizina izahay.”
Manokana fotoana iarahana amin-janany koa i Rogerio avy any Brezila, mba handinihana tsara izay filma tian’izy ireo hojerena. Hoy izy: “Miara-mamaky ny fanamarihana momba ilay filma izahay. Miara-mankany amin’ny mpivarotra filma koa izahay, ka ampianariko mijery ny fonon’ilay filma izy ireo, mba hahitana sao ratsy ilay izy.”
Hitan’i Matthew avy any Grande-Bretagne kosa, fa tsara ny miresaka amin’ny ankizy momba ny filma tian’izy ireo hojerena. Hoy izy: “Mbola kely ny zanakay, dia efa nasainay nilaza ny heviny, rehefa niresaka momba ny filma tianay mianakavy izahay. Raha tapa-kevitra izahay mivady fa tsy hijery filma iray, dia nohazavainay ny antony, fa tsy noraranay fotsiny ry zareo.”
Hitan’ny ray aman-dreny sasany koa fa tsara ny mitady filma ao amin’ny Internet. Misy toerana maromaro ao manazava amin’ny an-tsipiriany ny zavatra ho hita ao amin’ny filma. Azo atao ny mijery ao amin’izy ireny, mba hahalalana kokoa ny fitsipi-pitondran-tena hita ao amin’ny filma iray.
Soa azo avy amin’ny feon’ny fieritreretana voaofana
Miresaka momba ireo “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ny Baiboly. (Hebreo 5:14) Ny tokony ho tanjon’ny ray aman-dreny àry dia ny hampianatra ny zanany tsikelikely izay fitsipi-pitondran-tena hanampy azy hanapa-kevitra tsara, rehefa afaka mifidy ny fialam-boliny izy.
Nahazo fampiofanana tsara toy izany avy tamin’ny ray aman-dreniny ny tanora Vavolombelon’i Jehovah maro. Tia miara-mijery sinema amin’ny zanany roa lahy zatovo, ohatra, i Bill sy Cherie, any Etazonia. Hoy i Bill: “Matetika izahay no miara-midinika momba ilay filma, rehefa avy mijery an’ilay izy. Resahinay hoe inona no fitsipi-pitondran-tena hita tao, sy hoe ekenay ve izany sa tsia.” Hitan’izy mivady koa anefa fa ilaina ny mifidy tsara. Hoy ihany i Bill: “Mamaky fanazavana momba ilay filma izahay, alohan’ny hijerena azy. Tsy menatra koa izahay mivoaka ny sinema, raha misy zavatra manafintohina tsy nampoizinay ao amin’ilay filma.” Miara-manapa-kevitra àry ry zareo, ka hitan’izy mivady fa manampy ny zanany hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy izany. Hoy i Bill: “Mahay manapa-kevitra tsara kokoa ry zareo izao, rehefa mifidy izay filma tiany hojerena.”
Ray aman-dreny maro, toa an’i Bill sy Cherie, no nanampy ny zanany hanazatra ny fahaizany misaina, mba hahay hifidy fialam-boly. Marina fa ratsy ny ankamaroan’ny filma. Mahita fialam-boly tsara sy mamelombelona anefa ny Kristianina, rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Nanao toy izany koa ny tany maro. Asian’izy ireo famantarana eo amin’ny filma mba hahalalana ny sokajin-taona mahazo mijery azy io.
^ feh. 12 Mety tsy hitovy koa ny fitsipika arahin’ny tany tsirairay amin’ny fanasokajiana filma. Mety tsy ho azon’ny zatovo jerena ny filma iray any amin’ny tany sasany, nefa mifanohitra amin’izany any an-kafa.
^ feh. 16 Tokony hotadidin’ny Kristianina koa fa mety hisy filalaovana ody na fifandraisana amin’ny demonia, ny filma ho an’ny ankizy sy ny zatovo.—1 Korintianina 10:21.
[Efajoro/Sary, pejy 30]
‘MIARA-MANAPA-KEVITRA IZAHAY’
“Tamin’izaho mbola kely, dia niaraka foana izahay mianakavy rehefa nijery sinema. Avelan’ny ray aman-dreniko handeha irery anefa aho izao. Alohan’ny hamelany ahy anefa, dia anontaniany ny lohatenin’ilay filma sy ny zavatra horesahina ao amin’ilay izy. Raha tsy mahalala na inona na inona momba ilay filma ry zareo, dia vakiny ny fanamarihana momba ilay izy, na jereny ny santionany alefan’ny tele. Mitady fanazavana ao amin’ny Internet koa ry zareo. Raha hitany hoe ratsy ilay filma, dia hazavainy ny antony. Avelany hilaza ny hevitro koa aho. Samy maneho malalaka ny hevitray izahay, ary miara-manapa-kevitra na hijery an’ilay izy na tsia.”—Héloïse, 19 taona, Frantsa.
[Efajoro/Sary, pejy 31]
IARAHO MIDINIKA ILAY IZY!
“Raha misy zavatra andraran’ny ray aman-dreny, nefa tsy mitady zavatra tsara hasolo izany izy ireo, dia mety hataon’ny zanany mangingina ihany ilay izy. Misy ray aman-dreny àry tsy mandrara avy hatrany na manome alalana ny zanany, rehefa te hijery zavatra tsy mendrika izy ireo. Andrasany ho tony kokoa aloha izy sy ilay ankizy. Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia iarahany midinika aminy ilay fialam-boly, nefa miezaka ny tsy ho tezitra izy. Anontaniany ilay zanany hoe nahoana izy no mieritreritra fa tsara io karazana fialam-boly io. Matetika ny tanora no lasa mitovy hevitra amin’ny ray aman-dreniny sy misaotra azy ireo mihitsy, rehefa avy niara-nidinika toy izany. Ampian’ny ray aman-dreniny izy avy eo hifidy fialam-boly hafa iarahan’izy mianakavy.”—Masaaki, mpiandraikitra mpitety faritany any Japon.
[Sary, pejy 29]
Vakio ny fanamarihana momba ilay filma ALOHAN’NY hijerena azy
[Sary, pejy 30, 31]
Ampianaro hahay hifidy filma ny zanakao