Mbola Misy ny Samaritanina Tsara Fanahy
Mbola Misy ny Samaritanina Tsara Fanahy
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA
Efa nandre ny tantaran’ilay Samaritanina tsara fanahy resahin’ny Baiboly ny maro amintsika. (Lioka 10:29-37) Nasehon’i Jesosy Kristy tamin’ilay tantara, fa nanao izay tratran’ny heriny ilay Samaritanina mba hampisehoana fitiavana an’ilay mpiara-belona nila fanampiana. Mbola misy olona tsara fanahy toy izany ve ankehitriny? Araho àry ity fitantarana avy any Meksika ity.
Teny an-dalana nody ry Betuel mianakavy, ary kilaometatra vitsivitsy sisa dia ho tonga tany an-tranony. Nahita lozam-piarakodia nahatsiravina izy ireo tamin’izay, ka nijanona mba hanampy. Nangataka taminy ny iray tamin’ireo mpamily niharan-doza, izay dokotera, mba hitondra ny vadiny bevohoka sy ny zanany vavikely roa ho any amin’izay hopitaly akaiky teo. Nentin’i Betuel tamin’ny fiarany àry izy telo mianaka, ary avy eo izy dia niverina teo amin’ilay toerana nitrangan’ilay loza, mba hijery raha misy zavatra hafa azony anampiana.
Hoy i Betuel: “Efa tonga teo amin’ilay toerana ny polisy tamin’izay, ary nentin’izy ireo ilay dokotera mba hofotorana, satria nisy maty. Nanontany ilay dokotera hoe nahoana aho no nanampy azy. Nolazaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary nianaranay tao amin’ny Baiboly fa tokony ho tia ny mpiara-belona izahay. Nilazako izy mba tsy hanahy ny amin’ny vady aman-janany, satria hokarakarainay izy ireo. Tena nankasitraka izy ka latsa-dranomaso mihitsy. Avy eo, dia nasainy notehiriziko ireo zava-tsarobidy tany aminy.”
Nampiantranoin’i Betuel sy ny fianakaviany ny ankohonan’ilay dokotera, ary nokarakarainy nandritra ny andro maromaro. Nanararaotra nampianatra Baiboly azy ireo izy. Nisaotra sy nidera ny Vavolombelon’i Jehovah ilay dokotera rehefa nafahan’ny polisy. Nampanantena izy fa hanohy ny fianarany Baiboly rehefa tafaverina any aminy. Nilaza koa izy fa Betuel no hataony anaran-janany, raha mitera-dahy ny vadiny. Hoy i Betuel: “Afaka nitsidika azy ireo indray izahay roa taona tatỳ aoriana. Gaga aho fa mbola nianatra Baiboly izy ireo, ary Betuel no anaran’ny zanany lahikely!”
[Sary, pejy 13]
Betuel