Manan-tantara Mahatsiravina ny Tilikambon’i Londres
Manan-tantara Mahatsiravina ny Tilikambon’i Londres
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
MANERINERINA eo amin’ny morony atsinanan’ny Ony Tamise ny Tilikambon’i Londres, izay malaza maneran-tany. Nanana anjara lehibe teo amin’ny tantara nisafotofoton’i Angletera io lapa sady fonja io, nandritra ny arivo taona latsaka kely. Samy efa naiditra tao ny mpanjaka, mpanjakavavy, tandapa, mpitondra fivavahana, mpanao politika, ary mpitsara, ka ny sasany tafavoaka tamim-pandresena, fa ny hafa kosa tsy tafavoaka velona intsony. Nahoana izy io no naorina, ary toe-javatra nahatsiravina inona no nitranga tao, ka nisy fiantraikany teo amin’ny tantaran’i Angletera?
Lapan’ny mpanjaka
Nanafika an’i Angletera i William, Andrianan’i Normandia tamin’ny 1066, ka nanorina lapa maromaro teto mba hampitahorana ny Anglo-Saxons fahavalony. Teto Londres no nanorenany ny lapa miavaka indrindra. Tsy ela dia nosoloana lapa vato goavana nantsoina hoe Tilikambo Lehibe, ilay trano hazo teo amin’ny sisiny atsimoatsinanana tamin’ilay mandan’ny tanàna romanina fahiny. Mitovitovy amin’ny efamira ilay izy, satria 32 metatra ny sakany ary 36 metatra ny lavany. Mijoalajoala be koa izy io, satria 27 metatra ny haavony ka nampatahotra ny olona. Lasa Tilikambo Fotsy indray no niantsoana azy tatỳ aoriana, rehefa nisy mpanjaka nandoko azy io ho fotsy.
Nanamboatra tilikambo tsy nitovy habe tao koa ireo mpanjaka nifandimby, ary ny sasany nanisy tamboho roa matevina sy hadivory lalina nanodidina. Lasa anisan’ireo lapa sarotra notafihina indrindra tatỳ Eoropa àry izy io. Noho izany, dia tao indraindray ireo mpanjaka no voatery nialokaloka, mba tsy ho azon’ny vahoaka nikomy taminy. Nekena ho mariky ny hery sy fahefana koa io Tilikambo io, ka izay nahazo azy no naharesy rehefa nisy ady an-trano. Tamin’ny fotoana tsy nisian’ny
ady kosa, dia tao no nanombohan’ny filaharam-be rehefa nisy mpanjaka vaovao nandray fahefana. Rehefa nijanona tao amin’ilay lapa ny mpanjaka sy ireo olona niaraka taminy, dia efitra voaravaka tsara no nipetrahany sy nanaovany fanasam-be, mba hampifaliana ireo namany. Hafa noho izany kosa no nitondrana ireo fahavalon’ny mpanjaka.Fonjam-panjakana
Tamin’ny taona 1100 no fantatra fa nisy voafonja voalohany tao amin’io Tilikambo io. Tsy toy ny fonja rehetra izy io, satria natokana ho an’ny olona ambony ihany. Anisan’ny notazonina tao ny mpanjaka ekosey sy frantsay resy. Teo koa ireo andriana sy mpitondra fivavahana tsy nankasitrahana intsony, na lasa mpamadika. Nisy famonoana olona koa tao indraindray. Novonoina tao, ohatra, i Henri Faha-6, sy Édouard Faha-5 izay 12 taona sy ny zandriny lahy.
Napetraka tao amin’izay toerana nalalaka ny voafonja, ka na izy ireo nambenana mafy, na navela handehandeha tao amin’ilay lapa ihany. Kely ihany ny fotoana nigadran’ny sasany tao, fa ny hafa kosa naharitra. Nogadraina valo volana tao, noho ny fivavahany, i William Penn, izay nanorim-ponenana tany Pennsylvanie, tatỳ aoriana. Rehefa resy an’ady i Charles, Andrianan’i Orléans, havan’ny mpanjakan’i Frantsa, dia notazonina tao nandritra 25 taona tamin’ny fitambarany. Tsy afaka tao mihitsy mantsy izy raha tsy voaloa ny onitra be hanafahana azy. Nijaly tao nandritra ny 13 taona, ilay tandapa sady mpikaroka ary mpanoratra antsoina hoe Sir Walter Raleigh, ary tao no nanoratany ilay boky hoe Tantaran’izao Tontolo Izao (anglisy). Nafahana vetivety izy tatỳ aoriana, ary novonoina tamin’ny farany.
Nitombo ny famonoana olona
Nanomboka tamin’ny Fanavaozana Protestanta vao tena nalaza fa nampijalina ny voafonja tao amin’ilay Tilikambo. Naniry mafy zanakalahy handova azy i Henri Faha-8. Niala tamin’ny Eglizy Katolika izy ary nanomboka namono izay rehetra tsy nanaiky azy ho filohan’ny Eglizin’i Angletera. Tsy niteraka lahy tamin’i Henri koa i Anne Boleyn, vadiny faharoa, ka nampangaina ho mpamadika sy mpanitsakitsa-bady. Notapahin-doha tao amin’ilay Tilikambo izy sy ny anadahiny ary olona efatra hafa. Natao toy izany koa i Catherine Howard, vady fahadimin’i Henri. Maro be koa ireo taranaka mpanjaka nogadraina tao amin’ilay Tilikambo sy maty notapahin-doha na nahantona, satria natahorana hanongam-panjakana.
Nanohy ilay famonoana nahatsiravina ny zanak’i Henri, i Édouard Faha-6 izay Protestanta, rehefa lasa mpanjaka. Maty izy, enin-taona tatỳ aoriana, ary nandimby azy i Mary, zanakavavin’i Henri ary Katolika nafana fo. Nasainy notapahin-doha avy hatrany ny Andriambavy Jane Grey, 16 taona, sy ny vadiny tanora, izay nataon’ny olona fitaovana handrombahana fahefana. Anjaran’ireo Protestanta indray izao ny novonoina. Nandany herinandro maromaro nampitebiteby tao amin’ilay Tilikambo i Elizabeth, rahavavin’i Mary tsy iray reny taminy, talohan’ny nanafahana azy. Rehefa lasa mpanjaka anefa izy, dia nogadrainy sy
novonoiny daholo izay rehetra tsy nety niala tamin’ny finoana katolika na nanohitra ny fahefany.An’arivony no voafonja tao amin’ilay Tilikambo. Vehivavy dimy sy lehilahy roa ihany anefa no notapahin-doha tao, ka tsy afa-baraka satria tsy novonoina ampahibemaso. Mpanjakavavy ny telo tamin’izy ireo, dia i Anne Boleyn, Catherine Howard, ary Jane Grey izay nanjaka sivy andro monja. Novonoina teo akaiky teo kosa, teo amin’ilay havoana antsoina hoe Tower Hill, ny ankamaroan’ireo voafonja. Notapahin-doha izy ireo matetika, ary nisy vahoaka be tsy voafehy nanatrika teo. Nahantona tamin’ny vy teo amin’ny Tetezan’i Londres ny lohan’izy ireo, mba ho fampitandremana ny hafa. Nentina niverina tany amin’ilay Tilikambo kosa ny vatany mba halevina tao amin’ny chapelle. Tamin’ny fitambarany, dia 1 500 no nalevina tao.
Nampijalina ireo voafonja indraindray mba hampiekena azy. Matetika anefa izany no nilana lalana tamin’ny fanjakana. Tamin’ny 1605, ohatra, dia nohenjanina teo amin’ny fitaovana fampijaliana i Guy Fawkes talohan’ny hamonoana azy, mba hanerena azy hilaza ny anaran’ireo mpiray tsikombakomba taminy. Saika hanapoaka vanja hamonoana ny mpanjaka sy ireo mpikambana tao amin’ny Parlemanta mantsy izy.
Nifehy an’i Angletera sy ilay Tilikambo nandritra ny fotoana fohy, i Oliver Cromwell sy ireo anisan’ny Parlemanta izay nanohitra ny mpanjaka, tamin’ireo taona 1600. Vitsy anefa ny voafonja nalefa tao amin’ilay Tilikambo, rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana i Charles II. Teo amin’i Tower Hill no nisy fanapahan-doha farany tamin’ny 1747, saingy mbola fonjam-panjakana ihany ilay Tilikambo. Nisy mpitsikilo alemà 11 nogadraina sy notifirin’ny miaramila tao, nandritra ny Ady Lehibe I. Nisy voafonja an’ady nalefa vetivety koa tao, tamin’ny Ady Lehibe II, ka anisan’izany i Rudolf Hess, izay niara-niasa akaiky tamin’i Hitler. Ilay mpitsikilo antsoina hoe Joseph Jakobs, izay notifirina tamin’ny Aogositra 1941 no novonoina farany tao amin’ilay Tilikambo.
Mpiambina sy ireo zava-tsarobidin’ny mpanjaka
Efa nisy mpiambina foana ireo voafonja sy ilay trano, hatrany am-boalohany. Nanomboka tamin’ny 1485 anefa izy ireo vao nofantenana tsara. Matetika no avy tany amin’ny renirano ny lalan’ireo voafonja, ary avy teo amin’ilay vavahady antsoina hoe Vavahadin’ny Mpamadika no nidirany tao amin’ilay Tilikambo. Raha avy tany amin’ny fitsarana ilay voampanga, dia nojeren’ny olona tsara hoe nanondro taiza ny lelam-pamakin’ny mpiambina. Raha natodiny tany amin’ilay voampanga ilay lelam-pamaky, dia nidika izany fa hovonoina izy.
Mbola misy mpiambina ihany ao ankehitriny, ka izy ireo no mitarika an’ireo mpitsidika maro be tonga ao. Fantatr’ireo mpiambina ireo tsara ny tantaran’io Tilikambo io. Akanjo fanao tamin’ny taona 1485 ka hatramin’ny 1603 no hanaovan’izy ireo rehefa misy fety. Lava izy io, ary miloko mena sy mavo midorehitra, misy vozony fotsy boribory matevina. Akanjo manga antitra sy mena, fanao tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Victoria kosa no anaovan’izy ireo amin’ny andavanandro. Mpihinana henan’omby no ahafantarana azy ireo. Angamba tamin’ny fotoan’ny mosary no nipoiran’io anaram-bosotra io voalohany, ho fanesoana azy ireo. Nomena azy ireo foana mantsy ny anjara henan’ombiny, na dia tsy ampy sakafo aza ny tao Londres. Azo antoka tamin’izay fa tsy hivadika tamin’ny mpanjaka mihitsy izy ireo.
Misy koa mpiambina miandraikitra ny goaika ao amin’ilay Tilikambo. Tapahin’izy ireo ny elatr’ireny vorona ireny mba tsy handaozany azy io. Hisy loza hanjo an’i Angletera, hono, mantsy raha lasa izy ireny.
Misy mpiambina koa ireo zava-tsarobidy mampahalaza ny mpanjaka britanika. Efa hatramin’ny taonjato faha-17 ireo zava-tsarobidy ireo no azon’ny olona jerena. Ny Cullinan I no iray amin’ireo vatosoa sarobidy indrindra eo amin’ireo satroboninahitra sy tehim-panjakana ary firavaka hafa mbola ampiasain’ny fianakavian’ny mpanjaka. Izy io no diamondra lehibe indrindra eran-tany sy faran’izay tsara tefy indrindra.
Toeram-pijerem-biby, fanamboarana vola, ary fitehirizana fitaovam-piadiana
Nitondra liona tao amin’ilay Tilikambo ny Mpanjaka Jean, tany am-piandohan’ny taonjato faha-13. Tamin’ny andron’i Henri III anefa
vao tena nanomboka nisy toerana fiompiam-biby tao, rehefa nanao fanomezana leoparda telo sy orsa ary elefanta ho azy, ireo mpanjaka eoropeanina. Natao hampifalifaliana ny mpanjaka sy ireo tao an-dapany ireny biby ireny. Rehefa nilomano tao amin’ny Ony Tamise mba hisambotra trondro anefa ilay orsa, dia faly erỳ ny mponin’i Londres nijery azy. Nisy biby hafa avy any ivelan’i Angletera koa tonga tao, nandritra ireo taona. Nosokafana ho an’ny besinimaro ilay toeram-piompiana biby, nanomboka tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Elizabeth. Nakatona anefa izy io tamin’ireo taona 1830, rehefa nafindra tao amin’ny Regent’s Park, toerana vaovao fijerem-biby eto Londres, ireo biby ireo.Tao amin’io tilikambo io no nisy ny toerana lehibe indrindra fanamboarana volam-panjakana, nandritra ny 500 taona mahery. Tamin’ny fotoana nanjakan’i Henri Faha-8 izy io no tena niasa. Tamin’izany mantsy no nanamboarana vola madinika tamin’ny volafotsy, izay nalaina tany amin’ireo monasitera vao nakatona. Nitehirizana antontan-taratasim-panjakana sarobidy koa tao amin’ilay Tilikambo. Tao koa no nanamboarana sy nitehirizana fitaovam-piadiana ho an’ny mpanjaka sy ny tafiny.
Fahatsiarovana ny lasa
Iray amin’ireo toerana tena manintona mpizaha tany ho eto Grande-Bretagne ny Tilikambon’i Londres, amin’izao fotoana izao. Mitovy tamin’ilay endriny taloha ihany ilay izy: mivolondavenona matromatroka misy arabe vita rarivato. Azo antoka fa izay mandalo amin’io toerana io, dia hahatsiaro ny herisetra sy fahoriana ary fampijaliana nataon’ny olombelona tao amin’io Tilikambo io, nandritra ireo taonjato. Voafintina tsara eo amin’ilay takelaka kely eo amin’ilay havoana famonoana olona antsoina hoe Tower Hill, ny tantara mahatsiravin’io Tilikambo io. ‘Natao ho takela-pahatsiarovana an’ireo nampahorina sy novonoina tao izy io. Matetika ireny olona ireny no maty maritiora noho ny finoany, ny fireneny, na ny hevitra nijoroany.’
[Sary, pejy 13]
Anne Boleyn
Catherine Howard
Jane Grey
William Penn
[Sary nahazoan-dalana]
Boleyn sy Howard: Avy amin’ny boky Heroes of the Reformation, 1904; Grey: Avy amin’ny boky The World’s Famous Events; Penn: Avy amin’ny boky The Library of Historic Characters and Famous Events, Boky Faha-5, 1895
[Sary, pejy 13]
Efitrano natao ho an’ireo voafonja, tatỳ aoriana
[Sary nahazoan-dalana]
Copyright Historic Royal Palaces
[Sary, pejy 14]
Ny mpiambina
[Sary nahazoan-dalana]
Copyright Historic Royal Palaces
[Sary, pejy 15]
Sasany amin’ireo zava-tsarobidin’ny mpanjaka
[Sary nahazoan-dalana]
Satroboninahitra ©/The Royal Collection © 2004, Ny Mpanjakavavy Elizabeth II
[Sary, pejy 15]
Vola madinika tamin’ny taonjato faha-16 misy ny sarin’i Henri Faha-8
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
Ambony: © London Aerial Photo Library/CORBIS; sary kely: Copyright Historic Royal Palaces