Tanalahin-dranomasina Mahay
Tanalahin-dranomasina Mahay
“Ny horita ve? Mahatsiravina izany raha biby! Afaka mitelina olona izy. Sintoniny ho aminy ilay olona, dia tereny ka tsy afa-mihetsika. Ren’ilay olona mihitsy fa mitelina azy moramora io zavaboary sampona io.”—IREO MPIASA AN-DRANOMASINA (FRANTSAY), NOSORATAN’I VICTOR HUGO.
BETSAKA ny zava-dratsy resahina momba ny horita. Ny angano fahiny sy ny tantara hafakely, toy ilay voatonona etsy ambony, dia milaza fa mandoza ny horita.
Raha ny marina anefa dia tsy mampidi-doza ho an’ny olombelona loatra, na dia ilay horita goavana any Pasifika aza. Mahatratra any amin’ny 6 metatra any ho any anefa io horita io, ary milanja 50 kilao. Nisolo ny toeran’ireo angano momba io “biby mahatsiravina” io ny zava-misy marina, tato anatin’ireo taona faramparany. Nianatra zavatra betsaka momba ireo karazana horita maro mantsy ny mpilomano mpanao antsitrika sy ny manam-pahaizana momba ny zavamananaina an-dranomasina.
Ny fisamborany remby sy ny fandosirany fahavalo
Hazandrano misy akorany no tena fihinan’ny horita, fa tsy olona. Ampiasainy amin’izany ireo tanany valo sy ireo karazana hozatra 1 600 ao aminy. Miraikitra avy hatrany amin’ny rembiny ireny, ka tsy afa-mihetsika intsony io. Afaka mitaritarika zavatra milanja avo 20 heny noho ny lanjany ny horita kely, noho izany! Mitifitra ny rembiny amin’ny poizina ny horita sasany, ka eo no ho eo ihany ilay remby dia tsy manan-kery intsony. * Sintoniny amin’ny valanoranony, izay mitovitovy amin’ny vavam-borona, ilay sakafo avy eo.
Ahoana no ataon’ny horita raha misy biby mihaza azy? Mahagaga fa manana ny mampahalemy azy ny horita. Tsy misy afa-tsy oksizenina kely ihany ao amin’ny rany, ka vetivety izy dia reraka. Manana fahaizana manokana entiny miaro tena amin’ny phoque sy ny trozona ary ny mpiremby hafa anefa izy.
Hainy, ohatra, ny manosika ny tenany hiverin-dalana. Mamoaka rano be dia be avy amin’ny vatany izy rehefa matahotra, ary manosika azy hiverin-dalana izany. Manana paikady hafa koa io zavaboary fetsifetsy io. Afaka mamoaka zavatra mainty misy loko tsy mety levona ao anaty rano izy, ka io no manakona azy mba hahafahany hiova lalana sy handositra any amin’ny toerana azo antoka kokoa, alohan’ny hiparitahan’ilay loko.
Za-draharaha amin’ny fanovana endrika
Mazava ho azy fa aleon’ny horita tsy misy manenjika mihitsy. Ahoana no ataony mba tsy ho hitan’ireo biby mpiremby? Nanoratra toy izao i Jacques-Yves Cousteau,
mpikaroka malaza momba ny any ambanin’ny ranomasina: “Tany Marseille no nanombohan’ny ekipanay nanao filma momba ny horita. Nilaza ireo mpilomano mpanao antsitrika tamin’izay fa tsy nisy horita teo amin’ilay faritra, na raha nisy aza dia efa tsy teo intsony izy ireo. Niafina anefa izy ireo, raha ny tena marina, ka tsy hitan’ireo mpilomano fa nandalovany fotsiny.” Fa ahoana no ataon’ny horita?Manana selan-koditra miloko miisa roa tapitrisa mahery ny horita lehibe, izany hoe eo amin’ny 200 eo ho eo isaky ny milimetatra toradroa amin’ny hodiny. Samy misy loko mena sy mavo ary mainty ny selan-koditra tsirairay. Arakaraka ny hanenjanany na hanalefahany ny hozatra manodidina ireo sela miloko ireo, no ahafahan’ny horita manova ny lokon’ny hodiny ao anatin’ny segondra vitsy monja.
Mahatsikaiky fa tsy afaka mahita loko ny horita. Betsaka noho ireo loko telo amin’ny selan-koditra miloko anefa ny loko amin’ny hodiny. Mamoaka hazavana mitovy amin’ny manodidina an’ilay horita ireo selan-koditra miloko ireo, ary mahatonga azy hanana ny lokon’ny avana izany. Tsy izay ihany anefa. Afaka manova ny faritra malamalama amin’ny hodiny ho marokoroko toy ilay haran-dranomasina hiafenany ny horita.
Mpanorina sy mpikarakara trano miasa mafy
Tsy mahagaga raha sarotra hita ny tranon’ny horita, satria mazàna eny an-tsefatsefa-bato na ambany vatolampy no hanorenany azy. Ary izay fitaovana misy eo an-toerana no ampiasainy amin’izany. Anisan’ny hanamboarany ny tafony sy ny rindriny, ohatra, ny vato, potipoti-by, akoram-biby, ary na dia ireo potipoti-javatra any anaty ranomasina sy avy amin’ny sambo rendrika aza.
Lasa mpikarakara trano mahay ny horita, raha vao vita ny tranony. Tifiriny amin’ny rano ny tranony mba hampitovy tantana ny fasika ao anatiny. Avoakany any ivelany ny potipoti-tsakafo rehetra rehefa avy misakafo izy. Mba hitsapana ny fahaizan’io zavaboary io mikojakoja, dia izao no nataon’ny ekipa mpilomano mpanao antsitrika niaraka tamin’i Cousteau: Nafindran’izy ireo toerana ny sasany tamin’ireo vato nanorenana ny rindrin’ny tranon’ny horita iray. Inona no nataon’ilay horita? Naveriny tsirairay tamin’ny toerany ireo vato, ary naoriny indray ilay rindrina! Nanoratra toy izao i Cousteau: “Nitohy foana ilay izy, mandra-pitsangan’ilay rindrina tanteraka indray. Ary nitovy tanteraka tamin’ilay narodan’ireo mpilomano io natsangany io.” Fantatra tsara ny lazan’ny horita ho madio sy milamina. Fantatry ny mpilomano mpanao antsitrika fa tsy misy mipetraka ny tranona horita iray, raha vao feno fasika na potipoti-javatra.
Ny trano farany onenan’ny horita vavy
Ny trano hikotrehany ny atodiny mazàna no honenan’ny horita vavy farany no sady maminy indrindra. Mety handany herinandro maromaro izy hitadiavana toerana mety tsara hataony trano, rehefa avy nahazo spermatozoida avy tamin’ny vadiny. Apetrany ao amin’ny vatany izany, mandra-pahalatsak’ireo atodiny. Hamafisiny tsara ilay trano anatodizany avy eo, ary atambany hivangongo sy araikiny amin’ny tafo ny atodiny. Tsy manamboatra
trano toy izany kosa ilay horita avy any Aostralia. Aleony mikarakara ny zanany kely eny ampovoan-dranomasina. Efa mampitandrina ireo biby mpiremby mantsy ny lokony marevaka, fa mamoaka poizina izy rehefa manaikitra.Mahatsapa adidy ny reny horita. Tsy mety misakafo izy rehefa avy nanatody. Aleony kosa miaro ny atodiny, sy manadio ary mampahazo rivotra tsara azy ireo. Hamafisiny koa ny tranony, ary maka toerana tsara izy mba hiarovana ny atodiny amin’ny fahavalo. Marina fa ho faty ilay reny horita raha vao foy ny atodiny, kanefa hokarakarainy hatramin’ny farany izy ireo. Hoy i Cousteau: “Mbola tsy nisy mihitsy tatitra nilaza hoe nandao ny atodiny tsy nisy mpiaro ny reny horita iray.”
Mitsinkafona eny ambonin’ny ranomasina eny ny ankamaroan’ny karazana horita raha vao foy. Betsaka amin’izy ireo no lanin’ny biby an-dranomasina hafa. Miverina any ambany ranomasina kosa anefa ireo sisa tsy maty, rehefa afaka herinandro maromaro, ary mitombo ho horita lehibe izay hiaina mandritra ny telo taona.
Tena mahay tokoa ve izy ireny?
Misy milaza fa rehefa biby no lazaina hoe “mahay”, dia fahaizana avy amin’ny zavatra niainana sy fahaizana mamaha olana no resahina. Diniho ity fanamarihan’i Cousteau ity: “Noho izy ireo mitandrina tsara mba tsy ho tratran’ny loza no mahatonga ny horita ho saro-tahotra. . . . Vetivety dia tsy saro-tahotra intsony ny horita, ary haingana kokoa noho ny ‘bibidia’ hafa mihitsy aza izany, raha asehon’ny mpilomano mpanao antsitrika fa tsy haninona azy ireo izy.”
Ny horita no manana atidoha sy maso matsilo indrindra amin’ny biby tsy manana hazondamosina rehetra. Afaka mifantoka tsara amin’ny zavatra iray sy mizatra amin’ny fiovan’ny hazavana, toy ny antsika, ny masony. Afaka manapa-kevitra tsara ny horita, noho ny zavatra hitany sy tsapany.
Mitantara ny mpahay siansa maro fa nisy horita iray hitan’izy ireo nianatra ny fomba hanokafana ny hidin’ny tavoahangy iray, mba hahazoana hazandrano misy akorany ao anatiny. Ny hafa indray nilaza fa afaka mahita hevitra hanesorana ny saron’ny siny iray ny horita, mba hahazoana ny sakafo ao anatiny. Isan’alina dia tsy hita tao amin’ny Vata Fitaratra Fiompiana Trondro any Vancouver, any Kanada, ny horita iray. Hay izy io nanaraka fantson-drano mba hihinana ny trondro tao anatin’ny fitoeran-drano teo akaiky.
Nanatsoaka hevitra toy izao, momba ny fahaizan’ny horita ny boky Famantarana ny Zava-miafin’ny Zavaboary (anglisy): “Mihevitra isika fa anisan’ny marani-tsaina indrindra ny olombelona sy ny rajako. Voaporofo anefa izao fa anisan’ny tena marani-tsaina koa ny horita.”
Ny fahaizan’ny horita dia mampahatsiaro antsika ireo zavaboary izay lazain’ny Baiboly hoe “hendry sady mahay.” (Ohabolana 30:24) Tena mahatalanjona mihitsy io zavaboary io. Tsy mihevitra ny horita ho “biby mahatsiravina”, araka ny nilazan’i Victor Hugo azy intsony, ny manam-pahaizana sy ireo mpilomano mpanao antsitrika. Talanjona tanteraka izay mandinika io zavaboary io, dia io tanalahin-dranomasina mahay io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Misy boribory manga manerana ny vatan’ny horita avy any Aostralia. Io ihany no mety hampidi-doza, satria misy poizina avoakany ka mety ho sempotra izay olona kaikeriny.
[Sary, pejy 15]
Horita misy boribory manga manerana ny vatany
[Sary nahazoan-dalana]
© Jeffrey Rosenfeld
[Sary, pejy 16]
Tsy hitan’ilay trondro mpiremby ilay horita avy any amoron-dranon’i Pasifika, nefa dia eo ambanin’ny vavany mihitsy. Hitanao ve ilay izy?
[Sary, pejy 16, 17]
Misy karazany sy loko maro samihafa ny horita
[Sary, pejy 17]
Miakatra eny ambonin’ny ranomasina ireo horita kely vao foy
[Sary nahazoan-dalana]
© Fred Bavendam
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Ambony havia: © Roger T. Hanlon; ambony: © Jeffrey Rosenfeld