Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tongava Ara-potoana!

Tongava Ara-potoana!

Tongava Ara-potoana!

HOY ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy): “Tara lava ny tompon’andraikitra ambony.” Niresaka ny amin’ilay fanadihadiana natao tamina tompon’andraikitra ambony 2 700 izy, avy eo. Hoy izy: “Tonga tara izy ireo amin’ny fivoriana enina ao anatin’ny folo.”

Tsy resaka tsy fahalalam-pomba fotsiny akory ny fahatarana, eo amin’ny sehatry ny asa. Izao no vokatry ny fanadihadiana natao tamin’ny olona 81 000 izay mitady asa: “Antony lehibe miteraka fatiantoka ny ora very noho ny fahatarana sy ny tsy fahatongavana miasa tsy nahazoan-dalana.” Mazava ho azy fa tsy amin’ny asa ihany no miteraka zava-manahirana ny fahatarana. Nadinadinina koa ny tompon’andraikitry ny sekoly ambaratonga faharoa, ka hita fa “ny fahataran’ny mpianatra no tena mahatonga azy ireo ho voasazy matetika.”

Nataon’ny Mpamorona izay ahafantarantsika ny fotoana sy iheverantsika azy io ho zava-dehibe. Nanao ny “fanazavana roa” izy, izany hoe ny masoandro sy ny volana, mba hanampiana antsika hamaritra ny fotoana. (Genesisy 1:14-16) Afaka mamaritra ny segondra sy ny minitra koa isika ankehitriny, noho ireo famantaranandro maoderina. Na dia eo aza anefa ireny, dia mbola maro no tara rehefa miasa, na mianatra, na mamonjy fotoan-dehibe hafa.

Noho isika tsy manam-potoana foana ve no anton’izany? Ekena aloha fa mety hanototra antsika ny asa sy ny fikarakarana ankohonana. Hoy anefa i Wanda Rosseland, izay sady renim-pianakaviana no miasa: “Tsy mitaraina ho tsy manam-potoana intsony aho, rehefa mieritreritra fa samy manana 24 ora isan’andro daholo isika rehetra. Nodinihiko lalina ilay izy, ka hitako fa ny zavatra manelingelina antsika no betsaka amin’izao andro maoderina izao, fa tsy ny fotoana ananantsika no kely.”

Diniho koa izay nolazain’i Sahondra, * renim-pianakaviana manan-janaka dimy, sady Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Sahirana mihitsy aho nanomana ny zanako handeha hianatra na hamonjy fivoriana kristianina tamin’izy ireo mbola kely. Tsy tara mihitsy anefa izahay. Efa lehibe daholo izy ireo, nefa lasa tara foana aho izao.” Manana fahazaran-dratsy toy izany koa ve ianao? Raha eny, dia azonao atao ny miova! Ireto misy torohevitra sasany azonao arahina.

ERITRERETO NY HO VOKANY. Toa tsy dia mampaninona loatra izany hoe tara lava izany. Diniho anefa ny voalazan’ny Baiboly: “Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.” (Mpitoriteny 10:1) Tena mety hanaratsy laza anao eo anatrehan’ny mpampianatra na ny mpampiasa ny “fahadalana kely”, raha tsy manisy fiheverana ny hafa ianao.

Nianatra teny amin’ny oniversite ny vehivavy iray antsoina hoe Marie, ary nanamarika fa “tsy niraharaha firy momba ny fotoana” ny sasany tamin’ireo mpiara-mianatra taminy, ka tonga tara matetika. Hoy izy: “Tsy ela anefa dia nila niova izy ireo. Hentitra be tamin’ny resaka fotoana ny roa tamin’ireo mpampianatra, ka nomarihiny hoe tsy tonga izay mpianatra tara minitra vitsivitsy fotsiny. Nomena naoty ambany anefa izay tsy tonga matetika.”

Afaka manaratsy ny lazanao eo amin’ny namanao koa ny fahatarana lava. Tsaroan’i Joseph, lehilahy efa zokinjokiny, ny Kristianina iray fantany am-polo taona lasa izay. Nanana kileman-toetra nahamenatra ilay Kristianina, na dia mpampianatra mahay aza. Hoy i Joseph: “Tara foana izy, na tamin’inona na tamin’inona! Toa tsy niraharaha firy an’izany mihitsy anefa izy. Nanaovan’ny olona vazivazy ny fahatarany.” Manomboka milaza anao ho tara lava ve ny olona? Mety ho mora aminy, raha izany, ny tsy hahamarika ireo toetra tsaranao.

MIHEVERA NY HAFA. Tsy mahalala fomba sady mampiriorio saina ny olona tara. Toa manondro koa izany fa mihevi-tena ho ambony izy. Nohazavain’ny mpandraharaha iray ny antony mahatara lava ireo tompon’andraikitra ambony, ka hoy izy: “Miavonavona tsotra izao ny ankamaroanay.” Mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenany kosa anefa ny Kristianina. (Filipianina 2:3) Tia ny namany tahaka ny tenany izy, ka mitondra ny olona toy ny itiavany itondrana ny tenany. (Matio 7:12) Azo antoka fa manorisory anao ny miandry, ka aza ampiandrasina ny hafa.

MIANARA MANDAMINA TSARA NY FOTOANANAO. Mpangataka andro lava sy mpikoropaka amin’ny minitra farany ve ianao? Miezaka hamita zavatra be dia be ao anatin’ny fotoana fohy ve ianao? Mety hanampy anao ilay toro lalana voalazan’ny Mpitoriteny 3:1 hoe: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy.” Hamita tsara izay zavatra ataonao ianao, raha ataonao amin’ny “fotoany avy” izany.

Ataovy lisitra aloha izay tokony hataonao. Araho avy eo ilay toro lalana ao amin’ny Filipianina 1:10 hoe: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ Fantaro tokoa izay tokony hatao voalohany. Inona no tena tsy maintsy vitaina? Inona kosa ireo tsy dia mampaninona raha atao any aoriana kokoa? Farany, dia farito ny fe-potoana ilainao mba hamitana ilay asa, sy ny hoe rahoviana ianao no hanao azy io. Tokony hijery ny zava-misy ianao, fa tsy hieritreritra ny hamita zavatra be dia be ao anatin’ny fotoana fohy loatra.

Noderain’ny vehivavy iray antsoina hoe Dorothy ny ray aman-dreniny, satria nampianatra azy ho marim-potoana. Hoy izy: “Nanomboka nanomana anay i Neny, adiny roa latsaka fahefany mialoha, raha tamin’ny 7.30 hariva no nanomboka ny fivoriana kristianina. Nanana fotoana hisakafoanana izahay, sy hanasana lovia, hiakanjoana, ary handehanana ho any amin’ny toeram-pivoriana. Lasa zatra ny ho marim-potoana izahay.” Manampy indraindray ny tsy manao zavatra am-poto-moty loatra, sao misy zavatra tsy ampoizina. Hoy i Dorothy: “Naka olona vitsivitsy hoentina tany am-pivoriana aho, vao tsy ela izay. Vaky pne anefa aho teny an-dalana, ka voatery nanamboatra azy io. Mbola tonga ara-potoana anefa aho rehefa naka azy ireo. Aleoko miala aloha foana satria sao misy simba ny fiarako na mitohana ny fifamoivoizana.”

MAKÀ HEVITRA AMIN’NY HAFA. Hoy ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 27:17: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” Araka an’io toro lalana io àry, dia miresaha amin’ny olon-kafa mitovy toe-javatra aminao, nefa mahavita ny ho marim-potoana foana. Matetika no manana fanoloran-kevitra tsara sy maro izy ireny.

Tapa-kevitra ny hanova ilay fahazarany ho tara lava i Sahondra, voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Vao tsy ela izay no nahatapa-kevitra ahy hiezaka, ary efa nisy fihatsarana, na dia tsy mora aza izany.” Afaka mianatra ny ho marim-potoana toy izany koa ianao, raha manana toe-tsaina mety sady miezaka!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 16]

Tsy manisy fiheverana ny hafa ianao, sady tsy hanaja anao firy ny mpampiasa, raha tara lava ianao

[Sary, pejy 17]

Tsy handanilany fotoana ianao raha mahay mandamin-javatra