Zaza Natsangana Aho —Ahoana no Hiatrehako ny Olana Aterak’izany?
Manontany ny Tanora Hoe . . .
Zaza Natsangana Aho—Ahoana no Hiatrehako ny Olana Aterak’izany?
“Tsisy zavatra fantatro momba ny ray aman-dreny niteraka ahy, ary tena mampalahelo ahy izany.”—Barbara, 16 taona.
“Tsy fantatro mihitsy hoe taiza aho no teraka, na hoe iza no niteraka ahy. Mieritreritra an’izany aho indraindray amin’ny alina.”—Matt, 9 taona.
“Rehefa mifanditra amin’ny ray aman-dreny mitaiza ahy aho, dia mieritreritra hoe ho nahatakatra tsara ny hevitro ny ‘tena’ ray aman-dreniko, raha teo. Tsy tokony hieritreritra an’izany anefa aho, ary tsy nolazaiko an’iza na iza izany eritreritro izany.”—Quintana, 16 taona.
MARINA tokoa fa tena sarotra ny fiainan’ireo zaza natsangana. Tanora maro no miady mafy amin’ny fihetseham-po toy ireo voalaza eo ambony ireo. Maro no manontany tena raha tokony hitady ny ray aman-dreny niteraka azy izy. Na koa mieritreritra izy ireo hoe nety ho sambatra kokoa raha notezain’ny ray aman-dreny niteraka azy. Tsy izany ihany anefa no zava-manahirana azy ireo.
Noresahina tao amin’ny lahatsoratra tamin’ny nomerao teo aloha, ny hevi-diso vitsivitsy mety ho ao an-tsain’ny zaza natsangana sasany. * Mila esorina ao an-tsaina izany eritreritra ratsy izany, mba hahitana fifaliana amin’ny fiainana. Inona anefa ny zava-tsarotra hafa mety hatrehinao, ary inona no azonao atao amin’izany?
Ireo ve no “tena” ray aman-dreniko?
Milaza i Jake, 13 taona, fa nieritreritra ny reniny niteraka azy foana izy. Nampisy olana teo aminy sy ny ray aman-dreny nitaiza azy izany. Hoy izy: “Isaky ny tezitra aho, dia nilaza hoe: ‘Tsy tena reniko ianao, ka tsy tokony hanasazy ahy ohatr’izao!’”
Ny fanontaniana iray tokony ho nodinihin’i Jake tsara àry dia ny hoe: Iza no “tena” reniny? Raha zaza natsangana ianao dia mety ho efa niady saina momba izany, indrindra moa raha heverinao fa ny ray aman-dreny niteraka anao no ho tsara fanahy kokoa noho ireo mitaiza anao. Ny ray aman-dreny niteraka ihany ve anefa aminao no azo lazaina hoe “tena” ray aman-dreny?
Tsy izany mihitsy no hevitr’ilay reny nitaiza an’i Jake. Hoy i Jake: “Izao no avalin’i Neny ahy: ‘Izaho no tena reninao. Na olon-kafa aza no niteraka anao, dia izaho no tena reninao izao.’” Raha misy olon-dehibe maka ankizy iray ho ao an-tranony, ka manaiky hiara-mipetraka aminy sy hamelona azy ary hitaiza azy, izany hoe hikarakara izay ilainy, dia izy ireo no “tena” ray aman-dreniny. (1 Timoty 5:8) Azo inoana fa toy izany koa no fiheveran’ireo manam-pahefana eo amin’ny tany misy anao. Ary ahoana ny fiheveran’Andriamanitra?
Diniho ny tantaran’ilay zaza natsangana nalaza indrindra teo amin’ny tantara, dia i Jesosy Kristy. Tsy zanaka naterak’i Josefa mpandrafitra i Jesosy, kanefa natsangany ho toy ny zanany. (Matio 1:24, 25) Nikomy tamin’ny fahefan’i Josefa ve i Jesosy rehefa nihalehibe? Tsy izany mihitsy. Takany tsara hoe sitrapon’Andriamanitra ny hankatoavany an’ilay ray nitaiza azy. Fantatr’i Jesosy tsara ilay lalàna nataon’i Jehovah ho an’ny ankizy teo amin’ny Israely. Inona moa io lalàna io?
Manajà ny rainao sy ny reninao
Izao no lazain’ny Soratra Masina amin’ny ankizy: “Manajà ny rainao sy ny reninao.” (Deoteronomia 5:16) Matetika ny teny hoe ‘manaja’ ao amin’ny Baiboly no midika hoe manome voninahitra, mihevitra ho ambony sy mendrika. Afaka manaja ireo olona nitaiza anao ianao, ka miezaka ny ho tsara fanahy aminy sy tsy haniratsira azy ary hihaino ny heviny. Tokony ho vonona hanatanteraka izay rehetra takiny aminao koa ianao, raha mbola tsy tafahoatra loatra izany.
Ahoana anefa raha hitanao fa toa tsy mety ny zavatra ataon’ireo ray aman-dreny mitaiza anao? Mazava ho azy fa tsy maintsy hitranga izany. Tsy lavorary ny ray aman-dreny rehetra, na ireo niteraka anao na ireo nanangana anao. Mety ho tena sarotra ny mankatò ray aman-dreny noho ny kileman-toetran’izy ireo. Tsy mahagaga koa raha mieritreritra ianao amin’izay hoe tsy voatery hankatò azy tanteraka ianao satria zaza natsangana. Tsy voatery hankatò azy ireo tokoa ve anefa ianao amin’izay?
Mety hanampy anao ny fandinihana ny toe-javatra nisy an’i Jesosy. Tadidio fa olombelona lavorary izy. (Hebreo 4:15; 1 Petera 2:22) Samy tsy lavorary anefa na ny rainy nitaiza azy, na ny reniny niteraka azy. Azo antoka àry fa nisy fotoana nahitan’i Jesosy hoe nanao fahadisoana ny ray aman-dreniny. Moa ve izy nikomy tamin’ny fahefan’i Josefa na dia nisy tsininy aza izany? Ary nanda ny torohevitr’i Maria reniny ve izy na dia nisy fahadisoana aza tamin’izany? Tsia. Lazain’ny Baiboly fa “nanoa” ny ray aman-dreniny foana i Jesosy.—Lioka 2:51.
Rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny ray aman-dreny nitaiza anao ianao, dia mety hihevitra fa ny anao no marina. Tsy maintsy ekenao anefa fa tsy lavorary koa ny tenanao. Azo inoana koa àry hoe mety ho ianao no diso. Na ahoana na ahoana anefa, tsy tsara kokoa ve ny manahaka an’i Jesosy? (1 Petera 2:21) Hanampy anao hankatò izany. Mbola misy antony lehibe kokoa anefa tokony hankatoavanao ny ray aman-dreninao.
Hoy ny Baiboly: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20) Mampifaly ilay Rainao any an-danitra tokoa ianao raha mankatò. (Ohabolana 27:11) Tian’Andriamanitra ho sambatra koa ianao, ka iriny hianatra ny hankatò. Mampirisika ny tanora hankatò ray aman-dreny ny Baiboly, ka mbola milaza ihany hoe: “Mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany.”—Efesiana 6:3.
Hatsarao ny fifandraisanao amin’ireo mitaiza anao
Tsy ampy ny manaja sy mankatò ny ray aman-dreny mitaiza anao, mba hanananao fifandraisana tsara amin’izy ireo. Azo inoana koa fa tianao raha mahafinaritra ny fiainana ao an-trano, ary mifankatia ny mpianakavy. Anjaran’ireo mitaiza anao ny manao izay hisian’ny fiainana toy izany, kanefa afaka mandray anjara lehibe koa ianao. Amin’ny fomba ahoana?
Voalohany aloha, dia miezaha ho akaiky kokoa an’ireo ray aman-dreny mitaiza anao. Anontanio azy ireo ny fiaviany sy ny fiainany ary ny zavatra mahaliana azy. Mangataha torohevitra aminy momba izay zavatra manahiran-tsaina anao, Ohabolana 20:5) Faharoa, dia miezaha manampy mba hampandeha tsara ny fiainanareo ao an-trano, toy ny fanaovana raharaha sy asa hafa, fa aza miandry hirahina.
rehefa tony sy vonona hihaino izy. (Ahoana anefa ny momba ny ray aman-dreny niteraka anao? Ahoana raha manapa-kevitra ianao ny hitady ny ray aman-dreny niteraka anao, na izy ireo no manapa-kevitra hitady anao? Tsy maintsy hanimba ny fifandraisanao amin’ireo mitaiza anao ve izany? Taloha, ny sampan-draharahan’ny fananganan-janaka dia nihazona ho tsiambaratelo izay zavatra mety hampifankahalala an’ilay ankizy amin’ny ray aman-dreny niteraka azy. Efa malalaka kokoa anefa izao ny lalàna momba izany any amin’ny tany maro. Efa betsaka àry ny zaza nampifankahalalaina tamin’ny ray aman-dreny niteraka azy, izay tsy tadidiny mihitsy. Mety ho hafa noho izany koa anefa ny lalàna ao amin’ny tany misy anao.
Na ahoana na ahoana, dia anjaranao ny manapa-kevitra raha hitady ny ray aman-dreny niteraka anao ianao na tsia, ary mety ho sarotra izany fanapahan-kevitra izany. Maro ny zavatra tsapan’ireo zaza natsangana momba izany. Ny ankizy sasany miezaka mafy hitady ny ray aman-dreny niteraka azy, ny hafa kosa tapa-kevitra ny tsy hitady azy ireo. Afaka matoky anefa ianao fa zaza natsangana maro no nifankahalala tamin’ny ray aman-dreny niteraka azy, kanefa mbola mifandray tsara amin’ireo mitaiza azy.
Mangataha torohevitra amin’ny ray aman-dreny mitaiza anao sy amin’ny namana matotra eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Ohabolana 15:22) Makà fotoana ampy handinihana tsara ny fanapahan-kevitra horaisinao, fa aza maimaika hanao zavatra. Milaza ny Ohabolana 14:15 hoe: “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”
Raha manapa-kevitra ny hifandray amin’ireo ray aman-dreny niteraka anao ianao, dia miezaha hanome toky an’ireo mitaiza anao hoe mbola tia sy manaja azy ireo foana ianao. Amin’izay, dia ho tsara foana ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreny nitaiza sy nampiofana anao, na dia mifankahalala tsikelikely aminao aza ireo niteraka anao.
Hatsarao ny fifandraisanao amin’ilay Rainao any an-danitra
Maro amin’ireo zaza natsangana no matahotra ny hafoin’ny olona. Matahotra angamba izy ireo sao misaraka amin’ny ray aman-dreny mitaiza azy, toy ny efa nisarahany tamin’ireo niteraka azy. Mitombina tokoa izany tahotra izany. Tsarovy anefa ireto teny feno fahendrena ireto: “Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra.” (1 Jaona 4:18) Aza avela hanjaka ao anatinao ny tahotra ny hamoy ireo olon-tianao. Hatsarao kosa ny fifandraisanao amin’ny olon-kafa, anisan’izany ireo mpianakavinao. Ambonin’ny zavatra rehetra anefa, dia hatsarao ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainao any an-danitra. Azo itokisana tanteraka izy, ary tsy hafoiny na oviana na oviana ireo zanany mahatoky. Afaka mampitony ny tahotrao izy.—Filipiana 4:6, 7.
Zaza natsangana i Catrina, ary nolazainy fa ny famakiana Baiboly no tena nanampy azy hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra, sy hanana fiainana sambatra sy mahafa-po. “Tena ilaina”, hoy izy, ny manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, “ilay Raintsika any an-danitra, satria tsapany tsara ny zavatra mahazo antsika.” Ny andinin-teny tian’i Catrina indrindra dia ny Salamo 27:10, manao hoe: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana Aho no Zaza Natsangana?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 2003.
[Sary, pejy 16]
Miezaha hifandray am-po kokoa amin’ireo mitaiza anao