Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hisy Fihatsarany Ihany Ve?

Hisy Fihatsarany Ihany Ve?

Hisy Fihatsarany Ihany Ve?

MANARAKA tetik’ady hanaraha-maso sy hifehezana aretina ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana sy ny fikambanana hafa ankehitriny. Maro ny fikambanana mampahafantatra sy manao fikarohana momba ny fanafody sy fomba vaovao ifehezana ny aretina afindran’ny bibikely, izay mihamitombo hatrany. Afaka miezaka koa ny tsirairay sy ny daholobe mba hahafantatra sy hiaro tena. Tsy mitovy anefa ny hoe miaro ny olona tsirairay sy ny mifehy aretina maneran-tany.

Maro ny manam-pahaizana mino fa ilaina ny fiaraha-miasa sy fifampitokisana, mba hifehezana an’io olana io. Niresaka momba izany i Laurie Garrett, nahazo Loka Pulitzer noho ny asa fanaovan-gazety, ao amin’ilay bokiny hoe Ilay Areti-mifindra ho Avy—Aretina Vaovao eo Amin’ny Tontolo Tsy Voafehy (anglisy). Hoy izy: “Raha tian’ny olombelona ny hiara-miasa haingana, dia tsy tokony ho ny manodidina azy, na ny faritaniny, na ny fireneny, na ny ila bolantany misy azy ihany no hoheveriny ho tontolo iainany. Tsy mahalala an’ireny fetra naorin’olombelona ireny ny mikraoba sy ny mpamindra azy.” Raha misy areti-mifindra miparitaka ao amin’ny firenena iray, dia tsy ny tany manodidina azy ihany no manahy, fa izao tontolo izao mihitsy.

Misy fanjakana sy vahoaka miahiahy izay fanampiana rehetra avy any ivelan’ny taniny, na dia ireo fandaharan’asa iadiana amin’ny aretina aza. Tsy mahita lavitra koa ny mpanao politika sasany, sady maro no tia vola, ka tsy afaka miara-miasa ireo firenen-tsamy hafa. Iza no handresy amin’ilay adin’ny olona sy ny aretina? Ny mikraoba sa ny olona? Mino i Eugene Linden, mpanoratra, fa handresy ny mikraoba, ka hoy izy: “Tsy dia antenaina intsony ny hivadihan’ny rasa.”

Fanantenana

Ilaozan’ny aretina lavitra ny fandrosoan’ny siansa sy ny teknolojia. Iray amin’ireo loza manambana ny fahasalaman’ny olona fotsiny anefa ny aretina afindran’ny bibikely. Soa ihany fa misy ny fanantenana. Fantatry ny mpahay siansa ny fahafahan’ny tany manasitrana ny tenany, na dia vao manomboka mahatakatra ny fifandraisan’ny zavamiaina aza izy ireo. Natao ho afaka hamerina an’ireo fifandanjana eo amin’ny natiora ny planetantsika. Maniry indray, ohatra, ny ala, na dia efa nokapaina aza. Miverina amin’ny laoniny ho azy koa ny fifandraisan’ny mikraoba sy ny bibikely ary ny biby, rehefa mandeha ny fotoana.

Zava-dehibe kokoa aza fa manondro ny fisian’ny Mpamorona ny fomba hafa kely namoronana an’izao rehetra izao. Milaza izany fa misy Andriamanitra nanamboatra ny tany. Eken’ny mpahay siansa fa tsy maintsy ho nisy olona manan-tsaina kokoa namorona ny tany. Tsy afaka mandà ny fisian’Andriamanitra tokoa ireo olona misaina tsara. Lazain’ny Baiboly fa mahery indrindra sady be fitiavana i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona. Tena tiany ho sambatra isika.

Hazavain’ny Baiboly koa fa nandova tsy fahalavorariana sy aretina ary fahafatesana isika, satria ninia nanota ireo olombelona voalohany. Midika ve izany fa voaozona hijaly foana isika? Tsia! Tian’Andriamanitra ho paradisa ny tany, ka hiaina amim-piadanana ao ny olona, miaraka amin’ny biby lehibe sy bibikely. Efa nolazain’ny Baiboly fa tsy hampidi-doza ny olona intsony ny biby lehibe sy bibikely.—Isaia 11:6-9.

Mazava ho azy fa anjaran’ny olona ny hikarakara izany, eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Nasain’Andriamanitra “hitandrina” ny tany ny olona. (Genesisy 2:15) Hanao izany amin’ny fomba tonga lafatra ny olona ao amin’ilay paradisa, satria hanaiky ny toromarik’ilay Mpamorona. Azontsika andrandraina àry ilay andro hahatanterahan’ny hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.”—Isaia 33:24.