Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Ny Vokatry ny Asa Aorian’ny Ora Fianarana
Mihamaro ireo tanora alemà miasa mandritra ny taom-pianarana, ankoatra ny amin’ny fialan-tsasatra. Milaza ny gazety Der Spiegel fa “miasa mandritra ny adiny telo eo ho eo ao anatin’ny herinandro ny ampahatelon’ny ankizy 13 taona no ho miakatra, manerana [an’i Alemaina].” Manao asa an-tselika ny 50 ka hatramin’ny 80 isan-jaton’ny mpianatra ao amin’ny kilasy voalohany any Hesse. Vitsy anefa ireo ankizy mila manampy ny ray aman-dreniny ara-pivelomana. Tian’izy ireo ho azo kosa ny modely farany amin’ny telefaonina entin-tanana, na fitafiana navoakan’ny mpanao lamaody malaza, na fiara. Tian’izy ireo koa ny hahatsapa hoe mahaleo tena satria efa miasa. Misy vokany ratsy anefa izany. Hoy ilay mpanabe atao hoe Thomas Müller: “Matetika ny mpianatra no resin-tory eo ambony dabilio, satria niasa nandritra ny ora maro izy ny omalin’iny, na koa tamin’ny vao maraim-be. Aleon’izy ireo haitraitra toy izay fianarana hiantoka ny hoaviny.” Nilaza toy izao koa ilay mpanabe atao hoe Knud Dittmann: “Rehefa masaka ao an-tsain’ny ankizy ny hividy zavatra, dia tsy mampaninona azy na dia mahazo naoty ratsy aza izy, na tsy mifindra kilasy, ho takalon’izany.”
Tandindomin-doza ny Rajako Be
Mitatitra toy izao ny sampan-draharahan’ny filazam-baovaon’ny Reuters: “Raha tsy mandray fepetra hentitra ny olombelona, dia ho tapitra ny ala fitoeran’ny rajako be ato anatin’ny 30 taona.” Izao no nambaran’ny tompon’andraikitry ny Firenena Mikambana, tamin’ilay Fihaonana An-tampon’ny Planeta Tany, natao farany tany Johannesburg, atsy Afrika Atsimo: “Ho latsaka ny 10 isan-jaton’ny toeram-ponenan’ireo rajako ben’i Afrika sisa no tsy ho voakasika amin’ny 2030, raha mbola mitohy toy izao foana ny fanamboaran-dalana, sy ny fanokafana toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ary ny foto-drafitrasa hafa.” Efa niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ireo rajako sahady ny fahasimban’ny fonenan’izy ireo. Misy 200 000 eo ho eo izao ny isan’ny rajako any an’ala, nefa 2 000 000 izy ireo zato taona lasa izay. An’arivo koa sisa ny rajako an-tanety, ary an-jato ireo rajako eny an-tendrombohitra. Milaza ny Reuters fa “miara-miasa amin’ny mpanao fikarohana sy ny mpiaro ny loharanon-karena voajanahary ary ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka ny ONU, mba hanomanana tetik’asa fanarenana any amin’ireo tany 24 eo ho eo misy ny rajako be.”
Manova ny Fiheveran’ny Olona Momba ny Tantara ny Tele
Hoy ny gazety The Times: “Heverin’ny Anglisy fa ny nahafatesan’i Diana, Andriambavin’i Pays de Galles, no fisehoan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’i Angletera tato anatin’ireo 100 taona lasa. Heverin’izy ireo fa mbola niavaka noho ny fipoahan’ny ady lehibe faharoa na ny nahazoan’ny vehivavy zo hifidy izy io. Olona 1 000 mahery no nanontanian’ny ekipan’ny televiziona iray, momba ireo fisehoan-javatra folo heveriny ho lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’i Angletera, tato anatin’ireo 100 taona lasa. Ny 22 isan-jato no nifidy ny nahafatesan’ny Andriambavy Diana ho ny fisehoan-javatra lehibe indrindra, ny 21 isan-jato no nifidy ny Ady Lehibe Faharoa, ary 15 isan-jato no nifidy ny nahazoan’ny vehivavy zo handatsa-bato. Rehefa nanontaniana izy ireo hoe inona no tena niavaka indrindra tamin’ny zava-nitranga naneran-tany, dia ny 41 isan-jato no namaly hoe ilay fanafihana tany Etazonia tamin’ny 11 Septambra, ny 19 isan-jato no niteny hoe ilay fanjerana baomba ataomika tany Hiroshima, ary ny 11 isan-jato nilaza hoe ny nandravana ny Rindrin’i Berlin. Milaza ny gazety The Times fa ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia “izay hitany vao haingana indrindra tao amin’ny tele ihany no heveriny fa niavaka indrindra teo amin’ny tantara.”
Misy Ifandraisany ve ny Fisarahan’ny Mpivady sy ny Fianaran’ny Ankizy?
Lazain’ilay gazety frantsay hoe Le Monde, fa vao haingana no nanao fanadihadiana ny fikambanana iray mpandinika ny momba ny mponina, ka hita fa ny ankizy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny no mahomby kokoa amin’ny fianarany noho ireo manana ray aman-dreny nisaraka. Miala amin’ny fianarany, enim-bolana ka hatramin’ny herintaona mialoha ny ankizy, raha misaraka ny ray aman-dreniny nefa mbola tsy tonga taona izy ireo, ary tsy miankina amin’ny laharana ara-tsosialy sy ny kolontsaina izany. Na dia amin’ireo fianakaviana manan-katao aza, dia mety tsy ho afa-panadinana mihitsy ireo manana ray aman-dreny nisaraka, na dia saiky afaka fanadinana famaranana eny amin’ny lise avokoa aza ny ankamaroan’ny ankizy. Ny 40 isan-jaton’ny mpivady any Frantsa anefa no misaraka.
Voka-dratsy Tsy Mivantana avy Amin’ny Zava-mahadomelina
Lazain’ny gazety El Comercio, any Lima, fa tamin’ireo volana vitsivitsy lasa, dia olona dimy no maty tany Peroa, satria nisotro tamin’ny loharano nisy poizina avy tamin’ny toerana fambolena sy fanodinana rongony. Ampiasaina hanaovana rongony koa ny zavatra simika misy poizina toy ny solitany, asidra solifiorika, ary ny amoniaka. Milaza ilay tatitra fa “ny nahafaty ireny olona ireny dia nisotro tamin’ny loharano na renirano nanarian’ny mpivarotra rongony ny fakony, izay misy poizina simika.” Na dia ireo polisy mikaroka sy manapotika ireo laboratoara fanamboarana rongony aza mbola voa koa, satria nikasika ireo poizina tavela. Maro amin’ireo mponina manodidina ny ala koa no “tratran’ny aretin’ny taova, izay tsy mety sitrana intsony”, satria nisotro rano voaloto. Hoy i Jonathan Jacobson, mpiasan’ny Ambasadin’i Etazonia any Lima Miady Amin’ny Zava-mahadomelina: “Ny mampalahelo dia ny hoe maro amin’ny mponina no tsy mahatsapa an’ilay loza mandrahona azy ireo. Azo inoana fa tsy manana fifandraisana amin’ny fambolena na fanamboarana rongony akory ireny olona ireny.”
Meksikanina Mpisotro Sodà
Ny Meksikanina no mpisotro sodà faharoa eran-tany, aorian’ny Amerikanina. Ny ranom-boankazo misy gaza no anisan’ny zava-pisotro folo be mpamokatra indrindra any Meksika, ary ny 60 isan-jaton’ny fianakaviana no misotro azy ireny, araka ny gazety Reforma. Mampanahy ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana izany, satria tian’izy ireo hividy ronono, na voankazo, na legioma, na sakafo mampitombo sy mampivelatra ny ankizy ny fianakaviana. Lany amin-javatra “tsy misy otrik’aina mahavelona mihitsy sady be gliosida anefa ny volan’ny fianakaviana, ka izany no mahatonga ny hatavezana be loatra, araka ny gazety Reforma. Milaza koa ilay tatitra fa miteraka areti-nify sy fahosan’ny taolana ny zava-pisotro toy ny sodà, indrindra ny Coca Cola.
Fanafody Mampitombo Aretina Andoha
Hoy ny gazety The Daily Telegraph of Sydney, any Aostralia: “Nilaza i Michael Anthony, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra, fa ny 10 isan-jaton’ny aretina andoha no avy amin’ny ‘fihinanana be loatra fanafody mampitony fanaintainana.’ Mahatonga aretina andoha isan’andro, fa tsy isan-kerinandro intsony, ny fihinanana fanafody matetika loatra, nefa tsy misy toromarika avy amin’ny dokotera. Hitan’i Anthony, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Nouvelle-Galles du Sud, fa “manjary tsy ampy sérotonine ireo marary mpihinana pilina be loatra manala aretina andoha”, kanefa izy io no misakana ny fivelaran’ny lalan-dra. Lazainy fa “mivelatra ny mpanelirà rehefa tsy ampy ny sérotonine, ka izany no mahatonga ny aretina andoha.” Manoro hevitra i Anthony hoe tsy tokony hihinana izay pilina ananany fotsiny ny marary, fa hampiasa kosa ny fanafody manokana avy any amin’ny dokotera. Hoy koa izy: “Raha mihinana pilina [mampitony fanaintainana] mihoatra noho ny intelo isan-kerinandro [ny marary], na dia pilina iray monja isaky ny mihinana aza, dia hitombo ny aretina andohany ao anatin’ny volana vitsivitsy.”
Torohevitra ho An’ireo Te Handoa Vao Maraina
Milaza ny gazety Sun-Herald any Aostralia fa “vehivavy bevohoka 70 ka hatramin’ny 80 ao anatin’ny 100 no te handoa isa-maraina.” Misalebolebo izy ireo, ka matetika no mandoa, rehefa mifoha amin’ny maraina. Anisan’ny heverina ho mahatonga izany ny fitomboan’ilay hormonina antsoina hoe progestérone mandritra ny fitondrana vohoka, ka mety hitombo be loatra ny asidra ao amin’ny vavony. Ankoatra izany, dia “mora mandre fofona kokoa ny vehivavy bevohoka, ka lasa te handoa.” Na dia tsy misy aza fanafody mety ho an’ny vehivavy bevohoka rehetra, dia manoro hevitra azy ireo ilay gazety mba hipetraka amin’ny toerana mangatsiatsiaka, sy hatory antoandro mba ho ampy torimaso tsara, ary hioroka silaka voasarimakirana. Hoy ihany ilay gazety: “Miezaha mihinana mofo maina, alohan’ny hitsanganana eo am-pandriana. Miarena moramora rehefa miala avy eo am-pandriana. Mihinàna tsakitsaky be proteinina matetika.” Milaza koa anefa ilay gazety fa “misy lafiny mahatsara azy ny hoe te handoa vao maraina, satria hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana fa ny vehivavy iharan’izany dia tsy mora afa-jaza.”