Voankazo Mivolombolamena sy Manan-tantara
Voankazo Mivolombolamena sy Manan-tantara
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FIDJI
NY TAONA 1789 tamin’izay. Hipoka ilay lakana mirefy fito metatra, ary toa bitika kely raha oharina amin’ilay ranomasimbe. Nalemin’ny hanoanana sady trotraka ireto lehilahy, satria niady tamin’ny onja vaventy sy ny rivo-mahery, ka tsy nitsahatra namoaka rano avy tamin’ilay lakana nandritra ny andro maro. Mbola niandry azy ireo koa ny ranomasina tsy fantatra, 5 000 kilaometatra mahery, feno vato harana nampidi-doza. Voafetra ny sakafo, ka tapa-mofo sy rano kely isan’andro no hany anjaran’ny lehilahy iray. Toa tsy ho tafavoaka velona izy ireo.
Herinandro mahery kely talohan’izay, dia nikomy ny tantsambo sasany, ary nandroaka azy ireo hiala tamin’ilay sambo, sy nampidina azy ireo tamin’ny lakana. Maty novonoin’ny tompon-tany ny iray taminy. Niatrika tafio-drivotra nahatsiravina koa izy ireo, ary efa saika tratran’ny mponin’ireo nosy Fidji, nantsoina hoe Nosin’ny Mpihinan’olona.
Nahoana ireo lehilahy ireo no nankany amin’io faritra mampidi-doza atỳ Pasifika Atsimo io? Nahoana izy ireo no nandeha lavitra an’i Angletera, tanindrazany feno saham-boankazo
sy zaridaina nilamina tsara? Nitady hazo iray mahavariana izy ireo, dia ny soanambo. Hodinihintsika hoe nahoana io hazo io sy ny voankazo mahavelona azo avy aminy, no nitana toerana lehibe teo amin’io tantara io sy ny dia nahatalanjona nataon’ny olona nitady zava-baovao talohan’izay.Fantatrao angamba ireo lehilahy tao amin’ilay tantara teo. Izy ireo no tafavoaka velona tamin’ilay fikomiana nalaza ratsy, teny ambonin’ilay sambo anglisy Bounty. Avy tany Angletera io sambo 215 taonina io no nankany Tahiti, ary i William Bligh no kapiteny. Nasaina naka zanaka soanambo teo amin’ny 1 000 teo ho eo izy, rehefa tonga tany. Handoa ny saran-dalany ireo zana-kazo ireo, rehefa tonga tany Antilles, zanatany anglisy, satria hamokatra voankazo mivolombolamena, izay mahavelona tokoa.
I Sir Joseph Banks no nanoro hevitra ny fitondram-panjakana anglisy mba hanao io tetik’asa io. Nitady loharanon-tsakafo vaovao ho an’ireo andevo niasa teny amin’ny toeram-pambolena fary tany Antilles mantsy izy ireo. Manam-pahaizana momba ny zavamaniry i Banks, ary efa niaraka tamin’ny Kapiteny James Cook nankatỳ * Samy nanantena tombontsoa betsaka avy tamin’ny soanambo i Banks sy Cook.
Pasifika mba hitady zava-baovao. Mpanolo-tsaina tao amin’ny Zaridainan-javamanirin’i Kew, akaikin’i Londres, any Angletera, izy tamin’izany.Tsy niaraka tamin’i Bligh i Banks, fa nanoro ny fomba hikarakarana ireo hazo soanambo nandritra ilay dia lavitra, ka nanantitrantitra fa nila rano mamy izy ireo. Nokarakaraina fatratra sy notondrahana foana àry izy ireo, fa natao tsirambina kosa ny tantsambo. Misy mpanoratra mihevitra fa izany angamba no nampikomy ny sasany, sady efa nisy tsy nahafaly azy ireo rahateo. Vao maraina tamin’ny 28 Aprily 1789 àry, dia norahonan’izy ireo tamin’ny antsibe i Bligh sy ny tantsambo 18 tsy nikomy, ary noroahiny hiala ny sambo, teo akaikin’ny morontsirak’i Tonga. Falifaly erỳ angamba izy ireo nanipy ireo soanambo tany an-dranomasina.
Tsy nahakivy an’i Bligh anefa izany. Notohiziny ny diany, izay nantsoina hoe “dia an-dranomasina nalaza indrindra tamin’ny lakana tsy nitafo.” Nahavita 5 800 kilaometatra tamin’io lakana kely io izy, nandritra ny fito herinandro nanasatra. Nianavaratrandrefana izy, nandalo teo amin’ireo nosy antsointsika hoe Fidji, ary avy eo nihazo ny morontsiraka atsinanan’i Nouvelle-Hollande (na Aostralia), ka tonga teo amin’ny toerana azo antoka, dia ny nosy Timaoro.
Nasaina nitarika ny dian’ny sambo roa hafa i Bligh, rehefa tafaverina tany Angletera, ka niverina tany Tahiti mba haka soanambo. Tamin’ny 1792, dia todiny soa aman-tsara tany amin’ireo nosy Saint-Vincent sy Jamaika, any Antilles, ireo hazo soanambo 700 teo ho eo tao anaty vazy. Mamokatra be ny soanambo any
hatramin’izao, ka ahazoana voankazo toa volamena, eo ambanin’ireo raviny maitso.Mampitolagaga tokoa ny tantaran’i Bligh, sy ny nahatafavoaka velona azy ireo tamin’ilay diany, rehefa nitady zava-baovao. Azo atao hoe zava-niseho vao haingana ihany anefa izany, teo amin’ny tantaran’ny soanambo. Raha mba afaka niteny mantsy izy io, dia ho nitantara zavatra be dia be nitranga taona maro lasa izay, fony izy nanaraka ireo tantsambo fahiny, nitady zava-baovao!
Ireo dian’ny hazo soanambo fahiny
Mihevitra ireo arkeology fa nisy fifindra-monina maromaro tany amin’ny faritra andrefan’i Pasifika, ary nanomboka tamin’ny 1500 Talohan’i Kristy ny vao haingana indrindra tamin’izany. * Avy tany Azia Atsimoatsinanana ny foko lapita no nandeha lakana lehibe, ka nifindra nankany Indonezia, Nouvelle-Guinée, Nouvelle-Calédonie, Vanuatu, Fidji, ary tonga lavitra kokoa tany Pasifika afovoany mihitsy aza. Tena mahatalanjona ny zava-bita tamin’ireny dia ireny, satria tsy nijanona mihitsy izy ireo teo anelanelan’ny nosy sasany, fa namakivaky ranomasimbe an-jato kilaometatra.
Ilay lakana lehiben’ny foko lapita dia afaka nitondra olona maro be, biby fiompy, tahirin-tsakafo, karazana masomboly, ary zavamaniry amin’ny vazy. Rehefa niparitaka eran’ny Pasifika ny Lapita, dia nahita an’ireo nosy Melanezia sy Polinezia ary Mikronezia tany avaratra, sy Nouvelle-Zélande tany atsimo, ka nanorim-ponenana tany. Niparitaka toy ny onjan’ny rano misondrotra izy ireo, ka tonga tany amin’ny Nosin’ny Paka sy Hawaii mihitsy. * Anisan’ny niavaka indrindra tamin’ny “mpandeha” nentiny foana ny soanambo mafy aina, na taiza na taiza nalehan’izy ireo.
Mahavelona sy ahavitan-javatra betsaka
Tena mahasoa sy mahavelona ary mora vidy ny soanambo atỳ Fidji, toy ny any amin’ny tany maro. Mafy aina sy mamokatra be ny karazany sasany, ka mamokatra intelo isan-taona mandritra ny 50 taona, na dia ratsy aza ny toetrandro. Samy hafa ny tsiron’ireo karazany maro be, ary matetika dia lazaina hoe mitovitovy amin’ny mofo sy vomanga. Azo ampangotrahina ny soanambo, na andrahoina anaty lafaoro, na endasina, ary matetika atao tsindrin-tsakafo. Azo hamainina sy totoina ho lafarinina koa izy io, na esorina ny nofony, potipotehina, ary avela hiotrika, amin’izay azo hanina foana mandritra ny taona maromaro.
Azo amonosana sakafo toy ny trondro na akoho ny raviny, mba hihazonana ny rony sy ny tsirony rehefa andrahoina. Fihinana koa ny voany rehefa voasana, ary mitovitovy amin’ny voanjo ny tsirony. Tsakotsakoin’ny ankizy toy ny siligaoma ny ranon-kazo angonina amin’izy ireny indraindray. Azo ampiasaina amin’ny fomba isan-karazany tokoa ny soanambo! Tsy mahagaga àry raha tena tian’ny olona atỳ Pasifika izy io.
Mipetraka atỳ Fidji i Ledua. Nolazainy taminay fa mampahatsiaro azy zavatra mahafinaritra sy mahasosotra nandritra ny fahazazany, ny soanambo. Nanana hazo soanambo lehibe dimy ny fianakaviany. Anjaran’i Ledua ny nanadio ny tokotany feno ravina soanambo, ary tena tsy tiany mihitsy izany. Matetika anefa izy sy ny iray tam-po taminy no nioty ireo voankazo, rehefa avy nianatra, ary nandeha isan-trano ka nivarotra soanambo betsaka araka izay azony natao. Nampiasain’ny ray aman-dreniny tamin’izay nilaina tamin’ny fivoriambe kristianina ny vola azo avy eo, ka nandoavana saran-dalana sy nividianana sakafo, na kiraro vaovao.
Angamba ianao mipetraka any amin’ny iray amin’ireo toerana maro, anirian’io voankazo nitety tany sy manana anarana mipoapoaka hoe Artocarpus altilis io. Tsy nihevitra an’io zavaboary mahatalanjona io ho harena na zava-tsarobidy na kanto mihitsy angamba ianao taloha. Maro anefa ny olona atỳ Pasifika no milaza, fa ny hoe soanambo dia mampahatsiahy azy ny foko lapita sy ny Kapiteny Bligh ary ny dia mahavariana nataon’izy ireo mba hitadiavana zava-baovao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: “Les Jardins de Kew—Un Centre Mondial de Botanique”, ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Janoary 1989.
^ feh. 13 Mazava ho azy fa mifototra amin’ny arkeolojia fotsiny io daty io, ary tsy misy ifandraisany amin’ny fandaharan-taonan’ny Baiboly.
^ feh. 14 Misy mpahay tantara milaza fa tonga hatrany amoron-tsirak’i Peroa, any Amerika Atsimo, ny sasantsasany tamin’ireo olona ireo, ka nitondra vomanga tatỳ Pasifika, rehefa niverina. Raha izany no izy, dia ny lalan’ny soanambo ihany no nandalovan’ny vomanga, fa nifamadika fotsiny, mandra-pahatongany tany Azia Atsimoatsinanana, toerana niavian’ny soanambo.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
Hazo Mitondra Soa Maro
Maitsoririnina sy mahavariana ny hazon’ny soanambo lehibe. Avy any amin’ny alan’i Malezia izy io. Anisan’ny zavamaniry atao hoe moracée izy io, ary mitovy karazana amin’ny aviavim-bazaha sy ny voaroy, ary ny ampalibe. Mety hahatratra 12 metatra izy rehefa lehibe, ary azo tapahina sy ambolena ny tahony. Sampany samy hafa no misy ny voninkazo lahy sy ny voninkazo vavy amin’ny soanambo. Ny ramanavy mpihinam-boankazo no mitondra ny lahimbony amin’ny vavimbony sy manaparitaka ny voany. Lasa voankazo boribory lehibe na boribory lavalava ireo voninkazo ireo, ka mitovitovy habe amin’ny voatango. Maitso ny hodiny ary mavo tanora somary mivolombolamena ny nofony.
Lehibe ny raviny, sady malamalama ary maitso antitra, ka mahafinaritra erỳ ny mialoka aminy rehefa mahamay ny andro. Anamboarana fanaka sy lakana ny hazony malamalama sy maivan-danja, ary anaovana akanjo antsoina manerana an’i Pasifika hoe tapa kosa indraindray ny hoditr’ilay hazo. Anamboarana fitaovana tsy tantera-drano ny ranon-kazo. Anohizana taolana tapaka koa izy io any amin’ny toerana sasany, ary mety hanaovana dity hamandrihana vorona mihitsy aza.
[Sary, pejy 24]
Sary hoso-dokon’i Robert Dodd mampiseho ilay fikomiana teny amin’i “Bounty”
[Sary nahazoan-dalana]
National Library of Australia, Canberra, Australia/Bridgeman Art Library
[Sary, pejy 26]
Maro ny fomba azo ikarakarana ny soanambo