Aza Manaiky ho Voan’ny Propagandy!
Aza Manaiky ho Voan’ny Propagandy!
“Ny kely saina mino ny teny rehetra”. — OHABOLANA 14:15.
MISY fahasamihafana tena lehibe mihitsy eo amin’ny fampianarana sy ny propagandy. Ny fampianarana dia mampiseho aminao hoe ahoana no fomba hieritreretanao, fa ny propagandy kosa dia milaza aminao hoe inona no tokony hoeritreretinao. Ny mpampianatra mahay iray dia mampiseho ireo lafiny rehetra amin’ny raharaha iray, ka mampirisika ny hanaovana fifanakalozan-kevitra. Ny mpanao propagandy kosa dia misisika foana hanery anao hihaino ny fomba fijeriny, ary tsy mampirisika ny hanaovana fifanakalozan-kevitra. Tsy tena fantatra matetika, ny tena antony manosika azy ireo. Sivanin’izy ireo ny zava-misy, ka ampiasainy izay mahasoa azy, fa afeniny kosa ny hafa. Amboariny sy aolany koa ireo zava-misy, ka ny lainga na ny fahamarinana tapatapany no ifantohany. Ny fihetseham-ponao no kendreny, fa tsy ny fahaizanao misaina amin’ny fomba lojika.
Ataon’ireo mpanao propagandy izay hisehoan’ny hafatra ampitainy ho toa marina sy tsara, ka hahatonga anao hahatsiaro tena ho ambony sy ho tian’olona, raha manaraka izany. Ny zavatra tian’izy ireo hinoanao dia hoe anisan’ireo mahira-tsaina indrindra ianao, tsy irery ianao, tsy misy zavatra mampisalasala anao ary tsy misy zavatra mampahatahotra anao.
Ahoana no ahafahanao miaro tena amin’ireo karazan’olona antsoin’ny Baiboly hoe “mpitaria foana sy mpamitaka”? (Titosy 1:10). Raha vao fantatrao tsara ny sasany amin’ireo tetika feno hafetsena ampiasain’izy ireo, dia ho hainao kokoa ny hanombana izay mety ho hafatra na fanazavana ampitainy aminao. Ireto misy fomba vitsivitsy hanaovana izany.
Mahaiza mifantina: Azo atao ny mampitaha ny saina malalaka loatra amin’ny fantson-drano iray izay mamela ny zavatra rehetra hikoriana ao anatiny, eny fa na dia ny maloto aza. Tsy misy olona maniry hanana saina voaloton’ny poizina. Nampitandrina toy izao i Solomona, izay mpanjaka sady mpampianatra fahiny: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15). Mila mahay mifantina isika, araka izany. Ilaintsika ny mandinika lalina izay zavatra rehetra lazaina amintsika, ary manapa-kevitra hoe inona no hekena, ary inona no holavina.
Na izany aza, dia tsy tiantsika ny ho tery saina loatra indray, ka handa izay zava-misy rehetra afaka manatsara ny fisainantsika. Ahoana no ahafahantsika mandanjalanja tsara? Ilaintsika ny mametra fitsipika, handinihana izay fanazavana vaovao. Raha izay lafiny izay no resahina, dia manana loharanom-pahendrena lehibe ny Kristianina. Manana ny Baiboly izay tari-dalana azo antoka eo amin’ny fisainany izy. Etsy an-kilany, dia tena misokatra ny sainy, izany hoe mandray fanazavana vaovao. Ampitahainy tsara amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly ny fanazavana vaovao toy izany, ka raisiny ho anisan’ny fomba fisainany izay fanazavana marina. Etsy an-danin’izany kosa anefa, dia voavaky ny sainy ny loza
entin’ireo fanazavana izay tsy mifanaraka tanteraka amin’ny toetra tsara andrianiny, izay miorina amin’ny Baiboly.Mampiasà fahaiza-manavaka: Ny fahaiza-manavaka dia “fahaiza-mitsara matsilo”. Izy io dia “ny fahafahana na ny fahaizan’ny saina manavaka zavatra iray amin’ny iray hafa”. Raha mahay manavaka ny olona iray, dia ho hitany ireo fitaky ny hevitra na zavatra, ary ho hainy tsara ny hitsara zavatra.
Rehefa mampiasa fahaiza-manavaka isika, dia ho afaka ny hahafantatra ireo izay mampiasa “teny malefaka sady tsara lahatra” mba ‘hamitahana ny fon’ny tsy ary saina’. (Romana 16:18). Ny fahaiza-manavaka dia mahatonga anao ho afaka hanilika ireo fanazavana tsy misy ifandraisany amin’ilay raharaha, na ireo zava-misy mamitaka. Ho hainao kosa ny hanavaka ny tena votoatin’ilay raharaha. Ahoana anefa no anavahanao ny zavatra mamitaka iray?
Tsapao tsara ilay fanazavana: Hoy i Jaona mpampianatra kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Ry malala, aza mino ny fitenenana ara-tsindrimandry rehetra, fa tsapao ny fitenenana ara-tsindrimandry”. (1 Jaona 4:1, NW ). Mitovy amin’ny sponjy ny olona sasany amin’izao andro izao; fohin’izy ireo daholo izay zavatra rehetra sendra azy. Tena mora loatra ny mandray ny zavatra rehetra manodidina antsika.
Tsara lavitra anefa ny handinihan’ny tsirairay manokana izay zavatra fidiny hamahanana ny sainy. Misy fitenenana hoe mampiseho ny maha isika antsika izay hanintsika. Sady azo ampiharina amin’ny sakafon’ny vatana izany, no azo ampiharina koa amin’ny sakafon’ny saina. Na inona na inona zavatra vakinao, jerenao, na henoinao, dia tsapao foana mba hahitana raha misy fanipazan-kevitra miendrika propagandy izany, na koa hoe marina sa tsia.
Ankoatra izany, raha tiantsika ny hanana saina tsy miangatra, dia tsy maintsy vonona ny hitsapa tsy tapaka ny hevitsika manokana isika, eo am-pandraisantsika fanazavana vaovao. Tokony ho takatsika fa hevitra fotsiny ihany izy ireny. Matoa izy ireny azo itokiana, dia marim-pototra ny zava-misy arosontsika, tsara ny fanjohian-kevitra narahintsika. Izany dia miankina koa amin’ireo fari-pitsipika na toetra tsara fidintsika hampiharina.
Mametraha fanontaniana: Maro ankehitriny no ta ‘hampahadiso antsika amin’ny hevitra mandresy lahatra’, araka ny efa hitantsika. (Kolosiana 2:4, NW ). Noho izany, dia tokony hametraka fanontaniana isika, rehefa androsoana fanaporofoan-kevitra mandresy lahatra.
Diniho aloha, voalohany indrindra, raha misy fitsarana an-tendrony ao anatin’ilay hafatra. Inona no anton’ilay hafatra? Raha feno fanevatevana
sy teny an-kolaka ilay izy, inona moa no anton’izany? Raha esorina ireny teny an-kolaka ireny, inona moa no tena vidin’ilay hafatra mihitsy? Raha mety koa, dia iezaho fantarina ny tantaran’ireo olona mampita ilay hafatra. Fantatra ho mpilaza ny fahamarinana ve izy ireny? Raha misy loharanon-kevitra nalaina, iza na inona moa izany? Nahoana ianao no tokony hihevitra io olona, na fikambanana, na boky io, ho manam-pahalalana manokana, na fanazavana azo itokisana momba ilay foto-kevitra voaresaka? Raha tsapanao ho toa misy fanairana fihetseham-po ilay izy, dia manontania tena hoe: ‘Raha tsy asiana fihetseham-po ny fijerena ilay hafatra, inona moa no tena vidin’izy io?’Aza manara-drenirano fotsiny: Raha takatrao fa tsy voatery ho marina ny arahin’ny besinimaro, dia afaka mahazo tanja-tsaina hananana hevitra hafa ianao. Na dia toa mitovy fomba fijery aza ny olon-kafa rehetra, midika ve izany fa tokony hitovy fomba fijery amin’izy ireo ianao? Tsy marika azo itokisana amantarana izay marina, ny fomba fijery tiam-bahoaka. Nisy hevitra maro isan-karazany neken’ny besinimaro, nandritra ny taonjato maro, nefa hita ho diso foana izany tatỳ aoriana. Mbola eo foana anefa ilay fironana hanara-drenirano. Misy foto-pitsipika tsara asehon’ilay baiko nomena ao amin’ny Eksodosy 23:2, manao hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy”.
Fahalalana marina sy propagandy
Nolazaintsika teo aloha fa mpitari-dalana azo antoka ho an’ny fisainana mazava, ny Baiboly. Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah sy inoany tanteraka ny tenin’i Jesosy tamin’Andriamanitra hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Marina izany, satria ilay Andriamanitra Loharanon’ny Baiboly, dia “Andriamanitry ny fahamarinana”. — Salamo 31:5.
Eny, amin’izao andron’ny propagandy be pitsiny izao tokoa, isika dia afaka miantehitra amim-pahatokiana amin’ny Tenin’i Jehovah, ho loharanon’ny fahamarinana. Amin’ny farany izany dia hiaro antsika amin’ireo izay maniry ‘hivarotra antsika amin’ny teny mamitaka’. — 2 Petera 2:3.
[Sary, pejy 9]
Ny fahaiza-manavaka dia mahatonga anao ho afaka hanilika ireo fanazavana mamitaka, na tsy misy ifandraisany amin’ilay raharaha
[Sary, pejy 10]
Tsapao izay zavatra rehetra vakinao na jerenao mba hahitana raha marina izany
[Sary, pejy 11]
Tsy azo ianteherana foana ny hevitra tiam-bahoaka
[Sary, pejy 11]
Afaka miantehitra amim-pahatokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra, ho loharanon’ny fahamarinana, isika