Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Zava-mahadomelina Nanaovana fikarohana tsara ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Drogue: la bataille est-elle perdue?” (“Eo Am-pifehezana An’izao Tontolo Izao ve ny Zava-mahadomelina?”) (8 Novambra 1999, frantsay). Mpanao fanadihadiana momba ny voaheloka iharan’ny sazy mihantona no asako, any amin’ny faritra iray feno tanora andevozin’ny zava-mahadomelina. Io nomerao io dia hanampy olona maro hanafa-tena amin’ny fahazarana mampiasa zava-mahadomelina.

J. T., Alemaina

Nampahery ahy tokoa ny tantaran’i Pedro sy i Ana vadiny. Nanimba ny fiainako nandritra ny enin-taona ny zava-mahadomelina. Noho ny fianarako ny Baiboly sy ny firesahako tamin’ny hafa momba izay nianarako, dia nahazo tanjaka ara-panahy hanafahan-tena tamin’ny fahazarana nampiasa zava-mahadomelina aho.

D. J., Etazonia

Mampianatra momba ny fahasalamana any am-pianarana, efa hatramin’ny 15 taona aho. Tonga ara-potoana tsara mihitsy io nomeraon’ny Mifohaza! io, satria eo am-pianarana loha hevitra momba ny toaka sy ny zava-mahadomelina ary ny fitondrana fiarakodia izahay izao. Tena hampiasaiko tokoa ireo fanazavana avy ao amin’io nomerao io!

C. J., Etazonia

Voan’ny Tagua Mamaky ny nomerao tsirairay amin’ny gazetinareo aho nanomboka tamin’ny 1954, ary dia talanjona foana amin’ireo lahatsoratra milazalaza ny fomba maro samihafa azo ampiasana ireo zavatra noforonin’i Jehovah. Iray amin’ny lahatsoratra toy izany ilay hoe “L’ivoire végétal sauvera-t-il les éléphants?” (“Ny Voan’ny Tagua — Afaka Mamonjy ny Elefanta ve Izy Io?”) (8 Novambra 1999, frantsay). Misaotra noho ny fanampiana anay hankasitraka bebe kokoa hatrany ny fahendrena mahatalanjon’ilay Andriamanitsika.

D. H., Etazonia

Filalaovana Ody Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Inona no ao Ambadiky ny Filalaovana Ody?” (8 Novambra 1999). Maro be ny olona nieritreritra taloha fa olona ratsy tarehy sy antitra be ireo mpilalao ody. Ny fikambanan’ireo Wiccans anefa dia mahasarika tanora lahy sy vavy maro amin’izao fotoana izao. Nanomboka liana tamin’izy io ny zanako vavy. Nangataka famandrihana amin’ny Mifohaza! ho an’ny tenany manokana anefa izy, ka nisy an’io lahatsoratra io ny nomerao voalohany tonga! Tonga tamin’ny fotoana nilana azy izy io.

B. H., Etazonia

Telo ambin’ny folo taona aho, ary nihaona tamin’ny ankizivavy iray tany am-pianarana izay mino ny filalaovana ody. Indray andro, dia nanontany ny hevitro momba izany izy. Nolazaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenako ary tsy mino ny fampiasana ny asan’ny maizina. Sosotra àry izy ka nanomboka tamin’izay, dia nampipoitra ilay raharaha imbetsaka. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hahazoana fanampiana, ary tonga izany, tamin’ny alalan’ilay lahatsoratra hoe: “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Inona no ao Ambadiky ny Filalaovana Ody?” (8 Novambra 1999). Nomeko azy ilay lahatsoratra ary hatramin’ny namakiany azy, dia tsy nanontany ny hevitro mahakasika ilay foto-kevitra intsony izy.

K. E., Etazonia

Anjely Arahabaina ianareo, noho ireo fitohitohizan-dahatsoratra miresaka amim-pahatsorana ny amin’ny hoe “La vérité sur les anges” (“Inona ny Fahamarinana Momba ny Anjely?”) (22 Novambra 1999, frantsay). Ela ny ela ka nisy olona sahy nanoratra fanazavana feno fanajana, nefa milaza ny marina, mahakasika ny loza mety hateraky ny zavatra inoana diso momba ny anjely. Ankasitrahako manokana ilay sary eo amin’ny pejy faha-9, izay mampiseho fa ny tenan’ireo anjely mihitsy no mandà ny fandokafana sy ny laza atolotra azy ireo amin’izao fotoana izao.

J.L.A.H., Brezila

Laser Tsy Izy Ve? Niresaka ny amin’ny fampiasana ny “erbium: taratra laser YAG, ho amin’ny fandidiana mahakasika ny nify” ny lahatsoratra iray tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao” mitondra ny lohateny hoe “Mpitsabo Nify Tsy Andrenesana Maharary?” (8 Novambra 1999). Tsy tokony ho “néodyme: YAG” ve no izy?

D. B., Kanada

Milaza ny “néodyme”: taratra “laser” YAG ho toy “ny halavan’ny onja fampiasa indrindra amin’ny fitsaboana nify” ny Akademian’ny Fitsaboana Nify Ampiasana Laser. Na izany aza anefa, dia miresaka momba ny fampiasana ny “erbium”: taratra “laser” YAG, araka ny voalazan’ny “FDA Consumer”, ny lahatsoratra iray ao amin’“Ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana Nify” (Aogositra 1997, Boky 128, pejy faha-1080-1087). — MPAMPANONTA.