Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ilay Tafavoaka Velona ny Fonja Maniry ny hisaotra anareo amin’ny foko rehetra aho noho ilay lahatsoratra hoe “Jehovah no Mpamonjy Anay”. (8 Jolay 1999). Nanganohano ny ranomasoko teo am-pamakiana ny fomba nahafantaran’i Francisco Coana ny fahamarinana, sy ny nanomezany ny laharam-pahamehana ho an’ny fanompoana an’i Jehovah teo amin’ny fiainany. Tena manatanjaka ny finoana tokoa izay novakina momba ny fisedrana niaretan’ireo rahalahiko kristianina tany Mozambika.

J. H., Etazonia

Ray Aman-dreny Marary Nampihetsi-po ahy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana i Neny no Marary Be Toy Izao?” (8 Aogositra 1999). Tsy noeritreretiko fa misy tanora hafa maro be, toa ahy, manana tombontsoa mikarakara havan-tiana marary. Miara-mipetraka aminay ny renibeko, ary efa efa-bolana izy izao no narary teo am-pandriana. Nanomboka nahatsiaro tena ho nitondra enta-mavesatra sy reraka aho tamin’ny fikarakarana azy. Nahazo tanjaka tena nilaina aho tamin’ny famakiana ilay lahatsoratra. Nanampy ahy hatoky ny fanohanan’i Jehovah izy io.

J. P., Philippines

Fampiononana lehibe ho ahy ilay lahatsoratra, sady nanome ahy ny hery hoenti-mikarakara ny reniko, izay tratran’ny fahaketrahana. Azoko nampiharina ny soso-kevitra nomen’ilay lahatsoratra, dia ny mba hijerena bebe kokoa an’ilay toe-javatra araka ny zava-misy, sy ny hanehoana bebe kokoa fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny reniko sy fahaiza-mipetraka eo amin’ny toerany ary fahaiza-mandanjalanja.

G. L., Italia

Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay lahatsoratra. Voan’ny kansera aho, ary miara-mipetraka amiko ny zanako lahy. Nijaly tokoa ilay zanako, ka tsy fantatro intsony hoe ahoana no fomba hampiononana azy. Tena ny fihetseham-pony mihitsy no voalazalaza tao amin’ilay lahatsoratra. Tsy natao ho an’ny tanora ihany ireny lahatsoratra ireny. Ny fiainana mihitsy no resahin’izy ireny.

R. Z., Alemaina

Nanampy ahy io lahatsoratra io hahatakatra ny maha zava-dehibe ny hitoerana ho mavitrika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nanjary fantatro fa rehefa mampifantoka ny fiainany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany ny olona iray vao afaka manampy olona marary.

P. E., Aotrisy

Voady Tsy Hanambady Tsy ekeko izay voalaza ao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”, eo ambanin’ny lohateny hoe “Voady Tsy Hanambady — Nahoana?” (8 Oktobra 1999). Milaza ianareo fa “tsy misy fototra ao amin’ny Soratra Masina” ny porofo aroson’ny Eglizy. Rehefa jerena ny Matio 19:10-12 sy ny 1 Korintiana 7:8, 26, 27, dia voatery manatsoaka hevitra aho fa misy fototra araka ny Soratra Masina ny voady tsy hanambady.

M. T., Etazonia

Marina fa manoro hevitra ny Baiboly hoe tsara ho an’ny olona sasany ny mitoetra ho mpitovo. Tsy takin’ny Baiboly anefa ny hanaovan’ny minisitra ara-pivavahana kristianina, voady tsy hanambady. Nanambady ny apostoly Petera sy ny lehilahy hafa nanana andraikitra tao amin’ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany. (1 Korintiana 9:5; 1 Timoty 3:2). Noho izany, dia tsy misy fototra ao amin’ny Soratra Masina ny fanerena hanao voady tsy hanambady. — MPAMPANONTA.

Hasarotan-kenatra Misaotra indrindra noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy mba Mahay Mifandray Kokoa Amin’olona?” (8 Novambra 1999). Sakafo tonga tamin’ny fotoana nety izy iny. Nijaly noho ny hasarotan-kenatra aho hatramin’izay niainako. Fito ambin’ny folo taona aho, ary sarotra amiko ny mifandray amin’ny olona mbola tsy fantatro sy amin’ny olona vaovao any amin’ny fivoriana kristianina. Noho izany, dia tsy mba nahay nanararaotra fahafahana maro hifandray bebe kokoa amin’ny hafa sy hankafy ny fiarahana amin’ireo anadahy sy rahavavy aho. Nanampy ahy ilay lahatsoratrareo hahatakatra fa fahita ny hasarotan-kenatra, ary zavatra azoko resena.

B. H., Etazonia

Zaridainam-palmie Iray amin’ireo lahatsoratra nahafinaritra indrindra nankafiziko tato ho ato ilay lahatsoratra hoe “Fitsidihana Zaridaina Iray Hafakely”. (8 Novambra 1999). Azoko alaina sary an-tsaina mihitsy ny tenako ao amin’ny Paradisa, manomana amim-pitandremana zaridaina kanto iray toy izany. Tena nanohina ny foko ny fitiavan’io lehilahy io ny zavamaniriny. Mankasitraka tokoa ny zavaboary kanton’i Jehovah izy, ary izany koa no tokony hataontsika rehetra!

L. C., Kanada

Mahay Mifandray Amin’olona Nanohina lalina ny foko ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hahaizako Hifandray Kokoa Amin’olona?” (8 Desambra 1999). Enina ambin’ny folo taona aho, ary sarotra amiko ny mifandray amin’ny hafa, indrindra fa any amin’ny fivoriana kristianina. Misaotra noho ny fanisianareo fiheverana ny tanora tahaka ahy izay manana io olana io. Hiezaka hampihatra ny torohevitra tsara nomenareo tao amin’io lahatsoratra io aho.

I. A., Frantsa

Vorona Mihira Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Mpihira Roa Mampiara-peo Mahafinaritra”. (8 Desambra 1999). Azoko alaina sary an-tsaina mihitsy ny tenako mandre ireo vorona ireo manao kalo mahafinaritra eo ambonin’ny rantsankazo lehibe iray! Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho noho ny namoronany biby mampiala voly antsika.

Y. S., Japon