Ny Gilaelina — Voninkazo Miavaka, Kanto fa Mora Simba
Ny Gilaelina — Voninkazo Miavaka, Kanto fa Mora Simba
Saika ny rehetra no talanjona noho ny hakanton’ny zavamaniry mamony mora simba, ohatra iray miavaka ny amin’izany ny gilaelina. Noho izy be mpitia aoka izany, dia ambolena mba hahazoam-bola ny gilaelina any amin’ny tany maromaro, voafaoka amin’izany i Israely sy i Holandy. Misy toeram-pambolena gilaelina koa any Etazonia, izay mandefa ny voninkazo vokariny any amin’ny olona tia mamboly voninkazo, maneran-tany.
Nitombo ny isan’ny zavamaniry iray fianakaviana amin’ny gilaelina mahatalanjona, ka nahatratra karazany 2 000 mahery, ahitana loko sy ambaratongan-doko ary toetoetran’ny voniny azo saintsainina rehetra. Ahoana no nataon’ny mpamboly voninkazo mba hahazoana izany karazany maro samihafa toa tsy hita lany izany, avy tamin’ny voninkazo iray ihany?
Famoronana karazany vaovao
Ny mpamboly dia mampiasa fitaovana, toy ny borosy volon-drameva, ohatra, mba hanalana vovobony avy amin’ny lahimbonin’ny voninkazo iray, ary mamindra azy io ho ao amin’ny vavimbonin’ny voninkazo iray hafa. Ao amin’ireo fanjany kely ambany indrindra amin’ilay zavamaniry handray azy mazàna no ametrahana ilay vovobony. Raha vao vita izany, dia afatotra hikatona tsara ilay voninkazo mba hisakanana ny tantely, na ny lalitra, tsy hitondra vovobony eo aminy, ka hanova ny vokatra tadiavina. Mba hahazoana loko na endriny iray manokana, dia alaina ny karazan-gilaelina iray ary ampivadina amin’ny karazany iray hafa manana ireo toetra tiana ho azo.
Tsy midika akory izany fa karazam-boninkazo vaovao ilay gilaelina vaovao, na ilay zafindraony. Ny fahafahana hahazo karazany toy izany dia efa tao foana, efa voatahiry tao amin’ny rafi-pandovan-toetra be kojakojan’ilay gilaelina. Amin’ny alalan’ny fampivadiana gilaelina nofantenana tsara no ahazoana gilaelina samy hafa loko, manomboka amin’ny fotsy manjelatra ka hatramin’ny mena antitra na volomparasy antitra. Misy koa gilaelina misy tasy, pentina, ketrona ny sisiny ary fanjany kely roa sosona. Ny sasany aza somary mamerovero.
Voninkazo kanto fa mora simba
Jereo akaiky ireo voninkazo aseho an-tsary eto, ary mariho ireo karazany maro amin’ny gilaelina. Tena tsara tarehy mihitsy ilay hita eto antsoina hoe Meva! Rehefa mihamivelatra ireo felany, dia ahitana sisiny volomparasy tanora sy misy ketrona, ary tendrony volomparasy antitra kokoa. Eo amin’ireo felany farany, mitarika hatrany amin’ny hirika kelin’ny voninkazo kely tsirairay, dia ahitana pentina mavokely antitra sy volomparasy mahafinaritra.
Ny karazany hafa iray, izay antsoina hoe Dantelina Orkide, hita eto koa, dia mahatonga hihevitra fa mora simba be izy io, ka handrovitra azy na dia ny fikasihana faran’izay kely aza. Ny fanjany kely dia mipetaka amin’ny tahony, fa ny lahimbony lava kosa dia mipoitra avy eo afovoan’ny hirika kely tsirairay mareva-doko. Ireo karazany hafa dia manana anarana mampahatsiaro zavatra, toy ny hoe Kintana Mamirapiratra, Faran’ny Nofy, Fanairana Farany, Tsy Manam-paharoa, ary Volana Volafotsy.
Fambolena gilaelina
Ho fanampin’ny fahazoana masomboly avy amin’ireo voninkazo, ny mpamboly gilaelina dia manangona ireo vody gilaelina vaventy, ilay mivohitra tahaka ny ampola eo amin’ny tendrony ambany amin’ny tahon’ilay voninkazo. Manangona koa ireo vody gilaelina madinika, izay mipoitra faharoa, maniry eo amin’ny vody gilaelina vaventy indrindra, izy ireo.
Tamin’ny ankapobeny, dia avy tamin’ireo karazana gilaelina afrikanina no nahazoana gilaelina famboly any amin’ny toeram-pambolena. Araka izany, dia avy any amin’ny tropika ny fiavian’izy ireo, raha izay no ilazana azy, ary tena mifidifidy toe-tany. Mety tsy ho velona amin’ny ririnina mamirifirin’ny tany sasany izy ireo, nefa maniry tsara mandritra ireo volana mafana.
Any amin’ny toe-tany mangatsiaka kokoa, dia tokony hohadina amin’ny faran’ny fotoam-pambolena ny vody gilaelina vaventy, ary hodiovina amim-pitandremana. Hisy vody gilaelina vaventy vaovao hiforona, ka ny fanalana ilay taloha, ilay vody gilaelina vaventy maty eo amin’ny tendron’ilay tahony, dia hanamora kokoa ny hamakan’ilay vody gilaelina vaventy vaovao. Fanampin’izany, dia tsy maintsy esorina ireo vody gilaelina madinika mitovy habe amin’ny pitipoà, izay mitangorona amin’ny vody gilaelina vaventy tsirairay. Mandritra ny toetr’andro mangatsiaka, dia tokony ho samy hazonina eo amin’ny toerana maina sy mangatsiatsiaka, izay isian’ny maripana ambonin’ny zerô degre, ny vody gilaelina vaventy sy madinika.
Rehefa ambolena ny vody gilaelina madinika tsirairay, dia hivoaka ny ravina manify, ary amin’ny faran’ny fotoam-pambolena, dia hanjary ho vody gilaelina vaventy matoy ilay vody gilaelina madinika. Rehefa ambolena ireny vody gilaelina vaventy ireny amin’ny fotoam-pambolena manaraka, dia hitombo ka ho tonga zavamaniry lehibe mandrobona sy misy felana.
Any amin’ireo toe-tany antonony dia azo atomboka eo am-piandohan’ny lohataona ny fambolena azy. Tsy dia tena zava-dehibe ny hanarahana fotoana hentitra tokony hanaovana ny fambolena, any amin’ny toe-tany mafana kokoa. Ny tsara indrindra, dia ny hambolena ny vody gilaelina vaventy sy madinika ao amin’ny nofon-tany mando sy somary misy asidra. Tokony hambolena eo amin’izay hahazoany masoandro izy ireo, satria tsy maniry tsara amin’ny aloka ny gilaelina.
Azo atao ao anaty lavaka valo santimetatra ny vody gilaelina madinika, ary fafazana rano, sy totofana avy eo. Ny vody gilaelina vaventy kosa, etsy an-danin’izany, dia tokony ho 13 santimetatra ny halalin’ny lavaka hambolena azy. Mba hisorohana ny fifanizinana be loatra eo an-jaridaina, dia tokony hoelanelanina eo amin’ny valo santimetatra eo ho eo ny vody gilaelina antonontonony, ary 10 ka hatramin’ny 13 santimetatra ny vody gilaelina lehibe kokoa. Raha manadio sy mamboly amim-pitandremana ny vody gilaelina vaventy anananao ianao, dia afaka manantena hovalian-tsoa, volana vitsivitsy aorian’izay, ka hahita fisehoan-javatra tsy hay lazaina — gilaelina marevaka sy kanto na dia mora simba aza.
[Sary, pejy 16]
Dantelina Orkide
[Sary, pejy 16, 17]
Nofy Voahangy
“Monet”
Faran’ny Nofy
“Sunsport”
[Sary, pejy 17]
Meva