Nahoana no Nanao Izay Nampalahelo Ahy ny Namako?
Manontany Ny Tanora Hoe . . .
Nahoana no Nanao Izay Nampalahelo Ahy ny Namako?
“Nana-namana maromaro aho (...) Avy eo dia nanomboka ninamana tamin’ny ankizivavy iray hafa izy ireo, ary raha nanatona azy ireo aho, dia nijanona tsy niresaka izy ireo. (...) Nanomboka tsy nampiditra ahy tamin’ny zava-drehetra nataony izy ireo. Tena nampalahelo izany.” — Karen. *
MITRANGA izany na dia amin’ireo mpinamana akaiky indrindra aza. Mpinamana tsy mifankafoy izy ireo anio; nefa rahampitso dia tsy mifampiresaka akory. “Ny namana iray dia tokony ho olona azonao ianteherana sy itokisana, olona azonao itodihana, na toy inona na toy inona tarehin-javatra”, hoy i Nora, 17 taona. Indraindray anefa, dia mety hanomboka hanao tahaka ny fahavalonao ratsy indrindra ny namanao akaiky indrindra.
Iharam-pamelezana ny fisakaizana
Inona no mahatonga ny fisakaizana mamy iray hivadika ho tsy hahafinaritra? Ho an’i Sandra dia nanomboka ny zava-nanahirana, rehefa nindrana ny iray tamin’ireo akanjo amboniny tiany indrindra, i Megan, namany. “Rehefa namerina azy izy”, hoy i Sandra, “dia naloto ilay izy ary nisy rovitra kely teo amin’ny tanany. Tsy nasiany firesahana akory ilay izy, toy ny hoe tsy ho hitako izany.” Inona no tsapan’i Sandra ny amin’ny tsy fahampiam-piheverana nasehon’i Megan? “Tezitra aho”, hoy izy. “Toy ny hoe tsy nanana fanajana ny zavatro (...) na ny fihetseham-poko izy.”
Mety hampalahelo koa ny fanaovan’ny namana akaiky iray, na ny filazany, zavatra mampietry anao. Izany no nitranga tamin’i Cindy, rehefa nilaza tamin’ny antokona mpiara-mianatra taminy izy fa mbola tsy nahavaky boky anaovany famintinan-dahatsoratra. Tampoka teo dia nanomboka nandevilevy azy i Kate, namany. “Nampahamenatra ahy teo anoloan’ny namanay maromaro izy”, hoy ny tsaroan’i Cindy. “Tezitra mafy taminy aho. Tena niova ny toe-javatra taorian’izay.”
Indraindray dia mitranga ny fisarahana, rehefa manomboka miaraka amin’ny ankizy hafa ny namana iray. “Nana-namana nahafinaritra iray izay lasa niaraka tamin’io antokon’ankizy io aho”, hoy i Bonnie, 13 taona. “Nanomboka tsy niraharaha ahy izy.” Na, angamba ianao manomboka mahatsikaritra antony manosika miafina eo amin’ny fiarahan’ny namana iray aminao. “Tena mpinamana be izahay sy i Bobby”, hoy i Joe, 13 taona. “Nihevitra aho fa ny toetrako no nitiavany ahy, nefa hitako fa ny hany nitiavany ahy dia satria miasa ao amin’ny fanaovana dokam-barotra ny raiko, ka afaka mahazo karatra sokajy ambony foana izy hijerena lalao ara-panatanjahan-tena sy rindran-kira.” Inona no tsapan’i Joe izao? “Tsy hitoky intsony amin’i Bobby aho!”, hoy izy.
Amin’ny toe-javatra sasany, ny namana iray dia mety hilaza amin’ny hafa zavatra izay nirinao
hotazonina ho tsiambaratelo. I Allison, ohatra, dia niresaka tamin’i Sara namany, momba ny zava-manahirana manokana nahazo ny mpiara-miasa iray. Ny ampitson’iny i Sara dia niresaka ilay raharaha teo anatrehan’ilay mpiara-miasa mihitsy. “Tsy nieritreritra azy ho petsam-bava toy izany mihitsy aho!”, hoy i Allison. “Nisafoaka aho.” Toy izany koa no nihatra tamin’i Rachel, 16 taona, rehefa namosaka zavatra izay noresahin’izy roa vavy nitokana, ny namany akaiky iray. “Nahatsiaro tena ho menatra sy nisy namadika aho”, hoy i Rachel. “Hoy aho anakampo: ‘Ahoana no hamborahako tsiambaratelo aminy indray?’ ”Ny fisakaizana dia afaka manome loharanom-panohanana ara-pihetseham-po, indrindra rehefa misy fifampiahiana sy fifampitokisana ary fifanajana. Na izany aza, dia tratran’ny fotoam-pihenjanana na dia ny fisakaizana akaiky aza. Manamarika toy izao amim-pahatsorana ny Baiboly: “Misy mpinamana vonona hifamotika”. (Ohabolana 18:24, NW ). Na inona na inona antony, dia mahakivy ny fahatsapana fa namadika anao ny namanao. Nahoana no mitranga izany?
Ny antony mampihozongozona ny fisakaizana
Tsy misy amin’ny fifandraisan’ny samy olona — na eo amin’ny tanora izany, na eo amin’ny olon-dehibe — afaka amin’ny zava-manahirana. Rehefa dinihina, izany dia tsy misy hafa amin’izay nosoratan’i Jakoba, mpianatra kristianina toy izao: “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.” (Jakoba 3:2; 1 Jaona 1:8). Koa satria manao fahadisoana ny rehetra, dia azo ampoizina tsotra izao, fa na ho ela na ho haingana, dia hanao na hiteny zavatra izay mampalahelo anao ny namana iray. Mety hotsaroanao mihitsy aza fa efa nisy fotoana nanaovanao izay nampalahelo izany olona izany koa. (Mpitoriteny 7:22). “Tsy lavorary isika rehetra, ka mifanorisory indraindray”, hoy i Lisa, 20 taona.
Ankoatra ny tsy fahalavorarian’olombelona, dia mety hisy anton-javatra hafa tafiditra. Tadidio, fa rehefa mihalehibe sy mihamatotra ianao, dia miova ny zavatra mahaliana anao — ary koa ny an’ny namanao. Araka izany, ny olon-droa izay nanan-javatra niombonana betsaka taloha, dia mety hahita fa tsy hitovy zavatra tiana, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Nitaraina toy izao momba ny namany akaiky indrindra ny zatovovavy iray: “Tsy mifampiantso an-telefaonina matetika izahay, ary rehefa tafaresaka tokoa izahay, dia tsy mitovy hevitra firy intsony amin’ny zava-drehetra.”
Mazava ho azy, fa zavatra hafa ny hoe tsy mitovy zavatra tiana fotsiny. Nahoana anefa ny olona sasany no manao izay mampalahelo ny namany? Misy fialonana ao matetika. Ohatra, mety hanomboka hahatsapa lonilony aminao ny namana iray, noho ny talentanao na ny zava-bitanao. (Ampitahao amin’ny Genesisy 37:4; 1 Samoela 18:7-9.) Milaza ny Baiboly fa ‘ny fialonana dia fahalovana ho an’ny taolana’. (Ohabolana 14:30, NW ). Miteraka fitsiriritana sy fifandirana izy io. Na inona na inona antony, inona no azonao atao raha manao izay mampalahelo ny namana iray?
Fanarenana ny tsy nety
“Voalohany”, hoy i Rachel, “dia nandinika ilay olona aho ary niezaka namantatra, raha nanao fanahy iniana izy.” Rehefa iharam-pahavoazana noho ny teny na ny zavatra natao izay tsapanao fa manevateva anao ianao, dia aza tonga dia manao zavatra noho ny fihetseham-po fotsiny. Manàna kosa faharetana ary eritrereto tsara ilay raharaha. (Ohabolana 14:29). Tena hanatsara ny toe-javatra tokoa ve ny fanaovanao zavatra haingana ho setrin’ilay fanevatevana? Rehefa avy mandinika ianao, dia mety hifidy ny hanaraka ilay torohevitra ao amin’ny Salamo 4:4 hoe: “Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna.” Avy eo ianao dia mety hifidy ny hamela ‘ny fitiavana hanarona fahotana maro’. — 1 Petera 4:8.
Ahoana anefa raha tsapanao ho tsy afaka ny hanadino tsotra izao ilay fihetsika nampalahelo anao ianao? Raha izany no izy, dia mety ho tsara indrindra ny manatona ilay olona. “Mifanatreha, ianareo sy ilay olona fotsiny, ary resaho izay nitranga”, hoy i Frank, 13 taona. “Raha tsy manao izany ianao, dia hihazona lolompo.” Nihevitra toy izany koa i Susan, 16 taona. “Ny zavatra tsara indrindra tokony hatao”, hoy izy, “dia ny miteny amin’izy ireo fa natoky azy ianao ary nandiso fanantenana anao izy ireo.” Aleon’i Jacqueline koa mandamin-javatra manokana. “Miezaka miresaka tsy an-kifonofono aho”, hoy izy. “Mazàna no mitsotra aminao ilay olona, ary afaka mandamina ilay zava-manahirana avy hatrany ianao.”
Mazava ho azy fa tokony hitandrina ianao mba tsy hanatona ny namanao ao anatin’ny fipoahan’ny fahatezerana. Milaza toy izao ny Baiboly: Ohabolana 15:18). Koa miandrasa àry mandra-pahatony anao, alohan’ny hanandramana handamina ilay toe-javatra. “Tezitra ianao amin’ny voalohany”, hoy i Lisa, “nefa tokony hamela ny tenanao ho tony ianao. Miandrasa mandra-pahatonganao tsy ho tezitra mafy amin’ilay olona. Avy eo, dia afaka mankany amin’ilay olona sy mipetraka ary miresaka amim-pihavanana ianao.”
“Izay malaky tezitra manetsika ady; fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.” (“Amim-pihavanana”, zava-dehibe izay teny izay. Tadidio fa tsy ny handevilevy ny namanao no tanjonao, fa ny handamin-javatra amim-pisakaizana sy ny hamerina indray ny fisakaizana, raha mbola azo atao koa. (Salamo 34:14). Koa izay tena ao am-ponao àry lazaina. “Afaka milaza toy izao ianao: ‘Namanao aho, ary namako ianao; nefa mila ny mahafantatra izay nitranga fotsiny aho’ ”, hoy ny fanoloran-kevitr’i Lisa. “Mila ny mahafantatra ny antony nanosika azy hanao ilay fihetsika ianao. Raha vao fantatrao izany, dia tsy sarotra loatra mazàna ny manao izay handaminana izany.”
Azo antoka fa tsy hety ny hanandramana hamaly faty, angamba amin’ny fifosana ilay olona na amin’ny fiezahana hitaona ny hafa hiandany aminao. Nanoratra toy izao tamin’ireo Romanina i Paoly apostoly kristianina: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza.” (Romana 12:17). Marina tokoa fa na mety ho lalina toy inona aza ny alahelonao, dia tsy hanao afa-tsy ny hanaratsy kokoa ilay raharaha ny famaliana faty. “Tsy tokony hamaly faty”, hoy i Nora, “satria tsy ho mpinamana indray intsony ianareo.” Mifanohitra amin’izany, hoy ny nanampiny, fa ny fanaovana araka izay fara herinao mba hamitranana ny fihavanana dia “hahatonga anao hahatsapa ho olona tsara kokoa”.
Ahoana anefa raha tsy mihontsina eo anoloan’ny fanandramanao hamitram-pihavanana ny namanao? Raha izany no izy, dia tadidio fa misy ambaratonga samihafa ny fisakaizana. “Tsy ny namana rehetra akory no namana akaiky”, hoy i Judith McCleese, mpanolo-tsaina momba ny fianakaviana. “Fantaro fa afaka manana karazam-pifandraisana samy hafa ianao.” Na izany aza, dia afaka mahazo fampiononana ianao amin’ny fahalalana fa nanao ny anjaranao ianao mba hamerenana indray ny fihavanana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha azo atao, [raha mbola miankina aminareo koa, “NW” ], dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:18.
Handia fotoan-tsarotra na dia ny fisakaizana akaiky indrindra aza. Raha afaka mamakivaky soa aman-tsara ilay fotoan-tsarotra ianao, ka tsy mamela azy io hanimba ny fomba fijerinao ny hafa, na hanimba ny hajan’ny tenanao, dia eo an-dalam-pahatongavana ho olon-dehibe matotra ianao. Na dia misy olona sasany mety ho “vonona hifamotika” aza, dia manome toky antsika koa ny Baiboly fa ‘misy sakaiza mifikitra mafy kokoa noho ny rahalahy’. — Ohabolana 18:24; NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.
[Sary, pejy 15]
Afaka mamerina indray ny fisakaizana ianao amin’ny firesahana momba izay nitranga