Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Pesta Mainty — Loza Namely An’i Eoropa Tamin’ny Moyen Âge

Ny Pesta Mainty — Loza Namely An’i Eoropa Tamin’ny Moyen Âge

Ny Pesta Mainty — Loza Namely An’i Eoropa Tamin’ny Moyen Âge

Avy amin’ny masoivohon’ny MIFOHAZA! any Frantsa

Ny taona 1347 tamin’izay. Efa nandrava ny Extrême-Orient ilay valanaretina. Izao izy dia tonga tatỳ amin’ny morony atsinanan’i Eoropa.

IREO Mongols dia teo am-panaovana fahirano ny tanàna fivarotana nimandan’i Caffa nisy an’ireo Génois, izay antsoina ankehitriny hoe Feodosiya, any Crimée. Efa matin’ilay aretina hafahafa ny ankamaroan’ireo Mongols, ka nampitsahatra ny fanafihany. Talohan’ny nialany anefa, dia nanao famelezana farany nahafaty izy ireo. Nampiasa fitaovana goavana izy ireo mba hanipazana ny vatana mbola mafanan’ireo matin’ilay valanaretina, nihoatra ny mandàn’ilay tanàna. Tatỳ aoriana, rehefa nisy vitsivitsy tamin’ireo Génois mpiaro tanàna niondrana an-tsambo mba handosirana ilay tanàna, izay efa nanjakan’ilay valanaretina izao, dia nampihanaka ilay aretina tany amin’ny seranana rehetra notsidihiny izy ireo.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nahenika an’i Eoropa manontolo ilay valanaretina nitondra fahafatesana. Vetivety izy io dia nihanaka tany Afrika Avaratra, Italia, Espaina, Angletera, Frantsa, Aotrisy, Hongria, Soisa, Alemaina, Skandinavia, ary ireo tany baltika. Tao anatin’ny roa taona mahery kely, ny maherin’ny ampahefatry ny mponin’i Eoropa, olona 25 tapitrisa teo ho eo, dia matin’ilay nantsoina hoe “ilay loza demôgrafika mafy indrindra fantatry ny taranak’olombelona hatramin’izay” — ny Pesta Mainty. *

Izay nitarika ho amin’ny fiparitahan’ilay loza

Tsy ilay aretina fotsiny no voafaoka tao amin’ilay lozan’ny Pesta Mainty. Nisy anton-javatra maromaro — anisan’izany ny hafanam-po ara-pivavahana — nahatonga io loza io ho mafy kokoa. Ohatra iray amin’izany ny foto-pampianarana ny amin’ny afofandiovana. “Tamin’ny faran’ny taonjato faha-13, dia ninoana hatraiza hatraiza ny afofandiovana”, hoy ilay mpahay tantara frantsay atao hoe Jacques le Goff. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-14, i Dante dia namoaka ilay asa sorany be mpamaky hoe La Divine Comédie, nisy filazalazana toa hitan’ny maso momba ny afobe sy ny afofandiovana. Nisy àry rivo-piainana ara-pivavahana nitombo, ka tao amin’izany, dia nahagaga fa nirona ho tsy rototra sy nanaiky tsy satry ny olona, teo anoloan’ilay valanaretina, ka nihevitra azy io ho sazy avy tamin’Andriamanitra mihitsy. Araka ny ho hitantsika, izany fomba fijery nanjombona izany dia vao mainka nampihanaka ilay aretina, raha ny marina. “Inona indray moa no hanome vahana kokoa ny fihanahan’ilay valanaretina ankoatra izany!”, hoy ny fanamarihan’ilay boky The Black Death, nosoratan’i Philip Ziegler.

Avy eo, dia teo koa ny fiverimberenan’ilay olana ny amin’ny faharatsiam-bokatra tatỳ Eoropa. Ho vokany, dia tsy ampy sakafo ny mponina nitombo be tatỳ amin’ilay kôntinanta, ka tsy ampy hery hanoherana aretina.

Nihanaka ilay valanaretina

Araka ny voalazan’i Guy de Chauliac, dokotera manokan’ny Papa Clément VI, dia nisy karazany roa ilay valanaretina nanafika an’i Eoropa: pesta mahavoa ny havokavoka sy mahatonga atodintarina. Nolazalazainy tamin’ny an-tsipiriany ny mombamomba ireo aretina ireo, ka izao no nosoratany: “Naharitra roa volana ilay voalohany, narahin’ny fanaviana nitohy sy ny fisian’ny ra tsy an-kijanona tamin’ny rehoka, ary maty tao anatin’ny telo andro izay voan’izy io. Naharitra hatramin’ny faran’ilay fotoana nisian’ilay valanaretina ilay faharoa, narahin’ny fanaviana nitohy koa, saingy nisy vay [nisy nana] sy fivontosana naharary teo amin’ny faritra ivelany amin’ny vatana, indrindra fa tao ambany helika sy teo amin’ny teta. Maty tao anatin’ny dimy andro izay voan’izy io.” Tsy afaka nampitsahatra ny fandroson’ilay valanaretina ny dokotera.

Nandositra ny olona maro nihorohoro — ka nandao olona an’arivony maro tratran’ilay aretina. Anisan’ireo voalohany nandositra, mazava ho azy, ireo andriana sy matihanina nanankarena. Na dia nisy klerjy nandositra toy izany koa aza, dia relijiozy maro no niafina tao amin’ny mônasiterany, tamin’ny fanantenana ho afa-nandositra ilay aretina.

Tao anatin’izany horohoro izany no nanambaran’ny papa ny taona 1350 ho Taona Masina. Ho nahazo niditra nivantana tao amin’ny paradisa, tsy voatery handalo ny afofandiovana, ny mpanao fivahiniana masina nankany Roma! Nisy mpanao fivahiniana masina ana hetsiny maro nanoina ilay antso, ka nampihanaka ilay loza teny am-panaovany ilay dia lavitra.

Ezaka very maina

Very maina ny ezaka natao hisakanana ilay Pesta Mainty, satria tsy nisy nahalala marina ny fomba nifindran’izy io. Maro no nahatakatra fa nampidi-doza ny fifampikasohana tamin’olona iray voa — eny, fa na dia tamin’ny akanjony fotsiny aza. Nisy aza natahotra ny hojeren’ny olona iray voa! Ny mponina tao Florence, Italia, anefa dia nihevitra fa ny saka sy ny alika tao an-tanànany no nahatonga ilay valanaretina. Naripak’izy ireo ireny biby ireny, ka tsy azony an-tsaina akory fa tamin’ny fanaovana izany, dia nanome vahana zavaboary iray — ny voalavo — izay tena nampiely tokoa ilay aretina, izy ireo.

Rehefa nihanitombo ny isan’ireo maty, dia nitodika tany amin’Andriamanitra ny sasany mba hahazoana fanampiana. Nisy lehilahy sy vehivavy nanome izay nananany rehetra ho an’ny eglizy, tamin’ny fanantenana fa hiaro azy ireo tamin’ny tsy fahasalamana Andriamanitra, na fara faharatsiny, hanome azy fiainana any an-danitra ho valisoa, raha maty izy ireo. Nahatonga harena tsy toko tsy forohana ho teo am-pelatanan’ny eglizy izany. Betsaka koa no nampiasa ody mahatsara vintana, sarin’i Kristy, ary ody fiaro ho fanafody. Ny hafa nitodika tany amin’ny finoanoam-poana, ny majika ary ny fanafody sandoka mba ho sitrana. Nolazaina fa nahatonga ny tena tsy ho voan’ilay aretina ny ranomanitra, ny vinaingitra, ary ny fifangaroan-dranoka manokana. Fitsaboana iray hafa tian’ny maro ny famelana ny ra hivoaka ny vatana. Ny fianarana ho dokotera tao amin’ny Oniversiten’i Paris aza dia nilaza fa vokatry ny filaharan’ireo planeta ilay valanaretina! Tsy nahavita nampitsahatra ny fandroson’io valanaretina mpamono olona io anefa ny fanazavana sandoka sy ny “fanafody”.

Vokany maharitra

Tao anatin’ny dimy taona, dia toa nahavita ny fihazakazahany ny Pesta Mainty, tamin’ny farany. Talohan’ny faran’ilay taonjato, anefa, dia niverina inefatra izy io, fara fahakeliny. Nampitahaina tamin’ny vokatry ny Ady Lehibe Voalohany àry ny vokatry ny Pesta Mainty. “Saiky mitovy hevitra avokoa ireo mpahay tantara maoderina eo amin’ny hoe nisy vokany lalina tamin’ny toe-karena sy tamin’ny fiaraha-monina taorian’ny taona 1348, ilay valanaretina teto Eoropa”, hoy ny fanamarihan’ilay boky tamin’ny 1996 hoe The Black Death in England. Nandripaka ampahany lehibe tamin’ny mponina ilay valanaretina, ary taonjato maro tatỳ aoriana vao tafarina ny faritra sasany. Rehefa nihena ny isan’ny olona afaka niasa, dia mazava ho azy fa niakatra ny karaman’ny mpanao asa tanana. Tapi-pananana ireo mpanan-karena nanan-tany teo aloha, ka rava ny fanjakan-tompomenakely, izay marika nampiavaka ny Moyen Âge.

Tosika ho amin’ny fiovana politika sy ara-pivavahana ary ara-tsosialy àry ilay valanaretina. Talohan’ny nisehoan’izy io, dia ny fiteny frantsay no nampiasaina teo amin’ireo kilasin’olona nahita fianarana tatsy Angletera. Nahatonga ny fiteny anglisy hihoatra ny fiteny frantsay tatsy Grande-Bretagne anefa ny fahafatesan’ny mpampianatra frantsay maro be. Nahatratra ny sehatra ara-pivavahana koa ny fiovana. Araka ny marihin’i Jacqueline Brossollet, mpahay tantara frantsay, dia “matetika tokoa ny Eglizy no niantso olona bado sy tsy nafana fo akory”, satria tsy ampy ny olona nilatsaka ho mompera. Manizingizina i Brossollet fa “anisan’ny antony niteraka ny Fanavaozana ny hoe nikororosy fahana ny foibe fampianarana sy ara-pinoan[’ny eglizy]”.

Azo antoka fa namela marika teo amin’ny zavakanto ny Pesta Mainty, satria ny fahafatesana dia nanjary loha hevitra nahazatra ny mpanao zavakanto. Nanjary fantatry ny besinimaro ho mariky ny herin’ny fahafatesana ilay dihim-pahafatesana nalaza, nampiseho karana (squelette) sy faty. Koa satria tsy azo antoka ny hoavy, dia nanary ny fifehezan-tena rehetra ny olona maro tsy maty tamin’ilay valanaretina. Araka izany, dia nietry ambany dia ambany ny fitondran-tena. Raha ny amin’ny eglizy, dia “nahatsapa ny olona tamin’ny Moyen Âge fa nandiso fanantenana azy ny Egliziny” noho ny tsy nahavitany nisakana ny Pesta Mainty. (The Black Death). Misy mpahay tantara milaza koa fa ireo fiovana sosialy nanaraka izany ary nateraky ny Pesta Mainty dia nampirisika ny fitadiavan-tombony ho an’ny tena ihany sy ny fandraharahana ary nampitombo ny fiovaovana sosialy sy ara-toe-karena: izay nanokatra ny lalana ho amin’ny kapitalisma.

Nanosika fitondram-panjakana maro hanorina fomba fitandroam-pahadiovana koa ilay Pesta Mainty. Rehefa nihena ilay valanaretina, dia nandray fepetra ny tanànan’i Venise mba hanadio ny arabeny. Toy izany koa fa nandidy ny hanadiovana ny arabe i Jean II, mpanjakan’i Frantsa, antsoina hoe ilay Tsara Fanahy, mba tsy hisy valanaretina handrahona intsony. Nandray io fepetra io ilay mpanjaka rehefa avy nahafantatra fa nisy dokotera grika tranainy iray nahavonjy ny tanànan’i Atena tamin’ny valanaretina iray tamin’ny alalan’ny fanadiovana sy ny fanasana ny arabe. Voadio ihany tamin’ny farany ny arabe maro tamin’ny Moyen Âge, izay tena fanarian-drano maloto niharihary teo aloha.

Anisan’ny lasa ve?

Tamin’ny 1894 anefa vao voavak’i Alexandre Yersin, Frantsay mpanao fikarohana momba ny bakteria, ilay basiliosy nahatonga ny Pesta Mainty. Nomena ny anarany, ka nantsoina hoe Yersinia pestis, ilay izy. Efa-taona tatỳ aoriana, dia nahita ny anjara asan’ny parasy (entin’ny biby mpikiky) eo amin’ny famindrana ilay aretina i Paul-Louis Simond, Frantsay iray hafa. Tsy ela dia nisy vaksiny natao, izay nahita fahombiazana voafetra.

Anisan’ny lasa ve ilay valanaretina? Tsy izany velively. Tamin’ny ririnin’ny 1910, dia nisy olona 50 000 matin’ilay loza tany Mandchourie. Ary isan-taona ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana dia mandrakitra an-tsoratra olona an’arivony maro vao voa ary mitombo hatrany ilay tarehimarika. Nisy karazana pesta vaovao koa vao hita — karazany tsy andairan’ny fitsaboana. Eny, manohy mandrahona ny taranak’olombelona foana ilay valanaretina, raha tsy hoe mifikitra amin’ny fari-pitsipi-pahadiovana fototra angaha ny olona. Ilay boky hoe Pourquoi la peste? Le rat, la puce et le bubon (Nahoana no Misy Pesta? Ny Voalavo sy ny Parasy ary ny Atodintarina), izay natontan’i Jacqueline Brossollet sy i Henri Mollaret, araka izany, dia nanatsoaka hevitra fa “tsy aretin’i Eoropa fahiny tamin’ny Moyen Âge velively (...) ilay valanaretina, fa mampalahelo fa angamba aza aretin’ny hoavy”.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nantsoin’ny olona tamin’izany fotoana izany hoe ilay areti-mandringana lehibe na ilay valanaretina ilay izy.

[Teny notsongaina, pejy 23]

Nanome izay nananany rehetra ho an’ny eglizy ny lehilahy sy ny vehivavy sasany, tamin’ny fanantenana fa hiaro azy ireo tamin’ny tsy fahasalamana Andriamanitra

[Efajoro/Sary, pejy 24]

Ny Sektan’ny Mpikapo-tena

Noho ny fiheverana fa sazy avy tamin’Andriamanitra ilay valanaretina, dia nisy nitady hampitony ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanakaravasiana tena, na fikapohan-tena. Ny Firahalahian’ny Mpikapo-tena, fihetsiketsehana nolazaina fa nanana mpikambana niisa hatramin’ny 800 000, dia nahatratra ny fara tampon’ny lazany nandritra ny Pesta Mainty. Nandrara ny firesahana tamim-behivavy, ny fanasan-damba ary ny fisoloana akanjo ny lalàn’ilay sekta. Natao ampahibemaso indroa isan’andro ny fikapohan-tena tamin’ny karavasy.

“Anisan’ireo fomba vitsy nanomezana fahafaham-po ny mponina raiki-tahotra ny fikapohan-tena”, hoy ny fanamarihan’ny boky Medieval Heresy. Nalaza koa ireo mpikapo-tena teo amin’ny fanalana sarona ny ambaratongam-pahefan’ny eglizy, sy teo amin’ny fanimbana tsikelikely ny fomban’ny eglizy amin’ny famotsoran-keloka nahazoany vola be. Tsy mahagaga firy àry raha nomelohin’ny papa ilay sekta tamin’ny 1349. Tamin’ny farany anefa, dia nanjavona ho azy ilay fihetsiketsehana rehefa nitsahatra ilay Pesta Mainty.

[Sary]

Nitady hampitony an’Andriamanitra ny Mpikapo-tena

[Sary nahazoan-dalana]

© Bibliothèque Royale de Belgique, Bruxelles

[Sary, pejy 25]

Ilay valanaretina tany Marseilles, Frantsa

[Sary nahazoan-dalana]

© Cliché Bibliothèque Nationale de France, Paris

[Sary, pejy 25]

Nanavaka ilay basiliosy niteraka ilay loza i Alexandre Yersin

[Sary nahazoan-dalana]

Culver Pictures