Fantatrao ve?
Fantatrao ve?
(Hita ao amin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly omena eto ny valin’ity fitsapam-pahalalana ity, ary aseho eo amin’ny pejy faha-31 ny lisitra feno misy ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia zahao ny boky “Étude perspicace des Écritures”, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.)
1. Fitenenana inona no nampiasain’i Jesosy matetika mba handentehana tao an-tsain’ireo mpihaino azy ny fahamarinan’izay zavatra nolazainy? (Matio 5:18)
2. Iza no nolazaina hoe: “Ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo”? (1 Tantara 12:8-14)
3. Ny anaran’iza mazàna no ampifandraisina amin’ireo mpiady mahery fon’i Davida, nantsoina hoe Joaba sy Abisay ary Asahela? (2 Samoela 2:18)
4. Na dia mety hankahalaina noho ny anaran’i Jesosy aza ny olona iray, inona no nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy hataon’izany olona izany mba hahavoavonjy azy? (Marka 13:13)
5. Firy ny zanakalahin’i Hamana, izay novonoina avokoa ho vokatry ny fankahalan’i Hamana ny Jiosy? (Estera 9:10)
6. Karazan-javaboary ara-panahy inona no nikasika ny molotr’i Isaia tamin’ny vainafo nivaivay mba hahafahan’i Isaia hanatanteraka ny asa ara-paminaniana nanendrena azy? (Isaia 6:6)
7. Iza moa ilay “mpitandrina ny fananan’i” Heroda, ilay vadin’i Johana, izay nanompo an’i Jesosy? (Lioka 8:3)
8. Toeram-piandraiketana inona no nampirisihan’i Paoly ny lehilahy tao amin’ny kôngregasiôna mba hotratrarina? (1 Timoty 3:1, NW )
9. Iza avy no anaran’ireo ony efatra izay nisampana avy tamin’ilay “ony nivoaka avy tao Edena”? (Genesisy 2:10-14)
10. Nohazavain’i Paoly fa afaka manao inona ny masirasira kely? (Galatiana 5:9)
11. Iza avy no anaran’ireo zanak’i Noa telo mirahalahy, izay nipoiran’ny “olona tambonin’ny tany rehetra”? (Genesisy 9:18, 19)
12. Iza no rain’i Samoela mpaminany? (1 Samoela 1:19, 20)
13. Nanodidina tanàna stratejika iza, nanerinerina teo ambonin’ny Lohasahan’i Jezirela no nanaovana ady maro nisy vokany lehibe? (Mpitsara 5:19)
14. Voatsimbina ireo Gibeonita noho ny fitaka nataony, ka notendrena hanao asa inona? (Josoa 9:27)
15. Anarana inona no nomena ireo mpianatra 12 izay nofidin’ny tenan’i Jesosy? (Matio 10:2)
16. Anaram-boninahitra inona, izay an’i Jesosy irery ihany, no nolazainy tamin’ny mpianany fa tsy tokony hiantsoana azy ireo? (Matio 23:8, 10)
17. Taiza no nanoratan’i Paoly ny bokin’ny Hebreo? (Hebreo 13:24)
18. Fitenenana inona no nampiasain’i Joba mba hilazana fa kely foana no tsy nahafaty azy? (Joba 19:20)
19. Tamin’ny andro fahiny, taiza no nanasarahana ny voa tamin’ny tahony sy ny akofa? (Rota 3:3)
20. Inona avy no antony nankahalan’ny rahalahin’i Josefa azy? (Genesisy 37:3-11)
[Efajoro, pejy 31]
Valin’ny Fitsapam-pahalalana
1. “Lazaiko aminareo marina tokoa”
2. Ireo lehilahy mahery haingam-pandeha sy be herim-po avy tamin’ny fokon’i Gada, izay nikambana tamin’i Davida tany an’efitra fony izy mbola teo ambany faneren’i Saoly Mpanjaka
3. Zeroia, renin’izy ireo
4. Maharitra hatramin’ny farany
5. Folo
6. Serafima
7. Koza
8. “Ny anjara raharahan’ny mpiandraikitra”
9. Pisona, Gihona, Hidekela ary Eofrata
10. Mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa
11. Sema sy Hama ary Jafeta
12. Elkana
13. Megido
14. Nanjary ‘mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah’ izy ireo
15. Apostoly
16. Raby sy Mpitarika
17. Italia
18. “Ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra”
19. Tany am-pamoloana
20. Noho izy tian’ny rainy kokoa, ary noho ny nofiny