LESONA 15
Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?
Tsy misy mpitondra fivavahana karamaina ao aminay. Toy ny tamin’ny fiangonana kristianina fahiny, dia misy mpiandraikitra mahay tendrena ‘mba hiandry ny fiangonana.’ (Asan’ny Apostoly 20:28) Anti-panahy no iantsoana azy ireo, ary mifandray tsara amin’Andriamanitra izy ireo. Miandraikitra ny fiangonana sy manao ny asan’ny mpiandry ry zareo. “Tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo” no anaovany an’izany, ary “tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana.” (1 Petera 5:1-3) Inona avy àry ny andraikiny?
Mikarakara sy miaro anay izy ireo. Manome tari-dalana sy manampy ny fiangonana hifandray tsara amin’i Jehovah ny anti-panahy. Fantatr’izy ireo fa andraikitra lehibe nankinin’Andriamanitra taminy izany. Tsy manjakazaka àry izy ireo fa manampy anay ho faly sy mitady izay hahasoa anay foana. (2 Korintianina 1:24) Toy ny mpiandry ondry miasa mafy mba hikarakarana ny ondriny, dia miezaka be koa ny anti-panahy mba hahafantatra tsara ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana.—Ohabolana 27:23.
Mampianatra anay hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Ny anti-panahy no mitarika ny fivoriana ataon’ny fiangonana isan-kerinandro, mba hahatonga anay hanana finoana matanjaka. (Asan’ny Apostoly 15:32) Be zotom-po koa izy ireo sady mitarika ny asa fitoriana. Miara-mitory aminay izy ary mampiofana anay hitory sy hampianatra.
Mampahery anay izy ireo. Miresaka aminay ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-tranonay ny anti-panahy, mba hanampy sy hampahery anay amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Amin’izay mifandray tsara amin’i Jehovah foana izahay.—Jakoba 5:14, 15.
Tsy maintsy miasa sy mikarakara ny fianakaviany koa anefa ny ankamaroan’ny anti-panahy, ary mitaky fotoana izany. Tena miasa mafy izy ireo ka tokony hohajaina.—1 Tesalonianina 5:12, 13.
-
Inona ny andraikitry ny anti-panahy?
-
Inona no ataony mba hampaherezana antsika?