INDONEZIA
“Eto no Tiako Hanombohana Azy”
Nivezivezy tao amin’ny biraony i Alexander MacGillivray, mpikarakara ny sampana tany Aostralia. Nisy olana nampiasa saina azy mantsy, ary efa andro maromaro izy no nitady vahaolana. Nahita ihany izy tamin’ny farany, ary nila niresaka tamin’i Frank Rice.
Mpisava lalana mahery fo i Frank, ary 28 taona izy. Mbola tanora kely izy no nahita ny fahamarinana, ary nanao mpisava lalana tsy ela taorian’izay. Nitory tany amin’ny faritra maro eran’i Aostralia izy nandritra ny folo taona mahery. Nampiasainy daholo na soavaly, na bisikileta, na môtô, na tranofiara. Efa herinandro vitsivitsy izy no tonga tao amin’ny Betela, ary vonona handeha any amin’ny faritany vaovao.
Nantsoin’i MacGillivray tao amin’ny biraony i Frank. Notondroiny ny sarintanin’ireo nosy eo avaratr’i Aostralia sady hoy izy: “Frank a! Ahoana raha asaina manokatra faritany eto ianao? Tsisy rahalahy mihitsy amin’ireto nosy ireto na iray aza.”
Nifantoka tany amin’ireo nosy toy ny perla teo amin’ny Oseana Indianina ny mason’i Frank. I Holandy any Atsinanan’i Inde izy ireo, na Indonezia ankehitriny. * Mbola tsy nandre ny vaovao tsara mihitsy ireo olona an-tapitrisany tany. Nanondro an’i Batavia renivohitra (Jakarta ankehitriny) i Frank, sady niteny hoe: “Eto no tiako hanombohana azy.”
Nitory teto Java
Tonga teto Jakarta i Frank Rice tamin’ny 1931. Tanàna lehibe sy maresaka i Jakarta ary eo amin’ny Nosy Java no misy azy. Nanofa trano teto i Frank. Baoritra nisy boky ara-baiboly no nameno an’ilay izy ka gaga ilay vehivavy tompon-tranony.
Hoy i Frank: “Nahatsiaro ho very aho tamin’ny voalohany sady manina ny tany aminay. Akanjo fotsy maivana sy satroka jobo no nanaovan’ny olona, fa izaho matin’ny hafanana tao anatin’ny akanjo aostralianina matevim-be. Tsisy haiko na ny teny holandey na ny teny indonezianina. Nivavaka àry aho ary nieritreritra
hoe tsy maintsy misy olona miteny anglisy any amin’ny faritra be mpandraharaha. Tany aho no nitory voalohany ary nahita vokatra tsara.”Niteny holandey ny ankamaroan’ny olona teto Jakarta, ka niezaka mafy i Frank mba hahay an’ilay izy na dia kely aza. Nanomboka nitory isan-trano izy avy eo. Nianatra teny indonezianina koa izy ary nihanahay tsikelikely. Hoy i Frank: “Ny olana fotsiny dia izaho tsy nanana boky tamin’ny teny indonezianina. Notarihin’i Jehovah ho any amin’ny mpampianatra iray aho avy eo. Liana tamin’ny fahamarinana izy io ary nanaiky handika ny bokikely Aiza moa Ireo Maty? Betsaka ny bokikely voadika taorian’izay ary tsy ela dia maro ny Indonezianina lasa liana tamin’ny fahamarinana.”
Tonga teto i Clem Deschamp, 25 taona, sy Bill Hunter, 19 taona, tamin’ny Novambra 1931. Mpisava lalana avy any Aostralia koa izy roa lahy. Nitondra tranofiara izy ireo, ary io no anisan’ny tranofiara voalohany teto Indonezia. Nianatra teny holandey vitsivitsy izy ireo ary nitety ny tanàn-dehibe teto Java.
Nanomboka nitory teto koa i Charles Harris, mpisava lalana mahery fo avy any Aostralia, tamin’ny 1935. Voatetiny tamin’ny tranofiara sy bisikileta ny ankamaroan’ny tanàna teto Java. Nahapetraka boky sy gazety tamin’ny teny anglisy, arabo, holandey, indonezianina, ary sinoa izy. Nahatratra 17 000 teo ho eo isan-taona ny boky voapetrany, nandritra ny taona vitsivitsy.
Maro no gaga rehefa nahita ny habetsahan’ny boky nozarain’i Charles. Nanontany an’i Clem Deschamp, ohatra, ny manam-pahefana iray teto Jakarta hoe: “Fa firy ny namanareo mitory any Java Atsinanana?”
“Iray ihany”, hoy ny Rahalahy Deschamp.
Nibetroka ilay manam-pahefana hoe: “Izaho ve dia hino an’izany? Tsy maintsy ho vahoaka be mihitsy no mitory any, matoa be dia be ny boky voazara etsy sy eroa!”
Nifindrafindra foana ny mpisava lalana tamin’izany, satria te hitory amin’ny olona faran’izay betsaka. Hoy i Bill Hunter: “Notetezinay ilay nosy, ary mahalana vao nisy olona niresahanay indroa.” Be dia be ny voan’ny fahamarinana nafafin’ireny mpisava lalana ireny, ary namoa be izany tatỳ aoriana.—Mpito. 11:6; 1 Kor. 3:6.
Nandre ny vaovao tsara ny tany Sumatra
I Sumatra no nosy lehibe indrindra fahenina eran-tany. Feno tendrombohitra mikitoantoana izy io ary lalovan’ny ekoatera. Misy tanàn-dehibe, toeram-pambolena, heniheny, ary ala mikitroka koa any. Nifampidinika ireo mpisava lalana teto Java, tamin’ny 1936 tany ho any, hoe ahoana no hitoriana any Sumatra.
Tapa-kevitra izy rehetra fa i Frank Rice no halefa. Nanambatra ny vola keliny izy ireo mba hataon’i Frank saran-dalana. Tonga tany Medan, any Sumatra Avaratra, i Frank tsy ela taorian’izay, niaraka tamin’ny kitapo roa hoentina mitory, baoritra 40 feno boky, ary vola kely. Tena nanam-pinoana izy. Tonga izy dia nikatroka, sady natoky hoe hanome izay ilainy i Jehovah mba hahavitany ny asa nanendrena azy.—Mat. 6:33.
Nihaona tamin’ny Holandey iray i Frank, ny herinandro farany nitoriany tany Medan. Tsara fanahy io lehilahy io ary nanasa azy hisotro kafe. Nilaza taminy i Frank hoe mila fiara izy hitoriana eran’ilay nosy. Notondroin’ilay lehilahy ny fiara iray efa simba teo an-tokotaniny, sady hoy izy: “Homeko anao 100 florins io raha vitanao ny manamboatra azy.” *
“Tsy manana 100 florins aho”, hoy i Frank.
Nibanjina an’i Frank ilay lehilahy sady niteny hoe: “Tena te hitory eran’i Sumatra tokoa ve ianao?”
“Ie!”, hoy i Frank.
Dia hoy izy: “Ento àry io raha vitanao ny manamboatra azy e! Dia aloavy fotsiny ny volako rehefa manana ianao.”
Namboarin’i Frank tokoa ilay fiara ary tsy ela dia
nandeha. Nanoratra toy izao izy, tatỳ aoriana: “Nofenoiko boky sy gazety ny fiara, nofenoiko koa ny fitoeran-tsolika, dia lasa aho nitory tamin’ny mponin’i Sumatra sady natoky tanteraka an’i Jehovah.”Vitan’i Frank tao anatin’ny herintaona ilay nosy manontolo. Namidiny 100 florins ilay fiara rehefa tafaverina teto Jakarta izy, ary nalefany tany amin’ilay Holandey tany Medan ilay vola.
Naharay taratasy avy any Aostralia i Frank, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nasaina hanokatra faritany tany Indochine (Kambôdza sy Laos ary Vietnam ankehitriny) izy. Nahorony avy hatrany ny entany dia nanainga izy.
^ feh. 4 Tonga mba hanjana-tany teto Indonezia ny Holandey 300 taona teo ho eo talohan’io, satria hitan’izy ireo hoe nahazoam-bola be ny fivarotana zava-manitra. Anaran-toerana amin’izao fotoana izao no ampiasaina ato.
^ feh. 3 Mitovitovy amin’ny 1 100 dolara (Ar 3 000 000 mahery) ankehitriny izany.