Manam-paharetana
Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy?
Jereo koa ny Ne 9:30
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Je 7:23-25—Nohazavain’i Jehovah hoe nanam-paharetana be tamin’ilay vahoakany nikiry tsy nankatò izy
2Pe 3:3-9, 15—Nohazavain’ny apostoly Petera hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy ary nahoana. Nolazainy koa anefa hoe misy fetrany izany
Nahoana isika no tokony hiezaka hanam-paharetana?
Oh 25:15; Ef 4:1-3; 2Ti 2:24, 25; 4:2
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Ge 39:19-21; 40:14, 15, 23; 41:1, 9-14—Namidy ho andevo i Josefa ary nogadraina tsy ara-drariny nandritra ny taona maro tany Ejipta. Nanam-paharetana anefa izy ka niaritra an’izany sady nanam-pinoana foana
He 6:10-15—Niresaka momba ny modely nomen’i Abrahama ny apostoly Paoly mba hampianarana ny Kristianina hoe zava-dehibe ny manam-paharetana