Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHIRAIKA AMBIN’NY FOLO

Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao

Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao

1. Inona avy no zavatra sasany izay mety hahatonga fisaraham-bazana ao amin’ny fianakaviana?

SAMBATRA ireo izay manana fianakaviana misy fitiavana sy fahazoana ny hevitry ny hafa ary fihavanana. Antenaina fa toy izany ny fianakavianao. Mampalahelo fa fianakaviana tsy hita isa no tsy mifanentana amin’io filazalazana io ary misara-bazana noho ny antony iray na hafa. Inona no mampisara-bazana ny ankohonana? Ato amin’itỳ toko itỳ isika dia hiresaka momba ny zavatra telo. Ao amin’ny fianakaviana sasany, dia tsy mitovy fivavahana daholo ireo mpianakavy. Ao amin’ny hafa, dia mety ho samy hafa ray na reny ireo ankizy. Ao amin’ny hafa ihany koa, ny ady atao mba hitadiavana fivelomana na ny faniriana hahazo zavatra ara-nofo fanampiny, dia toa manery ireo mpianakavy hisaraka. Kanefa, ireo toe-javatra izay mampisara-bazana ny ankohonana iray dia mety tsy hisy fiantraikany eo amin’ny iray hafa. Inona no mahatonga ilay fahasamihafana?

2. Aiza no itadiavan’ny sasany tari-dalana momba ny fiainam-pianakaviana, nefa inona no loharano tsara indrindra hahitana izany tari-dalana izany?

2 Ny fomba fihevitra dia anton-javatra iray. Raha miezaka amim-pahatsoram-po hahazo ny fomba fihevitry ny ankilany ianao, dia azo inoana fa hahay hanavaka kokoa ny fomba hiarovana ny ankohonanao tafaray. Ny anton-javatra faharoa dia ny loharano anovozanao tari-dalana. Olona maro no manaraka ny torohevitry ny mpiara-miasa, ny mpiara-monina, ny mpanoratra an-gazety, na ny mpitari-dalana olombelona hafa. Ny sasany anefa nahita izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny tarehin-javatra misy azy, ary avy eo dia nampihatra izay nianarany. Amin’ny ahoana ny fanaovana izany no afaka manampy ny fianakaviana iray hitandro ny fihavanana ao amin’ny ankohonany? — 2 Timoty 3:16, 17.

RAHA TSY MITOVY FINOANA AMINAO NY VADINAO

3. a) Inona no torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana olona tsy mitovy finoana amin’ny tena? b) Inona avy no fotopoto-pitsipika fototra sasany izay mihatra, raha mpino ny iray fa ny vadiny kosa tsy mpino?

3 Ny Baiboly dia manoro hevitra mafy antsika mba tsy hanambady olona tsy mitovy finoana ara-pivavahana amintsika. (Deoteronomia 7:3, 4; 1 Korintiana 7:39). Kanefa mety ho nianatra ny fahamarinana avy tao amin’ny Baiboly taorian’ny nanambadianao ianao, fa rangahy vadinao kosa tsy toy izany. Ahoana amin’izay? Mazava ho azy fa mbola manan-kery ihany ny voadim-panambadiana. (1 Korintiana 7:10). Ny Baiboly dia manantitrantitra fa maharitra ny fehim-panambadiana, ary mampirisika an’ireo olona manambady mba handamina ireo tsy fitovian-kevitra eo aminy, toy izay handositra azy ireo. (Efesiana 5:28-31; Titosy 2:4, 5). Ahoana anefa, raha manohitra mafy ny fanarahanao ny fivavahan’ny Baiboly rangahy vadinao? Mety hitady hisakana anao tsy ho any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona izy, na mety hilaza fa tsy tiany ny vadiny raha mandeha isan-trano sy miresaka momba ny fivavahana. Inona no hataonao?

4. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny vehivavy iray mampiseho fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa raha tsy mitovy finoana aminy ny vadiny?

4 Manontania tena hoe: ‘Nahoana ny vadiko no mihevitra toy izany?’ (Ohabolana 16:20, 23). Raha tsy tena mahazo izay ataonao izy, dia mety hanahy momba anao. Na, mety hoteren’ny havany izy, satria ianao tsy mandray anjara intsony amin’ireo fombafomba izay zava-dehibe amin’izy ireo. “Rehefa tavela irery tao an-trano aho, dia nahatsiaro ho nilaozana”, hoy ny lehilahy iray. Io lehilahy io dia nihevitra fa namoy ny vadiny noho ny fivavahana. Kanefa ny hambom-po dia nisakana azy tsy hiaiky fa manirery izy. Mety hila fanomezan-toky ny vadinao hoe ny fitiavanao an’i Jehovah akory tsy midika fa latsaka noho ny tamin’ny lasa ny fitiavanao azy ankehitriny. Ataovy azo antoka ny hiara-mandany fotoana aminy.

5. Fandanjalanjana inona no tsy maintsy hazonin’ny vehivavy iray, raha hafa noho ny azy ny finoan’ny vadiny?

5 Kanefa, misy zavatra mbola lehibe kokoa aza izay tsy maintsy heverina, raha tianao ny hiatrika ilay tarehin-javatra amim-pahendrena. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampirisika mafy ny vehivavy toy izao: “Maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.” (Kolosiana 3:18). Araka izany, dia mampitandrina ny amin’ny toe-tsaina tia fahaleovan-tena izy. Fanampin’izany, amin’ny filazana hoe “araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo”, io andinin-teny io dia manondro fa ny fanekena ny vadin’ny tena dia tokony hanisy fiheverana ny fanekena ny Tompo koa. Tsy maintsy ampifandanjaina ireo.

6. Fotopoto-pitsipika inona avy no tokony hotadidin’ny vehivavy kristiana ao an-tsaina?

6 Ho an’ny Kristiana iray, ny fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona sy ny fanaovana fanambarana amin’ny hafa momba ny finoany miorina amin’ny Baiboly dia lafiny lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana marina izay tsy tokony hatao tsirambina. (Romana 10:9, 10, 14; Hebreo 10:24, 25). Inona àry no hataonao raha mandidy anao mivantana mba tsy hanaraka ny zavatra voafaritra tsara iray takin’Andriamanitra, ny olombelona iray? Hoy ny nambaran’ireo apostolin’i Jesosy Kristy: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Ny ohatr’izy ireo dia manome modely izay azo ampiharina amin’ny tarehin-javatra maro eo amin’ny fiainana. Moa ve ny fitiavana an’i Jehovah hanosika anao hanome azy ilay fifikirana izay azy ara-drariny? Etsy an-danin’izany kosa, moa ve ny fitiavanao sy ny fanajanao ny vadinao hahatonga anao hiezaka hanolotra izany fifikirana amin’i Jehovah izany amin’ny fomba izay ho azon’ny vadinao ekena? — Matio 4:10; 1 Jaona 5:3.

7. Fahatapahan-kevitra inona no tsy maintsy ananan’ny vehivavy kristiana?

7 Nanamarika i Jesosy fa tsy hety foana akory izany. Nampitandrina izy fa, noho ny fanoherana ny fanompoam-pivavahana marina, ireo mpikambana mino ao amin’ny fianakaviana sasany dia hahatsiaro ho nesorina, toy ny hoe nanjary nisy sabatra teo anelanelan’izy ireo sy ny sisa amin’ny fianakaviana. (Matio 10:34-36). Nandia izany ny vehivavy iray tany Japon. Notoherin’ny vadiny nandritra ny 11 taona izy. Nitondra azy tamin-kasiahana ny vadiny ary matetika no tsy namela azy hiditra ny trano. Nifikitra ihany anefa izy. Nanampy azy ireo namana tao amin’ny kongregasiona kristiana. Nivavaka tsy an-kijanona izy ary nanovo fampaherezana be dia be avy tamin’ny 1 Petera 2:20. Niaiky io vehivavy kristiana io fa raha mitoetra ho hentitra izy, indray andro any ny vadiny dia hiaraka aminy hanompo an’i Jehovah. Ary dia nanao izany tokoa izy io.

8, 9. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny vehivavy iray mba tsy hametrahana vato misakana tsy ilaina eo anoloan’ny vadiny?

8 Misy zavatra maro azo ampiharina azonao atao, izay hisy fiantraikany eo amin’ny fihetsiky ny vadinao. Ohatra, raha manohitra ny fivavahanao rangahy vadinao, dia aza manome azy antony marim-pototra hitarainana ny amin’ny lafin-javatra hafa. Hazony ho madio ny trano. Karakarao ny fisehoanao ivelany. Aza mitsitsy fanehoam-pitiavana sy fankasitrahana. Aza manakiana, fa manomeza ny fanohananao kosa. Asehoy fa miantehitra aminy hampihatra ny fahefan’ny loham-pianakaviana, ianao. Aza mamaly faty, raha mahatsiaro ho nanaovana ny tsy rariny ianao. (1 Petera 2:21, 23). Ekeo fa eo ny tsy fahatanterahan’olombelona, ary raha mipoitra ny fifamaliana, dia manetre tena mba ho ny voalohany hiala tsiny. — Efesiana 4:26.

9 Aza avela ho tonga antony hahatara ny sakafony ny fanatrehanao fivoriana. Azonao atao koa ny mifidy ny handray anjara amin’ny fanompoana kristiana amin’ny fotoana tsy maha-ao an-trano ny vadinao. Fahendrena ny hiezahan’ny vehivavy kristiana tsy hitory amin’ny vadiny amin’ny fotoana tsy hetezan’izany. Manaraka izao torohevitry ny apostoly Petera izao kosa izy: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo [omban’ny fanajana lalina, NW ].” (1 Petera 3:1, 2). Ireo vehivavy kristiana dia miezaka mba haneho amin’ny fomba feno kokoa ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra. — Galatiana 5:22, 23.

REHEFA ILAY VEHIVAVY NO TSY TENA KRISTIANA

10. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny lehilahy mino eo anatrehan’ny vadiny raha tsy mitovy finoana aminy izy io?

10 Ahoana raha ilay lehilahy no tena Kristiana fa ilay vehivavy kosa tsy izy? Ny Baiboly dia manome fitarihan-dalana amin’ny tarehin-javatra toy izany. Hoy izy: “Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.” (1 Korintiana 7:12). Mananatra ny lehilahy toy izao koa izy: “Aza mitsahatra ny ho tia ny vadinareo”. — Kolosiana 3:19, NW.

11. Ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray mampiseho fahaiza-manavaka sy mampihatra amim-pahaiza-mandanjalanja ny fahefany eo amin’ny vadiny, raha tsy tena Kristiana izy io?

11 Raha vadin’ny vehivavy iray tsy mitovy finoana aminao ianao, dia mitandrema manokana mba haneho fanajana ny vadinao sy fiheverana ny fihetseham-pony. Olon-dehibe izy ka mendrika ny hanana fahalalahana hanaraka ireo zavatra inoany ara-pivavahana, na dia tsy manaiky azy ireny aza ianao. Rehefa miresaka voalohany aminy momba ny finoanao ianao, dia aza manantena ny hanariany ireo zavatra ninoany hatramin’ny ela mba hanekena zavatra vaovao. Aza manao teny mamelively hoe diso ireo fombafomba ara-pivavahana nankamamin’ny vadinao sy ny fianakaviany hatramin’ny ela be, fa miezaha amim-paharetana kosa ny hiara-manjohy hevitra aminy avy amin’ny Soratra Masina. Angamba izy mahatsiaro hoe ataonao tsirambina, raha manokana fotoana be dia be ho an’ireo asan’ny kongregasiona ianao. Mety hanohitra ireo ezaka ataonao mba hanompoana an’i Jehovah izy, kanefa ny hafatra fototra tiany hampitaina dia izao fotsiny: “Mila bebe kokoa amin’ny fotoananao aho!” Manàna faharetana. Noho ny fanehoanao fiheverana amim-pitiavana, amin’ny farany izy dia mety ho azo ampiana hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina. — Kolosiana 3:12-14; 1 Petera 3:8, 9.

FAMPIOFANANA NY ANKIZY

12. Na dia samy hafa finoana aza ny lehilahy iray sy ny vadiny, ahoana no tokony hampiharana ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina eo amin’ny fampiofanana ny zanany?

12 Ao amin’ny ankohonana iray tsy tafaray ara-pivavahana, ny fampianarana ara-pivavahana ny ankizy indraindray dia manjary raharaha iadian-kevitra. Ahoana no tokony hampiharana ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina? Ny Baiboly dia manendry ilay ray mba hanana ny andraikitra voalohany hampianatra ireo ankizy, nefa ilay reny koa dia manana anjara asa lehibe. (Ohabolana 1:8; ampitahao amin’ny Genesisy 18:19; Deoteronomia 11:18, 19.) Na dia tsy manaiky ny fahefan’ny lohany tanan’i Kristy aza ilay ray, dia mbola ny loham-pianakaviana ihany.

13, 14. Raha mandrara ny vadiny tsy hitondra ny ankizy any amin’ny fivoriana kristiana, na tsy hiara-mianatra aminy, ny lehilahy iray, inona no azon’ilay vehivavy atao?

13 Ny ray tsy mino sasany dia tsy manohitra ny hampianaran’ilay reny ny ankizy momba ny raharaha ara-pivavahana. Ny hafa manohitra izany. Ahoana raha tsy mety mamela anao hitondra ny ankizy any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona rangahy vadinao, na mandrara anao mihitsy aza tsy hiara-mianatra ny Baiboly amin’izy ireo ao an-trano? Amin’izay ianao dia tsy maintsy mampifandanja adidy maromaro — ny adidinao amin’i Jehovah Andriamanitra, sy amin’ny vadinao izay lohanao, ary amin’ireo zanaka malalanao. Ahoana no ahafahanao mampifanaraka an’ireo?

14 Azo antoka fa hivavaka momba ilay raharaha ianao. (Filipiana 4:6, 7; 1 Jaona 5:14). Amin’ny farany anefa, dia ianao ihany no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny lalana harahinao. Raha manao zavatra amim-pahaiza-mandanjalanja ianao, ka ataonao mazava amin’ny vadinao fa tsy mihaika ny fahefan’ny lohany tanany akory ianao, dia mety hihena ny fanoherany amin’ny farany. Na dia mandrara anao tsy hitondra ny zanakao any amin’ny fivoriana na hitarika fampianarana ny Baiboly voalamina amin’izy ireo, aza ny vadinao, dia mbola afaka mampianatra azy ireo ihany ianao. Amin’ny resaka ataonao isan’andro sy ny ohatra tsara omenao, dia miezaha handentika ao amin’izy ireo fitiavana an’i Jehovah, finoana ny Teniny, fanajana ny ray aman-dreniny — anisan’izany ny rainy — fiahiana amim-pitiavana ny hafa, ary fankasitrahana ny fahazarana miasa amim-pahamalinana tsara. Amin’ny farany, ilay ray dia mety hahamarika ireo vokatra tsara ary mety hankasitraka ny vidin’ireo ezaka ataonao. — Ohabolana 23:24.

15. Inona no andraikitry ny ray mino eo amin’ny fanabeazana ny ankizy?

15 Raha lehilahy mpino ianao fa ny vadinao kosa tsy mpino, dia tsy maintsy miantsoroka ny andraikitra hitaiza ny zanakao “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah” ianao. (Efesiana 6:4, NW ). Eo am-panaovana izany, dia mazava ho azy fa tokony ho tsara fanahy sy be fitiavana ary hahalala ny antonona ianao eo amin’ny fifampiraharahanao amin’ny vadinao.

RAHA TSY NY AN’NY RAY AMAN-DRENINAO NY FIVAVAHANAO

16, 17. Inona avy no fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tsy maintsy tadidin’ny ankizy raha manaiky finoana hafa noho ny an’ny ray aman-dreniny izy?

16 Tsy manaitra intsony ny mahita, na dia ankizy tsy ampy taona aza, manaraka fomba fihevitra ara-pivavahana hafa noho ny an’ny ray aman-dreniny. Moa ve ianao toy izany? Raha izany no izy, dia manana torohevitra ho anao ny Baiboly.

17 Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “[Mankatoava, NW ] ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ ”. (Efesiana 6:1, 2). Voafaoka amin’izany ny fanajana mahasoa ny ray aman-dreny. Kanefa, na dia zava-dehibe aza ny fankatoavana ny ray aman-dreny, izy io dia tsy tokony hatao tsy misy fiheverana an’ilay Andriamanitra marina. Rehefa mihalehibe ny zaza iray ka manomboka mandray fanapahan-kevitra, dia mihamizaka andraikitra noho ny zavatra ataony. Izany dia marina, tsy eo amin’ny lalàna ivelan’ny fivavahana ihany, fa raha ny amin’ny lalàn’Andriamanitra indrindra indrindra. “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”, hoy ny ambaran’ny Baiboly. — Romana 14:12.

18, 19. Raha manana fivavahana hafa noho ny an’ny ray aman-dreniny ny ankizy, ahoana no ahafahan’izy ireo manampy ny ray aman-dreniny hahatakatra tsara kokoa ny finoany?

18 Raha mahatonga anao hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao ireo zavatra inoanao, dia miezaha hahazo ny fomba fihevitry ny ray aman-dreninao. Azo inoana fa hampifaly azy ireo, raha toa ianao, ho vokatry ny fianaranao sy ny fampiharanao ireo fampianaran’ny Baiboly, ka mihamanaja kokoa, sy mihamankato kokoa ary mihamazoto kokoa, raha ny amin’izay angatahin’izy ireo aminao. Kanefa, raha mahatonga anao handa zavatra inoany sy fombafomba ankamaminy manokana koa ny finoanao vaovao, dia mety hihevitra izy ireo hoe manao tsinontsinona ny lova izay niezahany homena anao ianao. Mety hatahotra ny amin’izay hahasoa anao koa izy ireo, raha tsy be mpitia eo amin’ny fiaraha-monina ny ataonao, na raha mampivily ny sainao hiala amin’ny fikatsahana zavatra heveriny fa ho afaka hanampy anao hahomby ara-nofo ilay izy. Mety ho sakana koa ny hambom-po. Mety hihevitra tokoa izy ireo hoe ny tena tianao holazaina dia hoe marina ny anao, fa ny azy kosa diso.

19 Noho izany, raha vantany vao azo atao, dia miezaha handamina ny hihaonan’ny ray aman-dreninao amin’ny loholona sasany na amin’ny Vavolombelona matotra hafa ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana. Ampirisiho ny ray aman-dreninao ho any amin’ny Efitrano Fanjakana iray, mba handrenesan’ny tenany mihitsy izay resahina any sy hahitan’ny tenany manokana hoe karazan’olona manao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny farany, dia mety hihamalefaka ny fihetsiky ny ray aman-dreninao. Na dia rehefa manohitra ka tsy azo hozongozonina aza ireo ray aman-dreny, sy manapotika ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ary mandrara ny zanany tsy hanatrika fivoriana kristiana, mazàna dia misy fahafahana hamaky teny any an-toeran-kafa, hiresaka amin’ny Kristiana hafa, ary hanao fanambarana amin’ny hafa sy hanampy ny hafa amin’ny fomba tsy voalamina. Afaka mivavaka amin’i Jehovah koa ianao. Ny tanora sasany dia voatery miandry ny fotoana maha-ampy taona azy hialana amin’ny fianakaviany, vao ho afaka hanao bebe kokoa. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny tarehin-javatra ao an-tokantrano, dia aza hadinoina ny ‘hanaja ny rainao sy ny reninao’. Ataovy ny anjaranao mba hisian’ny fihavanana ao an-tokantrano. (Romana 12:17, 18). Ambonin’ny zava-drehetra, dia katsaho ny fihavanana amin’Andriamanitra.

NY MAHA-SAROTRA NY HOE RAIKELY NA RENIKELY

20. Fihetseham-po inona avy no mety hananan’ny ankizy, raha manana raikely na renikely izy?

20 Ao amin’ny tokantrano maro, ny tarehin-javatra izay manome ny zava-tsarotra lehibe indrindra dia tsy ny fivavahana fa ny fisian’ny zana-bady. Ankohonana maro amin’izao andro izao no misy zanaka avy amin’ny fanambadian’ilay ray na ilay reny, na izy roa, teo aloha. Ao amin’ny fianakaviana toy izany, ireo ankizy dia mety hahatsapa fialonana sy tsy fahafaliana na angamba fifandonan’ny tsy fivadihana samy hafa tokony hasehony. Ho vokany, dia mety hihifika izy ireo eo anoloan’ny ezaka ataon’ilay raikeliny (na renikeliny) amim-pahatsoram-po mba ho ray (na reny) tsara. Inona no afaka manampy mba hahavanona ny fiainan’ny fianakaviana voaforona mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha?

Na tena ray (na reny) ianao na raikely (na renikely), dia miantehera amin’ny Baiboly mba hahazoana fitarihana

21. Na dia eo aza ireo toe-javatra manokana misy azy ireo, nahoana ireo raikely (sy renikely) no tokony hiantehitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mba hahazoana fanampiana?

21 Aoka ho azonao fa, na dia eo aza ireo toe-javatra manokana ireo, dia mihatra ao koa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay mahatonga ny ankohonana hafa ho vanona. Ny tsy firaharahana ireny fotopoto-pitsipika ireny dia mety ho toa handravona zava-manahirana iray izao, nefa azo inoana fa hitarika ho amin’ny ratram-po any aoriana. (Salamo 127:1; Ohabolana 29:15). Mambole fahendrena sy fahaiza-manavaka — fahendrena mba hampiharana fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra amin’ny fananana ao an-tsaina ireo soa haharitra ela, ary fahaiza-manavaka mba hamantarana ny antony mahatonga ireo mpianakavy hafa hilaza sy hanao zavatra sasany. Ilaina koa ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa. — Ohabolana 16:21; 24:3, NW; 1 Petera 3:8.

22. Nahoana no mety ho hitan’ny ankizy ho sarotra ny manaiky ny raikeliny (na renikeliny)?

22 Raha raikely (na renikely) ianao, dia mety hahatsiaro fa, fony ianao mbola naman’ilay fianakaviana, dia angamba noraisin’ireo ankizy an-tanan-droa ianao. Rehefa nanjary raikeliny (na renikeliny) anefa ianao, dia mety ho niova ny fihetsik’izy ireo. Mahatadidy ilay tena rainy (na reniny), izay tsy miara-mipetraka amin’izy ireo intsony, ireo ankizy ireo, ka mety hiady amin’ny fifandonan’ny tsy fivadihana samy hafa tokony hasehony, ary angamba mety hihevitra fa mitady hanesotra amin’izy ireo ilay fitiavany an’ilay rainy (na reniny) tsy eo, ianao. Indraindray dia mety hampahatsiahy anao amin’ny fomba mivantambantana izy ireo hoe tsy rainy na hoe reniny ianao. Mankarary ny teny toy izany. Na dia izany aza, dia “aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao”. (Mpitoriteny 7:9). Ilaina ny fahaiza-manavaka sy ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ireo ankizy mba hiatrehana ny fihetseham-pony.

23. Ahoana no azo itondrana ny fampiharana ny famaizana ao amin’ny fianakaviana misy zana-bady?

23 Ireo dia toetra fototra ilaina rehefa mampihatra fifehezana, na famaizana. Zava-dehibe dia lehibe ny fifehezana tsy miovaova. (Ohabolana 6:20; 13:1, NW ). Ary satria tsy mitovy daholo ny ankizy, dia mety ho hafa arakaraka ny ankizy ny famaizana. Ny raikely (sy renikely) sasany dia mahita fa, eo am-boalohany fara faharatsiny, dia mety ho tsara kokoa ny hamelana ilay tena ray (na reny) hiatrika io lafiny amin’ny fitaizana zanaka io. Tena ilaina anefa ny hitovian’izy mivady hevitra ny amin’ilay famaizana, sy ny hanohanany azy io, ka tsy hiangarany amin’ny tena zanany, raha oharina amin’ny zana-badiny. (Ohabolana 24:23). Zava-dehibe ny fankatoavana, nefa ilaina ny hanekena fa eo ny tsy fahatanterahana. Aza manana fihetsika tafahoatra. Manafaiza amim-pitiavana. — Kolosiana 3:21.

24. Inona no afaka manampy mba hisakanana zava-manahirana ara-pitondran-tena eo amin’ny mpianakavy lahy sy vavy ao amin’ny fianakaviana voaforon’ny mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha?

24 Afaka manampy be dia be mba hisorohana ny zava-manahirana ireo fifampiresahan’ny fianakaviana. Izy ireny dia afaka manampy ny fianakaviana hifantoka amin’ireo raharaha lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. (Ampitahao amin’ny Filipiana 1:9-11, NW.) Izy ireny koa dia afaka manampy ny tsirairay hahita ny anjarany mba hahatratrarana ireo tanjon’ny fianakaviany. Fanampin’izany, ireo fifampiresahan’ny fianakaviana amim-pahatsorana dia afaka misakana zava-manahirana ara-pitondran-tena. Ireo ankizivavy dia mila mahatakatra ny fomba fiakanjo sy fihetsika rehefa eo ny raikeliny sy izay zanakalahin’io, ary ireo ankizilahy dia mila torohevitra momba ny fitondran-tena mety eo anatrehan’ny renikeliny sy izay zanakavavin’io. — 1 Tesaloniana 4:3-8.

25. Toetra inona avy no afaka manampy mba hihazonana ny fihavanana ao amin’ny fianakaviana voaforon’ny mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha?

25 Mba hiatrehana ny maha-sarotra manokana ny hoe raikely (na renikely), dia manàna faharetana. Mila fotoana ny fanolokoloana fifandraisana vaovao. Afaka ny ho asa mahatahotra ny fahazoana ny fitiavana sy ny fanajan’ny zanaka izay tsy tena anao. Azo atao anefa izany. Ny fo hendry sy mahay manavaka, omban’ny faniriana mafy hampifaly an’i Jehovah, no fanalahidin’ny fihavanana ao amin’ny fianakaviana voaforon’ny mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha. (Ohabolana 16:20). Ireo toetra ireo dia afaka manampy anao koa hiatrika tarehin-javatra hafa.

MAMPISARA-BAZANA NY TOKANTRANONAO VE NY FIKATSAHANA ZAVATRA ARA-NOFO?

26. Amin’ny fomba ahoana avy ny zava-manahirana sy ny fihetsika momba ny zavatra ara-nofo no afaka mampisaratsaraka ny fianakaviana?

26 Afaka mampisara-bazana ny fianakaviana amin’ny fomba maro ny zava-manahirana sy ny fihetsika momba ny zavatra ara-nofo. Mampalahelo fa ny fianakaviana sasany dia rotidrotiky ny fifamaliana momba ny vola sy ny faniriana hanankarena — na fara faharatsiny hanankarena kokoa. Mety hitombo ny fisaraham-bazana rehefa samy miasa ny mpivady ka mamboly ny fihetsika hoe “samy mikepoka ny azy toy ny amin’ny fanambadiam-boalavo”. Na dia voasoroka aza ny fifamaliana, rehefa samy miasa ny mpivady, dia mety hahita fa tsy mamela fotoana firy ho an’izy samy izy ny fandaharam-potoanany. Ny fironana mihamitombo eo amin’izao tontolo izao dia ny fipetrahan’ny ray tsy miaraka amin’ny fianakaviana, mandritra ny fe-potoana maharitra — amam-bolana na aman-taona mihitsy aza — mba hahazoana vola betsaka kokoa noho izay mety ho azony eo amin’ny misy azy. Izany dia afaka mitarika ho amin’ny zava-manahirana tena lehibe.

27. Inona avy no fotopoto-pitsipika sasany afaka manampy ny fianakaviana iray ao anatin’ny fahaterena ara-bola?

27 Tsy misy fitsipika azo soritana mba hiatrehana ireo tarehin-javatra ireo, satria ireo fianakaviana samy hafa dia tsy maintsy miatrika fanerena sy zavatra ilaina samy hafa. Na dia izany aza, dia afaka manampy ny torohevitry ny Baiboly. Ohatra, ny Ohabolana 13:10 (NW ) dia manondro fa azo sorohina indraindray ny fifandirana tsy amin’ny antony, amin’ny ‘fiaraha-mihevitra’. Voafaoka amin’izany, tsy ny fanambarana ny fomba fihevitry ny tena fotsiny akory, fa ny fitadiavana torohevitra sy ny fahitana ny fomba fijerin’ny ankilany an’ilay raharaha koa. Ankoatra izany, ny fanorenana teti-bola araka ny tena izy dia afaka manampy mba hampiray ireo ezaka ataon’ny fianakaviana. Indraindray dia tena ilaina — angamba mandritra ny fe-potoana tsy maharitra — ny samy hiasan’ny mpivady any ivelan’ny trano mba handoavana ny fandaniana fanampiny, indrindra fa raha misy zanaka na olo-miankina hafa. Rehefa izany no izy, ilay lehilahy dia afaka manome toky ny vadiny fa mbola manana fotoana ho azy ihany izy. Afaka mitondra ny fanampiany amim-pitiavana izy sy ny ankizy, amin’ny fanaovana ny sasany amin’ny asa izay mety hosahanin’ilay renim-pianakaviana irery mazàna. — Filipiana 2:1-4.

28. Fampahatsiahivana inona avy, raha tandremana, no hanampy ny fianakaviana iray hiezaka hahatratra ny firaisan-tsaina?

28 Kanefa tadidio ao an-tsaina fa, na dia zavatra tena ilaina aza ny vola eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy mitondra fahasambarana. Azo antoka fa tsy manome fiainana izy io. (Mpitoriteny 7:12). Eny tokoa, ny fanantitranterana tafahoatra ny zavatra ara-nofo dia afaka mahatonga fahaverezana ara-panahy sy ara-pitondran-tena. (1 Timoty 6:9-12). Tsara lavitra toy inona moa ny mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha, amin’ny fananana toky fa hitahy ireo ezaka ataontsika mba hahazoana ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana, izy! (Matio 6:25-33; Hebreo 13:5). Amin’ny fihazonanao ny tombontsoa ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany sy amin’ny fikatsahanao ny fihavanana amin’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra, dia mety ho hitanao fa ny ankohonanao, na dia saratsarahin’ny toe-javatra sasany aza angamba, dia hanjary ho tafaray marina raha ny amin’ireo lafin-javatra lehibe indrindra.