TOKO FAHAFOLO
Rehefa Marary ny Mpianakavy Iray
1, 2. Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Satana ny loza sy ny aretina mba hiezahana handrava ny tsy fivadihan’i Joba?
ILAY lehilahy nantsoina hoe Joba dia tena tsy maintsy isaina ho anisan’ireo nanana fiainam-pianakaviana sambatra. Ny Baiboly dia miantso azy hoe “ilay niavaka indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra”. Nanan-janaka lahy fito sy zanaka vavy telo izy, izany hoe zanaka folo tamin’ny fitambarany. Nanana ny fahafahana ara-bola hamelomana tsara ny fianakaviany koa izy. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe nandray ny fitarihana teo amin’ny fanaovan-javatra ara-panahy izy ary niahy ny amin’ny toerana notanan’ireo zanany teo anoloan’i Jehovah. Izany rehetra izany dia niteraka fatoram-pianakaviana akaiky sy sambatra. — Joba 1:1-5, NW.
2 Tsy niafina tamin’i Satana, ilay fahavalo lehibe indrindran’i Jehovah Andriamanitra, ny tarehin-javatra nisy an’i Joba. I Satana, izay mitady tsy an-kijanona fomba handravana ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’Andriamanitra, dia namely an’i Joba tamin’ny fandringanana an’ilay fianakaviany sambatra. Avy eo izy dia “namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany”. Tamin’izany no nanantenan’i Satana ny hampiasa loza sy aretina mba handravana ny tsy fivadihan’i Joba. — Joba 2:6, 7.
3. Inona avy ireo famantarana ny aretin’i Joba?
3 Ny Baiboly dia tsy manome ny anarana ara-pitsaboan’ilay aretina nampijaly an’i Joba. Tena manome antsika ireo famantarana ilay aretina kosa anefa izy io. Rakotra olitra ny nofony, ary maina ny hodiny ka nihalo. Nankaloiloy ny fofon’ain’i Joba, ary maimbo ny vatany. Nampijaly azy mafy ny fanaintainana. (Joba 7:5; , NW; 30:17, 30). Fadiranovana mafy i Joba nipetraka teo an-davenona ary nihaotra tamin’ny vakim-bilany tany. ( 19:17Joba 2:8). Tena nampahonena ny fahitana azy!
4. Fanandraman-javatra inona no hitan’ny fianakaviana rehetra indraindray?
4 Hanao ahoana ny fihetsikao raha voan’ny aretina mafy toy izany ianao? Amin’izao andro izao, i Satana dia tsy mamely ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny aretina toy ny nataony tamin’i Joba. Na dia izany aza, noho ny tsy fahatanterahan’olombelona sy ireo fihenjanan’ny fiainana andavanandro ary ny tontolo mihamikororosy iainantsika, dia zavatra ampoizina tsotra izao ny hararian’ny mpianakavy indraindray. Na dia eo aza ireo fomba fisorohana mety harahintsika, isika rehetra dia mora voan’ny aretina, na dia vitsy aza no hijaly mafy toy ny nijalian’i Joba. Rehefa mamely ny ankohonantsika ny aretina, dia tena afaka ny ho zava-tsarotra marina izany. Noho izany, dia aoka isika hijery ny fomba anampian’ny Baiboly antsika hiatrika io fahavalon’ny olombelona mandrahona lava io. — Mpitoriteny 9:11; 2 Timoty 3:16.
MANAO AHOANA NY FIHEVERANAO MOMBA ILAY IZY?
5. Ahoana mazàna no fihetsik’ireo mpianakavy rehefa misy aretina mihelina?
5 Ny fikorontanan’ny fahazarana ara-dalàna eo amin’ny fiainana, na inona na inona antony, dia sarotra foana, ary marina indrindra izany raha aretina maharitra no miteraka ilay fikorontanana. Na dia ny aretina tsy maharitra aza dia mitaky fanitsiana ny toe-javatra sy fandeferana ary fanaovana sorona. Ireo mpianakavy salama dia mety ho voatery tsy hanao tabataba mba hamelana an’ilay marary hiala sasatra. Mety ho voatery hampandefitra ny fanaovan-javatra sasany izy ireo. Na dia izany aza, ao amin’ny ankamaroan’ny fianakaviana, na dia ny ankizy kely aza dia mahatsiaro fangoraham-po ho an’ny iray tam-po aminy na ny rainy (na ny reniny) marary, na dia mety ho tsy maintsy hampahatsiahivina tsindraindray mba haneho fiheverana azy aza izy ireo. (Kolosiana 3:12, NW ). Raha mihelina ilay aretina, ilay fianakaviana mazàna dia vonona ny hanao izay ilaina. Ankoatra izany, ny mpianakavy tsirairay dia hanantena ny hanehoana fiheverana mitovy amin’izany raha ny tenany no marary. — Matio 7:12.
6. Fihetsika inona avy indraindray no hita raha azon’ny aretina mafy sy maharitra ny mpianakavy iray?
6 Ahoana anefa raha tena lehibe ilay aretina, ka goavana sady maharitra ireo fikorontanana aterany? Ohatra, ahoana raha tapaka lalan-dra ka malemy ny iray ao amin’ny fianakaviana, na tsy afa-mihetsika noho ny aretin’i Alzheimer, na nanjary kilemaina noho ny aretina hafa iray? Na koa, ahoana raha voan’ny aretin-tsaina iray, toy ny schizophrénie, ny mpianakavy iray? Ny fihetsika mahazatra voalohany dia ny fahatsiarovana ho onena — alahelo noho ny fijaliana mafy mahazo ny olon-tiana iray. Kanefa, mety harahin’ny fihetsika hafa ny fahatsiarovana ho onena. Rehefa hitan’ireo mpianakavy fa misy fiantraikany be dia be eo amin’ny tenany ny aretin’ny olon-kafa iray, ka mametra ny fahalalahan’ny tenany, dia mety hanjary tsy ho faly izy ireo. Mety hanontany tena izy ireo hoe: “Nahoana àry aho no itrangan’izao?”
7. Nanao ahoana ny fihetsiky ny vadin’i Joba teo anoloan’ny aretin’i Joba, ary inona no miharihary fa hadinony?
7 Zavatra nitovy tamin’izany no toa tonga tao an-tsain’ny vadin’i Joba. Tadidio fa efa namoy ny zanany izy. Rehefa nitranga ireo fisehoan-javatra feno loza ireo, dia tsy isalasalana fa nihanahatsiaro ho sahiran-tsaina hatrany izy. Farany, rehefa hitany fa voan’ny aretina Joba 2:9.
nampanaintaina sy nankaloiloy ilay vadiny navitrika sy tomady taloha, dia toa hadinony ilay anton-javatra lehibe dia lehibe izay navesa-danja kokoa noho ireo loza rehetra ireo — ny fifandraisana nananan’izy mivady tamin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Ary hoy ny [vadin’i Joba] taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” —8. Rehefa marary mafy ny mpianakavy iray, andinin-teny inona no hanampy ireo mpianakavy hafa mba hihazona fomba fijery mety?
8 Maro no mahatsiaro ho tsy afa-manoatra, tezitra mihitsy aza, rehefa nanjary niova tanteraka noho ny aretin’olon-kafa iray ny fiainany. Na dia izany aza, ny Kristiana iray izay manjohy hevitra momba ilay tarehin-javatra, dia tokony hahatakatra amin’ny farany fa izany dia manome azy fahafahana hampiseho ny fahatsoran’ny fitiavany. Ny fitiavana marina dia “mahari-po sady mora fanahy (...), tsy mitady ny azy, (...) mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra”. (1 Korintiana 13:4-7). Tsy hamela ny fihetseham-po tsy manorina hanjaka àry isika, fa tena ilaina kosa ny hanaovantsika izay tratran’ny herintsika mba hifehezana azy ireo. — Ohabolana 3:21.
9. Toky inona avy no afaka manampy ny fianakaviana iray eo amin’ny ara-panahy sy ara-pihetseham-po, rehefa marary mafy ny mpianakavy iray?
9 Inona no azo atao mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahy sy ara-pihetseham-pon’ny fianakaviana, rehefa marary mafy ny mpianakavy iray? Mazava ho azy, fa ny aretina tsirairay dia mitaky ny fikarakarana sy ny fitsaboana azy manokana, ary tsy hety ny hanoroana hevitra ato amin’itỳ boky itỳ ny hanarahana fomba fitsaboana na fomba fanasitranana ao an-trano, na inona izany na inona. Na dia izany aza, amin’ny heviny ara-panahy, i Jehovah dia “mampitraka izay rehetra mitanondrika”. (Salamo 145:14). Hoy ny nosoratan’i Davida Mpanjaka: “Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty (...). Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy”. (Salamo 41:1-3). Hiaro ny mpanompony tsy ho faty ara-panahy i Jehovah, na dia rehefa voasedra ara-pihetseham-po mihoatra noho izay zakan’ny tenany aza izy ireo. (2 Korintiana 4:7, NW ). Mpianakavy maro miatrika aretina lehibe ao amin’ny ankohonany no namerina ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.” — Salamo 119:107.
TOE-TSAINA MANASITRANA
10, 11. a) Inona no zava-dehibe dia lehibe raha tiana ny hiatrehan’ny fianakaviana ny fisian’ny aretina amim-pahombiazana? b) Tamin’ny fomba ahoana no niatrehan’ny vehivavy iray ny aretin’ny vadiny?
10 “Ny faharariany dia zakan’ny [toe-tsain’ny lehilahy iray, NW ] ihany”, hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly, “fa ny [toe-tsaina, NW ] kivy, iza no mahazaka izany?” (Ohabolana 18:14). Ny fikorontanana anaty dia afaka ny hahavoa ny toe-tsain’ny fianakaviana iray, ary koa “ny toe-tsain’ny lehilahy iray”. Kanefa, “ny fo mionona no fiainan’ny nofo”. (Ohabolana 14:30). Ny hoe hiatrika amim-pahombiazana ny aretina lehibe iray ny fianakaviana iray na tsia, dia miankina be dia be amin’ny fihetsika, na ny toe-tsain’ireo mpianakavy ao aminy. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 17:22.
11 Ny vehivavy kristiana iray dia voatery niaritra ny fahitana ny vadiny nanjary nalemy, rehefa avy tapaka lalan-dra, enin-taona monja taorian’ny nivadian’izy ireo. “Voa be ny fahafahan’ny vadiko niteny, ary nanjary saika tsy azo natao ny niresaka taminy”, hoy ny tsaroany. “Tena goavana ilay ezaka ara-tsaina mafy nataoko mba hahatakarana izay niezahany mafy mba holazaina.” Alao sary an-tsaina koa ilay fahatsapana ho fadiranovana mafy sy ho tsy afa-manoatra tsy maintsy ho nandalovan’ny vadiny. Inona no nataon’io mpivady io? Na dia nipetraka lavitra ny kongregasiona kristiana aza izy ireo, ilay anabavy dia nanao izay tratran’ny heriny mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy, ka naharaka ny fanazavana ara-pandaminana farany rehetra ary koa ny sakafo
ara-panahy nitohy namatsian’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Izany dia nanome azy ny tanjaka ara-panahy hikarakarana ny vady malalany mandra-pahafatin’izy io efa-taona tatỳ aoriana.12. Araka ny hita teo amin’ny toe-javatra nisy an’i Joba, inona indraindray no azo avy amin’ilay marary?
12 Tamin’ny toe-javatra nisy an’i Joba, dia izy, ilay voan’ny aretina, no nitoetra ho natanjaka. “Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?”, hoy izy nanontany ny vadiny. (Joba 2:10). Tsy mahagaga raha nanonona an’i Joba, ho ohatra miavaka ny amin’ny faharetana sy ny fahaiza-mizaka, i Jakoba mpianatra tatỳ aoriana! Ao amin’ny Jakoba 5:11 isika dia mamaky hoe: “Efa renareo ny [fiaretan’i, NW ] Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” Toy izany koa amin’izao andro izao, amin’ny toe-javatra maro, ny fihetsika feno herim-pon’ilay mpianakavy marary dia nanampy ny hafa tao amin’ilay ankohonana hihazona fahatsinjovan-javatra manorina.
13. Fampitahana inona no tsy tokony hataon’ny fianakaviana iray misy marary mafy?
13 Ny ankamaroan’ireo izay voatery nikarakara aretina tao amin’ny fianakaviana dia manaiky fa tamin’ny voalohany, dia tsy hoe tsy fahita akory ny hahatsapan’ireo mpianakavy fa sarotra ny miatrika ilay zava-misy. Milaza koa izy ireo fa tena faran’izay zava-dehibe ny fomba manjary iheveran’ny tena ilay tarehin-javatra. Mety ho sarotra eo am-piandohana ny fanaovana fanovana sy fanitsiana eo amin’ny fahazarana arahin’ilay ankohonana. Raha tena manao ilay ezaka anefa ny olona iray, dia afaka ny hifanaraka amin’ny tarehin-javatra vaovao. Eo am-panaovana izany, dia zava-dehibe ny tsy hampitahana ny toe-javatra misy antsika amin’ny an’ny hafa tsy manana marary ao amin’ny fianakaviany, ka hieritreritra hoe mora kokoa ny fiainan’izy ireo ary ‘tsy ara-drariny tsotra izao izany!’ Raha ny tena izy, dia tsy misy tena mahalala izay enta-mavesatra tsy maintsy zakain’ny hafa. Ny Kristiana rehetra dia Matio 11:28.
mahita fampiononana avy amin’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho, NW ].” —FANORITANA IREO LAHARAM-PAHAMEHANA
14. Ahoana no azo anoritana laharam-pahamehana mety?
14 Eo anatrehan’ny aretina lehibe, dia haneho fahendrena ny fianakaviana iray raha mitadidy ireto teny ara-tsindrimandry ireto: “Raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” (Ohabolana 15:22). Ho afaka ny hivory ve ny mpianakavy rehetra mba hiresaka momba ilay tarehin-javatra naterak’ilay aretina? Tena hety ny hanaovana izany amim-bavaka sy ny hitodihana any amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana tari-dalana. (Salamo 25:4). Inona no tokony hodinihina amin’ny resaka toy izany? Eo ireo fanapahan-kevitra ara-pitsaboana sy ara-bola ary ara-pianakaviana tsy maintsy raisina. Iza no ho ilay tena hikarakara ilay marary? Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana miara-miasa mba hanohanana izany fikarakarana izany? Hanao ahoana ny ho fiantraikan’ireo fandaharana hatao, eo amin’ny mpianakavy tsirairay? Ahoana no hikarakarana ny zavatra ara-panahy sy hafa ilain’ilay tena hikarakara an’ilay marary?
15. Fanohanana inona no omen’i Jehovah ho an’ny fianakaviana misy marary mafy?
15 Ny fivavahana amim-pahatsorana mba hahazoana ny fitarihan’i Jehovah, sy ny fisaintsainana momba ny Teniny, ary ny fanarahana amin-kerim-po ny lalana atoron’ny Baiboly, matetika dia hitarika ho amin’ny fitahiana mihoatra noho izay nampoizintsika. Ny aretin’ny mpianakavy marary iray dia mety tsy hihena foana. Ny fiankinana amin’i Jehovah anefa dia mitarika ho amin’ny vokany tsara indrindra foana, na amin’ny tarehin-javatra inona na amin’ny tarehin-javatra inona. (Salamo 55:22). Hoy ny nosoratan’ilay mpanao salamo: “Ny famindramponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” — Salamo 94:18, 19; jereo koa ny Salamo 63:6-8.
FANAMPIANA IREO ANKIZY
16, 17. Hevitra inona avy no azo hazavaina rehefa miresaka amin’ny ankizy kely momba ny aretin’ny iray tam-po aminy?
16 Afaka miteraka zava-manahirana ho an’ireo zanaka ao amin’ilay fianakaviana ny fisian’ny aretina lehibe. Zava-dehibe ny anampian’ny ray aman-dreny ny zanany hahatakatra ireo zavatra ilaina izay nipoitra sy izay azony atao mba hanampiana. Raha ny zaza iray no nanjary narary, ireo iray tam-po aminy dia tsy maintsy ampiana mba hahatakatra fa ny fanehoana fiheverana sy fikarakarana fanampiny an’ilay marary akory tsy midika hoe mihena ny fitiavana ireo zanaka hafa. Tsy hamela ny tsy fahafaliana na ny fifaninanana hitombo ireo ray aman-dreny, fa afaka manampy kosa an’ireo zanany hafa hamboly fatorana akaiky kokoa eo amin’izy samy izy sy hanana firaiketam-po marina, rehefa miara-miasa mba hiatrika ilay tarehin-javatra naterak’ilay aretina.
17 Ny ankizy kely mazàna dia vonona kokoa ny hanaiky, raha manohina ny fihetseham-pony ny ray aman-dreniny fa tsy manome fanazavana lava be na sarotra be momba ilay aretina. Koa ho azo atao àry ny hanome azy ireo, hevitra kely momba izay andalovan’ilay mpianakavy marary. Raha hitan’ireo ankizy salama fa ilay aretina dia misakana an’ilay marary tsy hanao ny maro amin’ireo zavatra izay heverin’izy ireo ho mandeha ho azy, dia azo inoana fa hanana “firaiketam-pon-drahalahy” kokoa izy ireo ary ‘hangoraka amim-pitiavana’. — 1 Petera 3:8, NW.
18. Ahoana no ahafahana manampy ireo zanaka lehibe kokoa hahatakatra ireo zava-manahirana aterak’ilay aretina, ary amin’ny ahoana izany no mety hahasoa azy ireo?
18 Ireo zanaka efa lehibe kokoa dia tokony hampiana mba hahatakatra fa tsy mora ny fisian’ny tarehin-javatra sarotra ary mitaky ny hanaovan’ny rehetra ao amin’ny fianakaviana sorona. Noho ny volan’ny dokotera sy ny vidin’ny fanafody tsy maintsy aloa, dia mety tsy ho Filipiana 2:3, 4, NW.
azon’ny ray aman-dreny atao ny hanome ho an’ireo zanany hafa araka izay hirin’ny tenany. Ho tsy faly noho izany ve ireo ankizy ka hahatsiaro ho very tombontsoa? Sa ho takatr’izy ireo ilay tarehin-javatra ka hanao an-tsitrapo ireo sorona ilaina hatao izy ireo? Zavatra be dia be no miankina amin’ny fomba iresahana momba ilay raharaha sy amin’ny toe-tsaina aterak’izany ao amin’ny fianakaviana. Eny tokoa, ao amin’ny fianakaviana maro, ny aretin’ny mpianakavy iray dia nanampy mba hampiofanana an’ireo ankizy hanaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “[Aza] manao na inona na inona noho ny fitiavana fifandirana na noho ny fizahozahoana, fa amin’ny saina tsy manambony tena kosa, dia hevero ho ambony noho ianao ny hafa, ka manehoa fiheverana, tsy ny raharahan’ny tenanao manokana ihany, fa ny an’ny hafa manokana koa.” —NY FOMBA FIHEVERANA NY FITSABOANA
19, 20. a) Andraikitra inona avy no iantsorohan’ny loham-pianakaviana, rehefa marary ny mpianakavy iray? b) Na dia tsy boky ara-pitsaboana aza ny Baiboly, amin’ny ahoana izy io no manome tari-dalana mba hiatrehana ny fisian’ny aretina?
19 Ny Kristiana mahay mandanjalanja dia tsy manohitra ny fitsaboana raha mbola tsy mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra koa ilay izy. Rehefa marary ny mpianakaviny iray, dia may izy ireo hitady fanampiana mba hanamaivanana ny fijalian’ilay voan’ny aretina. Na dia izany aza, dia mety hisy hevitra mifanohitra eo amin’ireo mpitsabo matihanina, izay tsy maintsy lanjalanjaina. Fanampin’izany, tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy aretina sy rofy izay nipoitra tampoka, ary ho an’ny maro amin’izy ireny, dia tsy misy fomba fitsaboana eken’ny besinimaro. Na dia ny fomba famantarana aretina araka ny marina aza indraindray dia sarotra ny mahazo azy. Inona àry no tokony hataon’ny Kristiana iray?
20 Na dia dokotera aza ny iray tamin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly ary nanolotra torohevitra ara-pitsaboana mahasoa ho an’i Timoty namany ny apostoly Paoly, ny Soratra Masina dia boky mpitari-dalana Kolosiana 4:14, NW; 1 Timoty 5:23). Noho izany, amin’ny raharaha momba ny fitsaboana, dia ny loham-pianakaviana kristiana no tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny manokana voalanjalanja. Angamba izy ireo mety hihevitra fa hila ny hahazo ny hevitry ny mpitsabo matihanina mihoatra ny iray. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 18:17.) Tena haniry ny fanampiana tsara indrindra misy ho an’ilay mpianakaviny marary izy ireo, ary ny ankamaroan’izy ireo dia mitady izany eo amin’ireo dokotera mahazatra. Ny sasany anefa tia kokoa ny fomba fitsaboana tsy mahazatra. Izany koa dia fanapahan-kevitra manokana. Na dia izany aza, rehefa miatrika zava-manahirana ara-pahasalamana ny Kristiana dia tsy mitsahatra mamela ‘ny tenin’Andriamanitra ho fanilon’ny tongony sy ho fanazavana ny lalany’. (Salamo 119:105). Manohy manaraka ireo toro lalana voasoritra ao amin’ny Baiboly izy ireo. (Isaia 55:8, 9). Araka izany, dia tsy mikitika an’ireo fomba famantarana aretina mamofompofona spiritisma izy ireo ary manalavitra an’ireo fitsaboana izay mandika ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. — Salamo 36:9; Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Apokalypsy 21:8.
ara-pitondran-tena sy ara-panahy, fa tsy boky ara-pitsaboana akory. (21, 22. Inona no fanjohian-kevitry ny vehivavy aziatika iray momba ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly iray, ary tamin’ny ahoana ilay fanapahan-kevitra noraisiny no hita ho tsara teo amin’ny tarehin-javatra nisy azy?
21 Diniho ny toe-javatra misy ny vehivavy aziatika tanora iray. Fotoana fohy taorian’ny nanombohany nianatra ny Baiboly ho vokatry ny fiarahany nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, izy dia niteraka tsy tonga volana vavy kely, izay tsy nilanja afa-tsy 1 470 grama. Nalahelo mafy ilay vehivavy rehefa nilaza taminy ny dokotera iray hoe ho sembana mafy ilay zazakely ary tsy ho afaka handeha mihitsy. Nanoro hevitra azy izy io mba hametraka an’ilay zazakely tany amin’ny trano fitaizana zaza sembana. Ny vadiny dia tsy tapa-kevitra ny amin’ilay raharaha. Taiza no ho azony nitodihana?
22 Hoy izy: “Tadidiko ny nianarako avy tamin’ny Baiboly hoe ‘lova avy amin’i Jehovah ny zanaka; tamby ny ateraky ny kibo’.” (Salamo 127:3). Nanapa-kevitra ny hitondra io ‘lova’ io hody sy ny hikarakara azy izy. Sarotra ny zava-drehetra tamin’ny voalohany, nefa noho ny fanampian’ireo namana kristiana tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, dia tafavoaka ilay vehivavy sady afaka nanome an’ilay zaza ilay fanohanana manokana nilainy. Roa ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, dia nankany amin’ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay zaza ary faly niaraka tamin’ireo ankizy tany. Hoy ny tenin’ilay reniny: “Velom-pankasitrahana aoka izany aho noho ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly nanosika ahy hanao izay marina. Ny Baiboly dia nanampy ahy hihazona fieritreretana madio teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra, ka tsy hanana nenina izay ho namely ahy nandritra ny androm-piainako rehetra.”
23. Fampiononana inona no omen’ny Baiboly ho an’ny marary sy ho an’ireo izay mitsabo azy?
23 Tsy ho eto amintsika mandrakizay akory ny aretina. Isaia 33:24). Io fampanantenana io dia ho tanteraka ao amin’ilay tontolo vaovao mihamanatona haingana. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia voatery miara-miaina amin’ny fisian’ny aretina sy ny fahafatesana isika. Soa ihany fa ny Tenin’Andriamanitra dia manome antsika tari-dalana sy fanampiana. Ireo fitsipika fototra momba ny fitondran-tena omen’ny Baiboly dia maharitra, ary ambony lavitra noho ireo hevitra tsy mitsaha-miovan’ny olombelona tsy tanteraka. Noho izany, ny olona hendry iray dia mitovy hevitra amin’ilay mpanao salamo izay nanoratra hoe: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. (...) Marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. (...) Amin’ny fitandremana azy misy valiny lehibe.” — Salamo 19:7, 9, 11.
I Isaia mpaminany dia nanondro mialoha ny fotoana izay ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho’. (