TOKO FAHAROA AMBIN’NY FOLO
Afaka Mandresy Zava-manahirana Izay Manimba ny Fianakaviana Ianao
1. Zava-manahirana miafina inona avy no misy ao amin’ny fianakaviana sasany?
VAO avy nosasana sy nohosorana zavatra mampangirana ilay fiarakodia tranainy. Ho an’ny mpandalo ilay izy dia namiratra, tahaka ny vaovao. Ao ambanin’izay miseho ivelany anefa, dia misy harafesina manimba izay mikiky tsikelikely ny vatan’ilay fiara. Toy izany no izy amin’ny fianakaviana sasany. Na dia toa tsara dia tsara aza ny fisehoan’ny zava-drehetra etỳ ivelany, ireo endrika mitsiky dia manafina tahotra sy fanaintainana. Rehefa tsy misy mahita, dia misy foto-javatra manimba izay mikiky tsikelikely ny fiadanan’ilay fianakaviana. Ny zava-manahirana roa izay afaka miteraka io vokatra io dia ny alkaolisma sy ny herisetra.
NY FANIMBANA ATERAKY NY ALKAOLISMA
2. a) Inona no fomba fiheveran’ny Baiboly momba ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola? b) Inona no atao hoe alkaolisma?
2 Ny Baiboly dia tsy manameloka ny fampiasana amim-pahalalana onony zava-pisotro misy alkaola, fa manameloka kosa ny fimamoana. (Ohabolana 23:20, 21; 1 Korintiana 6:9, 10; 1 Timoty 5:23; Titosy 2:2, 3). Ny alkaolisma anefa dia mihoatra noho ny fimamoana; izy io dia fiahiana lava ny amin’ny fisotro misy alkaola sy famoizana ny fifehezan-tena noho ny fisotroana azy. Olon-dehibe mazàna ireo alkaolika. Mampalahelo fa misy koa anefa tanora alkaolika.
3, 4. Lazalazao ireo vokatry ny alkaolisma eo amin’ny vadin’ny alkaolika iray sy eo amin’ny zanany.
3 Ny Baiboly dia nanondro efa ela izay fa ny fampiasana ratsy ny alkaola dia afaka manakorontana ny fiadanan’ny fianakaviana. (Deoteronomia 21:18-21). Ireo vokatra manimban’ny alkaolisma dia tsapan’ilay fianakaviana iray manontolo. Ny vadin’ilay alkaolika dia mety hanjary ho sahirana mafy amin’ny ezaka hampijanonana ny fisotroan’izy io, na hahazakana ny fihetsiny tsy azo vinanina mialoha. * Miezaka hanafina sy hanary ilay toaka izy, sy hanafina ny volany ary hiangavy azy haneho fitiavana ny fianakaviany, ny ainy, fitiavana an’Andriamanitra mihitsy aza — nefa dia mbola misotro ihany ilay alkaolika. Rehefa tsy fahombiazana miverimberina no setrin’ny ezaka ataony mba hifehezana ny fisotroan’ny vadiny, dia mahatsiaro ho tsy afa-manoatra sy tsy ampy fahaizana izy. Mety hanomboka hahatsapa tahotra, fahatezerana, fahatsiarovana ho meloka, ho hendratrendratra, fanahiana ary tsy fananana haja, izy.
4 Ny ankizy dia tsy afa-mandositra ireo vokatry ny alkaolisman’ny rainy (na reniny). Ny sasany velezina ara-batana. Ny hafa vetavetaina. Mety hanamelo-tena mihitsy aza izy ireo noho ny alkaolisman’ny rainy (na reniny). Matetika ny fahaizany mitoky amin’ny hafa no ravan’ny fihetsika miovaovan’ilay alkaolika. Noho ireo ankizy tsy afaka miresaka mora foana momba izay mitranga ao an-trano, dia mety hianatra hanakombona ny fihetseham-pony izy ireo, ka matetika no iharan’ny vokany ara-batana manimba. (Ohabolana 17:22). Ny ankizy toy izany dia mety mbola tsy hanana fatokian-tena na haja toy izany ihany, na dia efa olon-dehibe aza.
INONA NO AZON’NY FIANAKAVIANA ATAO?
5. Ahoana no azo andresena ny alkaolisma, ary nahoana izany no sarotra?
5 Na dia manam-pahaizana maro aza no milaza fa tsy azo sitranina ny alkaolisma, ny ankamaroany kosa manaiky fa mety hisy fanarenana ihany amin’ny alalan’ny fandaharana ny amin’ny fifadiana tanteraka. (Ampitahao amin’ny Matio 5:29.) Kanefa ny fampanekena fanampiana amin’ny alkaolika iray dia mora lazaina fa sarotra atao, satria mazàna izy no tsy manaiky hoe manan-java-manahirana. Na dia izany aza, rehefa manao dingana ny mpianakavy mba hiatrehana ny fiantraikan’ilay alkaolisma eo amin’izy ireo, dia mety hanomboka hahatakatra ilay alkaolika fa manan-java-manahirana ny tenany. Hoy ny dokotera iray za-draharaha amin’ny fanampiana alkaolika sy ny fianakaviany: “Amiko ny zava-dehibe indrindra dia ny hanohizan’ilay fianakaviana ny asa aman-draharahany andavanandro fotsiny, amin’ny fomba mahasoa indrindra araka izay azony atao. Mihamanjary hitan’ilay alkaolika ny haben’ny fahasamihafana misy eo amin’ny tenany sy ny sisa amin’ny fianakaviana.”
6. Inona no loharanon-torohevitra tsara indrindra ho an’ny fianakaviana misy mpikambana alkaolika?
6 Raha misy alkaolika ao amin’ny fianakavianao, ny torohevitra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly dia afaka manampy anao hiaina amin’ny fomba mahasoa indrindra araka izay azo atao. (Isaia 48:17; 2 Timoty 3:16, 17). Diniho ny fotopoto-pitsipika sasany izay efa nanampy fianakaviana sasany hiatrika amim-pahombiazana ny alkaolisma.
7. Raha alkaolika ny mpianakavy iray, iza no tompon’andraikitra ny amin’izany?
7 Aza manamelo-tena intsony. Hoy ny Baiboly hoe: “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”, sy hoe: “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.” (Galatiana 6:5; Romana 14:12). Mety hitady hilaza ilay alkaolika fa ireo mpianakaviny no tompon’andraikitra. Ohatra, mety hilaza izy hoe: “Raha mitondra ahy amin’ny fomba tsara kokoa ianareo, dia tsy hisotro aho.” Raha miseho ho mitovy hevitra aminy ny hafa, dia mampirisika azy hanohy hisotro. Na dia iharam-pahavoazana noho ny toe-javatra na noho ny olon-kafa aza anefa isika, isika rehetra — anisan’izany ireo alkaolika — dia tompon’andraikitra ny amin’izay ataontsika. — Ampitahao amin’ny Filipiana 2:12.
8. Inona avy no fomba sasany azo anampiana ilay alkaolika hiatrika ireo vokatry ny zava-manahirana azy?
8 Aza mihevitra hoe tsy maintsy miaro ilay alkaolika amin’ireo vokatry ny fisotroany ianao. Ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly momba ny olona lozabe dia ho azo ampiharina amin’ny alkaolika koa. Hoy izy: “Na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.” Ohabolana 19:19). Avelao ilay alkaolika hahatsapa ireo vokatry ny fisotroany. Avelao izy hanadio ny lotony na hampilaza any amin’ny mpampiasa azy ny ampitson’ny nisotroany.
(9, 10. Nahoana ny fianakavian’ireo alkaolika no tokony hanaiky fanampiana, ary ny fanampian’iza indrindra indrindra no tokony hotadiaviny?
9 Maneke fanampiana avy amin’ny hafa. Hoy ny Ohabolana 17:17: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Rehefa misy alkaolika ao amin’ny fianakavianao, dia misy fahoriana. Mila fanampiana ianao. Aza misalasala miantehitra amin’ny “tena sakaiza tokoa” mba hahazoana fanohanana. (Ohabolana 18:24). Ny firesahana amin’ny hafa izay mahatakatra ilay zava-manahirana na efa niatrika tarehin-javatra toy ny anao, dia mety hanome anao fanoloran-kevitra azo ampiharina momba izay tokony hatao sy izay tsy tokony hatao. Mahaiza mandanjalanja anefa. Miresaha amin’ireo izay itokianao, ireo izay hitana ny ‘resaka tsiambaratelonao’. — Ohabolana 11:13, NW.
10 Mianara hitoky amin’ireo loholona kristiana. Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana dia afaka ny ho loharanom-panampiana lehibe. Ireny lehilahy matotra ireny dia nampianarina tamin’ny Tenin’Andriamanitra ary za-draharaha amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao anatiny. Izy ireny dia afaka ny ho “fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina (...), ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana”. (Isaia 32:2). Ireo loholona kristiana dia tsy vitan’ny hoe miaro ny kongregasiona amin’ny fitambarany amin’ireo fitaomana manimba, fa mampionona sy mamelombelona ary maneho fiheverana manokana ny isam-batan’olona manan-java-manahirana, koa izy ireo. Mahaiza manararaotra ny fanampiany amin’ny fomba feno.
11, 12. Iza no manome ny fanampiana lehibe indrindra ho an’ny fianakavian’ireo alkaolika, ary ahoana no anomezana izany fanohanana izany?
11 Ambonin’ny zavatra rehetra, dia manovoza tanjaka avy amin’i Jehovah. Manome toky antsika amin-kafanana toy izao ny Baiboly: “Akaikin’izay [vaky fo, NW ] Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18). Raha mahatsiaro ho vaky fo na torotoro fanahy ianao, noho ireo fanerena entin’ny fiaraha-mipetraka amin’ny mpianakavy alkaolika iray, dia fantaro fa ‘akaiky i Jehovah’. Takany fa sarotra aoka izany ny tarehin-javatra misy ny fianakavianao. — 1 Petera 5:6, 7.
12 Ny finoana izay lazain’i Jehovah ao amin’ny Teniny dia afaka manampy anao hahazaka ny fanahianao. (Salamo 130:3, 4; Matio 6:25-34; 1 Jaona 3:19, 20). Ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao anatiny dia mahatonga anao ho afaka handray ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra, izay afaka manome anao “hery mihoatra noho ny mahazatra” mba hahazakana ny andro miposaka tsirairay. — 2 Korintiana 4:7, NW. *
13. Inona no zava-manahirana faharoa izay manimba fianakaviana maro?
13 Ny fisotroana alkaola tafahoatra dia afaka mitarika ho amin’ny zava-manahirana iray hafa izay manimba fianakaviana maro — ny herisetra an-tokantrano.
FANIMBANA ATERAKY NY HERISETRA AN-TOKANTRANO
14. Oviana no nanomboka ny herisetra an-tokantrano, ary manao ahoana ny tarehin-javatra amin’izao andro izao?
14 Ny herisetra voalohany teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia herisetra an-tokantrano nahakasika mpirahalahy, dia i Kaina sy i Abela. (Genesisy 4:8). Nanomboka tamin’izay, ny olombelona dia nampahorin’ny endriny rehetra amin’ny herisetra an-tokantrano. Eo ireo lehilahy mamono ny vadiny, ireo vehivavy mamely ny vadiny, ireo ray aman-dreny mikapoka amin-kalozana ny zanany kely, ary zanaka efa olon-dehibe izay mitondra amin’ny fomba ratsy ny ray aman-dreniny zokiolona.
15. Ahoana no fiantraikan’ny herisetra an-tokantrano eo amin’ny mpianakavy, ara-pihetseham-po?
15 Ny fanimbana ateraky ny herisetra an-tokantrano dia mihoatra lavitra noho ireo holatra ara-batana. Hoy ny vehivavy iray novonoin’ny vadiny: “Eo ny fahatsiarovana ho meloka sy ho menatra aoka izany izay tsy maintsy zakainao. Saika isa-maraina ianao dia te hijanona ao am-pandriana fotsiny, ka manantena hoe nofy ratsy fotsiny ilay izy.” Ny ankizy mahita na iharan’ny herisetra an-tokantrano dia mety hahery setra rehefa lehibe sy manana ny fianakaviany manokana.
16, 17. Inona no atao hoe fitondrana ratsy ara-pihetseham-po, ary ahoana no fiantraikan’izany eo amin’ny mpianakavy?
16 Tsy voafetra ho amin’ny fitondrana ratsy ara-batana ny herisetra an-tokantrano. Matetika dia am-bava ilay famelezana. Hoy ny Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”. Tafiditra amin’ireny ‘fanindronana’ mampiavaka ny herisetra an-tokantrano ireny, ny fitenenan-dratsy ny hafa sy ny fikiakiahana, ary koa ny fanakianana tsy an-kijanona, ny fanompana manambany, ary ny fandrahonana amin’ny herisetra ara-batana. Tsy hita maso ireo ratra ateraky ny herisetra ara-pihetseham-po ary matetika no tsy voamariky ny hafa.
17 Ny tena mampalahelo dia ny famelezana ara-pihetseham-po ny zaza iray — ilay fanakianana sy fanaovana ho tsinontsinona tsy an-kijanona ireo fahaizan’ny zaza iray, ny fahiratan-tsainy, na ny hasarobidin’ny maha-olona azy. Ny fitondrana ratsy am-bava toy izany dia afaka mandrava ny fatokian-tenan’ny zaza iray. Marina fa mila famaizana ny ankizy rehetra. Mananatra ny ray toy izao anefa ny Baiboly: “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” —NY FOMBA HANALAVIRANA NY HERISETRA AN-TOKANTRANO
18. Aiza no manomboka ny herisetra an-tokantrano, ary inona no asehon’ny Baiboly ho ny fomba hampijanonana azy io?
18 Ny herisetra an-tokantrano dia manomboka ao am-po sy ao an-tsaina; ny fomba anaovantsika zavatra dia manomboka amin’ny fomba isainantsika. (Jakoba 1:14, 15). Mba hampijanonana ny herisetra, ilay mpampihatra azy dia mila manova ny fomba fisainany. (Romana 12:2). Hety ve izany? Eny. Ny Tenin’Andriamanitra dia manana ny hery hanova olona. Afaka mamongotra na dia fomba fiheverana mandrava, izay toy ny “fiarovana mafy”, aza izy io. (2 Korintiana 10:4; Hebreo 4:12). Ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly dia afaka manampy hamokatra fiovana tanteraka aoka izany ao amin’ny olona, hany ka voalaza fa mitafy toetra vaovao izy ireo. — Efesiana 4:22-24; Kolosiana 3:8-10.
19. Ahoana no tokony ho fomba fiheveran’ny Kristiana sy fitondrany ny vadiny?
19 Fomba fiheverana ny vadin’ny tena. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.” (Efesiana 5:28). Milaza koa ny Baiboly fa ny lehilahy dia tokony hanome ny vadiny “voninahitra toy ny ho an’ny fanaka malemy kokoa”. (1 Petera 3:7, NW ). Ny vehivavy kosa dia anarina “ho tia ny vadiny” sy hanana “fanajana lalina” azy. (Titosy 2:4; Efesiana 5:33, NW ). Tena tsy afaka milaza amim-pahamarinana hoe tena manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy iray, raha mamely azy ara-batana na am-bava. Ary tsy misy vehivavy milelalela amin’ny vadiny, miresaka aminy amim-panesoana, na miteny azy tsy an-kijanona, afaka milaza hoe tena tia sy manaja azy marina.
20. Eo anatrehan’iza ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra ny amin’ireo zanany, ary nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony hanantena zavatra tsy araka ny tena izy avy amin’ireo zanany?
20 Fomba fiheverana ny zanaka araka ny tokony ho izy. Ny zanaka dia mendrika, eny, mila, ny fitiavana sy ny fanehoam-piheveran’ny ray aman-dreniny. Ny Tenin’Andriamanitra dia miantso ny zanaka hoe “lova avy amin’i Jehovah” sy “tamby”. (Salamo 127:3). Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny amin’ny fikarakarana io lova io ny ray aman-dreny. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “lafin-toetran’ny zazakely” sy ny “hadalana” amin’ny fahazazana. (1 Korintiana 13:11, NW; Ohabolana 22:15). Tsy tokony ho gaga àry ny ray aman-dreny raha mahita hadalana ao amin’ireo zanany. Tsy olon-dehibe akory ireo ankizy. Ny ray aman-dreny dia tsy tokony hitaky mihoatra noho izay mifanentana amin’ny taonan’ny zaza iray, sy ny fianakaviana niaviany, ary ny fahaizany. — Jereo ny Genesisy 33:12-14.
21. Ahoana no fomba araka an’Andriamanitra hiheverana an’ireo ray aman-dreny zokiolona sy hifampiraharahana amin’izy ireo?
21 Fomba fiheverana ny ray aman-dreny zokiolona. Hoy ny Levitikosy 19:32: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy”. Ny Lalàn’Andriamanitra, araka izany, dia mampirisika hanana fanajana sy fiheverana ambony an’ireo zokiolona. Mety ho zava-tsarotra izany rehefa toa mitaky zavatra be loatra ny ray (na reny) zokiolona, na marary ka angamba tsy afaka mihetsika na misaina haingana. Na dia izany aza, ny zanaka dia ampahatsiahivina mba “hamaly soa ny rainy aman-dreniny”. (1 Timoty 5:4). Izany dia hidika hoe fitondrana azy amim-pahamendrehana sy fanajana, angamba aza amin’ny fanomezana azy izay ilainy ara-bola. Ny fitondrana ratsy ara-batana na amin’ny fomba hafa, ny ray aman-drenin’ny tena efa zokiolona dia tena mifanohitra amin’ny fomba asain’ny Baiboly hanaovantsika zavatra.
22. Inona no toetra fototra iray handresena ny herisetra an-tokantrano, ary ahoana no azo ampiharana azy io?
22 Mambole fifehezan-tena. Hoy ny Ohabolana 29:11: “Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo.” Ahoana no ahafahanao mifehy ny fahatezeranao? Aza avela hitombo ao anatinao ny fahatsapana ho tsy afa-manoatra, fa manaova zavatra haingana kosa mba handaminana ireo fahasahiranana mipoitra. (Efesiana 4:26, 27). Mialà raha mahatsiaro ho mamoy ny fifehezan-tenanao ianao. Mivavaha mba hamokaran’ny fanahy masin’Andriamanitra fifehezan-tena ao aminao. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Ny fandehanana mitsangantsangana na ny fanaovana fanatanjahan-tena iray dia mety hanampy anao hifehy ireo fihetseham-ponao. (Ohabolana 17:14, 27). Miezaha mafy mba ‘hahatsindry fo’. — Ohabolana 14:29.
HISARAKA SA HIARA-MITOETRA?
23. Inona no mety hitranga, raha toa ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona kristiana ka manaiky ho resin’ny fipoahan’ny fahatezerana amin-kerisetra miverimberina sy tsy misy fibebahana, izay mety hahafaoka fitondrana ratsy ara-batana ny fianakaviany?
23 Ny Baiboly dia mametraka ho anisan’ny asan’ny nofo melohin’Andriamanitra ny “fandrafiana, fifandirana, (...) [fipoahan’ny fahatezerana, NW ]” ary manambara fa “izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (Galatiana 5:19-21). Noho izany, izay rehetra mihambo ho Kristiana nefa manaiky ho resin’ny fipoahan’ny fahatezerana amin-kerisetra miverimberina sy tsy misy fibebahana, izay mety hahafaoka fitondrana ratsy ara-batana ny vadiny na ny zanany, dia azo roahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana. (Ampitahao amin’ny 2 Jaona 9, 10.) Amin’izany fomba izany, ny kongregasiona dia voahazona ho madio tsy hisy olona mahery setra. — 1 Korintiana 5:6, 7; Galatiana 5:9.
24. a) Inona no mety hofidin’ireo vady izay entina amin’ny fomba ratsy, hatao? b) Ahoana no mety hanohanan’ireo namana sy loholona feno fiahiana ny olona iray entin’ny vadiny amin’ny fomba ratsy, nefa inona no tsy tokony hataon’izy ireo?
24 Ahoana ny amin’ireo Kristiana izay, amin’izao fotoana izao, dia vonoin’ny vadiny mahery setra sy tsy mampiseho famantarana ny hiova? Nisy nifidy ny hijanona miaraka amin’ilay vadiny mahery setra noho ny antony iray na hafa. Ny hafa nifidy ny hiala, noho ny fiheverana fa tandindomin-doza ny fahasalamany ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy — ary angamba ny ainy mihitsy aza. 1 Korintiana 7:10, 11). Mety haniry hanolotra fanampiana sy torohevitra ny namana sy ny havana ary ny loholona kristiana tsara fikasa, nefa izy ireo dia tsy tokony hanery ny olona iray hanaraka lalana iray, na inona izany na inona. Azy manokana izany fanapahan-kevitra izany. — Romana 14:4; Galatiana 6:5.
Izay fidin’ny olona iray iharan’ny herisetra an-tokantrano hatao ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia fanapahan-keviny manokana eo anatrehan’i Jehovah. (HISY FARANY IREO ZAVA-MANAHIRANA MANIMBA
25. Inona no fikasan’i Jehovah ny amin’ny fianakaviana?
25 Rehefa nampiray an’i Adama sy i Eva tao amin’ny fanambadiana i Jehovah, dia tsy fikasany na oviana Efesiana 3:14, 15). Ny fianakaviana dia natao ho toerana hiroboroboan’ny fitiavana sy ny fiadanana ka hahazoan’ny mpianakavy tsirairay fahafaham-po amin’izay ilainy ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. Noho ny fidiran’ny ota anefa, dia nikororosy haingana ny fiainam-pianakaviana. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:9.
na oviana ny hahasimba ny fianakaviana noho ny zava-manahirana manimba toy ny alkaolisma na ny herisetra. (26. Inona no hoavy miandry an’ireo izay miezaka hiaina mifanaraka amin’ireo zavatra takin’i Jehovah?
26 Soa ihany fa tsy namoy ny fikasany ny amin’ny fianakaviana i Jehovah. Mampanantena izy ny hampiditra tontolo vaovao hiadana izay hisy olona “handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. (Ezekiela 34:28). Amin’izany fotoana izany, ny alkaolisma sy ny herisetra an-tokantrano ary ny zava-manahirana hafa rehetra izay manimba ny fianakaviana amin’izao andro izao, dia ho anisan’ny lasa. Hitsiky ny olona, tsy hoe mba hanafenana tahotra na fanaintainana akory, fa noho izy ireo “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:11.
^ feh. 3 Na dia miresaka an’ilay alkaolika ho toy ny lehilahy aza izahay, ireo fotopoto-pitsipika ato dia mihatra koa rehefa vehivavy ilay alkaolika.
^ feh. 12 Any amin’ny tany sasany, dia misy foibem-pitsaboana sy hopitaly ary fandaharam-panarenana izay manam-pahaizana manokana eo amin’ny fanampiana ny alkaolika sy ny fianakaviany. Ny hoe hitady izany fanampiana izany na tsia dia fanapahan-kevitra manokana. Ny Fikambanana Watch Tower dia tsy manoro hevitra ny hanarahana na fitsaboana inona na fitsaboana inona. Kanefa, tsy maintsy mitandrina ny tena, rehefa mitady fanampiana, mba tsy hanjary ho tafiditra ao amin’ny fanaovan-javatra izay hampandefitra ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina.