TOKO FAHASIVY
Afaka Mahomby Ireo Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy ny Ray na ny Reny!
1-3. Inona no nitarika ho amin’ny fitomboan’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny, ary ahoana no fiantraikan’izany eo amin’ireo izay voakasik’izany?
IREO fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny dia nantsoina hoe “ny karazam-pianakaviana mitombo haingana indrindra” any Etazonia. Mitovy amin’izany ny tarehin-javatra any amin’ny tany maro hafa. Ny fisaraham-panambadiana, ny fandaozana ny tokantrano, ny fisarahan-toerana ary ny fiterahana tsy manambady, izay samy nahatratra isa betsaka noho ny taloha rehetra, dia nitondra vokany maro samy hafa ho an’ny ray aman-dreny sy zanaka an-tapitrisany maro.
2 “Vehivavy maty vady 28 taona sy manan-janaka roa aho”, hoy ny nosoratan’ny reny iray mitaiza irery ny zanany. “Tena ketraka aho, satria tsy tiako ny hitaiza ireo zanako tsy misy ray. Toa toy ny tsy misy olona miahy ny amiko akory. Mahita ahy mitomany matetika ireo zanako ary misy fiantraikany eo amin’izy ireo izany.” Ankoatra ny fiadiana amin’ny fihetseham-po toy ny hatezerana sy ny fahatsiarovana ho meloka sy ho manirery, ny ankamaroan’ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany dia miatrika ny zava-tsarotra hiasa any ivelany no sady hanao ny adidy ao an-trano. Hoy ny iray taminy: “Toy ny fanaovana tanisa ny hoe ray [na reny] mitaiza irery ny zanany. Rehefa avy nanao fanazaran-tena nandritra ny enim-bolana ianao, amin’ny farany dia afaka manipy baolina efatra miaraka. Raha vantany vao afaka manao izany anefa ianao, dia iny fa misy olona manipy baolina vaovao iray aminao!”
3 Ireo ankizy ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny matetika dia manana ny adiny manokana. Mety ho voatery hiady amin’ny fihetseham-po mahery izy
ireo, noho ny fandaozan’ny rainy (na ny reniny) tampoka na ny fahafatesany. Ho an’ny tanora maro, ny tsy maha-eo ny rainy (na ny reniny) dia toa misy vokany ratsy lalina.4. Ahoana no ahafantarantsika fa miahy an’ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny i Jehovah?
4 Efa nisy tamin’ny andron’ny Baiboly ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny. Ny Soratra Masina dia mamerimberina manonona ny “kamboty [ray, NW ]” sy ny “mpitondratena”. (Eksodosy 22:21; Deoteronomia 24:19-21; Joba 31:16-22). Tsy hoe tsy niraika tamin’ny zava-nanjo azy ireo i Jehovah Andriamanitra. Ny mpanao salamo dia niantso an’Andriamanitra hoe “Rain’ny kamboty [ray, NW ] sy Mpanome rariny ny mpitondratena”. (Salamo 68:5). Tena maneho izany fiahiana ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny izany koa i Jehovah amin’izao andro izao! Eny tokoa, ny Teniny dia manolotra fotopoto-pitsipika izay afaka manampy azy ireo hahomby.
FIANARANA MISAHANA TSARA NY ASA AMAN-DRAHARAHAN’NY ANKOHONANA
5. Zava-manahirana inona no tsy maintsy atrehin’ny ray sy ny reny mitaiza irery ny zanany, amin’ny voalohany?
5 Diniho ny raharaha fitantanana tokantrano. “Misy toe-javatra maro izay anirianao ny hisian’ny lehilahy iray ao an-trano”, hoy ny fieken’ny vehivavy iray nisara-panambadiana, “tahaka ny rehefa manomboka misy maneno amin’ny aotomobilinao nefa tsy fantatrao hoe avy aiza ilay izy.” Ny lehilahy izay nanjary nisara-panambadiana na maty vady vao haingana dia mety hisafotofoto toy izany koa noho ireo raharaha ao amin’ny ankohonana izay tsy maintsy tontosainy izao. Ho an’ny ankizy, ny korontana ao an-trano dia manampy ny efa fahatsapany ho tsy miorina tsara sy hanana ahiahy.
6, 7. a) Ohatra tsara dia tsara inona no navelan’ilay “vehivavy mahay” ao amin’ny Ohabolana? b) Ahoana no anampian’ny fahazotoana eo amin’ny andraikitra ao an-trano, ao amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny?
6 Inona no afaka manampy? Mariho ny ohatra navelan’ilay “vehivavy mahay” voalazalaza ao amin’ny Ohabolana 31:10-31 (fanamarihana ambany pejy). Mahavariana ny habetsahan’ny karazan’ireo zava-bitany — nividy, nivarotra, nanjaitra, nahandro, nampiasa vola tao amin’ny fandraharahana momba ny trano sy ny tany, namboly sy niompy, ary nitantana raharaha iray. Ny tsiambaratelony? Nazoto izy, ka niasa hatramin’ny alina be sy nifoha maraina be mba hanombohana ireo zavatra hataony. Nahay nandamin-javatra koa izy, ka nanankina raharaha sasany tamin’ny hafa ary nampiasa ny tanany mba hikarakarana ny hafa. Tsy mahagaga raha nahazo fiderana izy!
7 Raha ray (na reny) mitaiza irery ny zanakao ianao, dia aoka ianao ho malina tsara raha ny amin’ireo andraikitrao ao an-trano. Mahità fahafaham-po amin’izany asa izany, satria izany dia hanampy be dia be ny fahasambaran’ireo zanakao. Kanefa tena ilaina ny fanaovana fandaharana mialoha tsara sy ny fahaiza-mandamin-javatra tsara. Hoy ny Baiboly: “Ny [fanaovan’ny mazoto fandaharana mialoha, NW ] dia mampanan-karena”. (Ohabolana 21:5). Niaiky toy izao ny ray iray mitaiza irery ny zanany: “Mirona tsy hieritreritra momba ny sakafo aho raha tsy efa noana.” Ny sakafo efa nanaovana fandaharana mialoha anefa dia hahavelona kokoa sy hanintona kokoa noho ireo izay namboarina haingana teo no ho eo. Mety ho voatery hianatra hampiasa ny tananao hanao zavatra vaovao koa ianao. Amin’ny fakana hevitra amin’ny namana mahay sy ny boky fanoroan-kevitra azo ampiharina ary ny olona matihanina afaka manampy, ny reny sasany mitaiza irery ny zanany dia nanjary afaka nikatroka ny asa fandokoana sy fanamboarana fantson-drano ary fanamboarana ny simba tsotsotra amin’ny aotomobilina.
8. Ahoana no ahafahan’ny zanaky ny ray (na ny reny) mitaiza azy irery manampy amin’ny raharaha ao an-trano?
8 Ara-drariny ve ny fangatahana ny hanampian’ireo ankizy? Nanjohy hevitra toy izao ny reny iray mitaiza irery ny zanany: “Maniry hanonitra ny tsy maha-eo ny rainy ianao amin’ny fanamorana ny fiainan’ireo ankizy.” Mety ho mora azo izany, nefa angamba tsy ny tsara indrindra foana ho an’ilay zaza. Ny tanora natahotra an’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly dia notendrena hanao raharaha nifanentana taminy. (Genesisy 37:2; Tonon-kiran’i Solomona 1:6). Koa, na dia hitandrina tsy hanototra asa ireo zanakao aza ianao, dia haneho fahendrena raha manendry azy ireo hanao raharaha, toy ny fikarakarana ny lovia na ny fihazonana ny efitranony ho madio. Nahoana raha miara-manatontosa raharaha sasany? Afaka ny ho tena mahafinaritra izany.
NY ZAVA-TSAROTRA NY AMIN’NY FITADIAVANA FIVELOMANA
9. Nahoana ny reny mitaiza irery ny zanany no miatrika fahasahiranana ara-bola matetika?
9 Ny ankamaroan’ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany dia mahita fa sarotra ny mitady vola, ary ireo reny tanora tsy manambady mazàna no tena mafy ady. * Any amin’ireo tany misy fanampian’ny fanjakana, dia mety haneho fahendrena izy ireo raha mampiasa izany, fara faharatsiny mandra-pahitany asa. Ny Baiboly dia manome lalana ny Kristiana mba hampiasa ny fandaharana toy izany, rehefa tena ilaina izany. (Romana 13:1, 6). Miatrika zava-tsarotra toy izany koa ireo vehivavy maty vady sy nisara-panambadiana. Maro aminy, izay voatery miditra ao amin’ny tsenan’ny asa indray, rehefa avy nikarakara tokantrano nandritra ny taona maro, no tsy mahita afa-tsy asa kely karama matetika. Ny sasany mahavita manatsara ny fiainany amin’ny firotsahana amin’ny fandaharam-piofanana ho amin’ny asa iray na amin’ny fianarana tsy maharitra ela any an-tsekoly.
10. Ahoana no ahafahan’ny reny mitaiza irery ny zanany manazava amin’izy ireo ny antony tsy maintsy itadiavany asa?
10 Aza gaga raha tsy faly ireo zanakao rehefa mitady asa ianao, no sady aza mahatsiaro ho meloka. Hazavao amin’izy ireo kosa ny antony tsy maintsy iasanao, ary ampio izy ireo hahatakatra fa i Jehovah dia mitaky ny hamelomanao azy ireo. (1 Timoty 5:8). Amin’ny farany, dia hanitsy ny fomba fihetsiny ny ankamaroan’ny ankizy. Kanefa, miezaha hiara-mandany fotoana aminy betsaka araka izay amelan’ny fandaharam-potoananao feno anao hanao izany. Ny fanehoam-piheverana amim-pitiavana toy izany dia afaka manampy koa mba hampihena ho faran’izay kely ny vokatr’izay fahaterena ara-bola mety ho hitan’ny fianakaviana. — Ohabolana 15:16, 17.
IZA NO MIKARAKARA AN’IZA?
11, 12. Fetra inona avy no tsy maintsy arovan’ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany, ary ahoana no ahafahany manao izany?
11 Ara-dalàna raha akaiky manokana an’ireo zanany ireo ray sy reny mitaiza irery azy ireo, kanefa tsy maintsy tandremana sao rava ireo fetra nataon’Andriamanitra hampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ohatra, afaka mipoitra ny fahasahiranana lehibe raha manantena ny handraisan’ny zanany lahy ireo andraikitry ny lahy ao an-trano ny reny iray mitaiza irery ny zanany, na hoe mitondra ny zanany vavy ho toy ny namana ianteherany, ka manavesatra an’ilay ankizivavy amin’ireo zava-manahirana azy miafina. Tsy araka ny mety sy mampihenjana ary angamba mampisafotofoto ny zaza iray ny fanaovana izany.
12 Omeo toky ireo zanakao fa ianao, ilay ray (na ilay reny), no hikarakara azy ireo — fa tsy ny mifamadika amin’izany akory. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:14.) Indraindray, dia mety hila torohevitra na fanohanana ianao. Amin’ireo loholona kristiana na angamba amin’ny vehivavy kristiana matotra izany no tadiavo, fa tsy amin’ny zanakao tsy ampy taona akory. — Titosy 2:3.
FIHAZONANA NY FIFEHEZANA
13. Zava-manahirana inona momba ny fifehezana no mety hatrehin’ny reny mitaiza irery ny zanany?
13 Mety tsy hanan-java-manahirana firy ny lehilahy mba tena horaisina ho toy ny mpampihatra fifehezana, fa ny vehivavy kosa mety hanan-java-manahirana amin’io lafiny io. Hoy ny reny iray mitaiza irery ny zanany: “Manana vatan-dehilahy sy feon-dehilahy ireo zanako lahy. Indraindray dia sarotra ny tsy hiseho ho tsy tapa-kevitra na hoe malemy, raha oharina aminy.” Ankoatra izany, dia mety ho mbola malahelo noho ny nahafatesan’ny vady malalanao ianao, na angamba mety hahatsiaro ho meloka na tezitra noho ny faharavan’ny fanambadianao ianao. Raha samy manana zo araka ny lalàna hitaiza ny ankizy ianareo, dia mety hatahotra ianao sao ho tian’ny zanakao kokoa ny miaraka amin’ilay vadinao taloha. Ny tarehin-javatra toy izany dia afaka manasarotra ny fampiharana fifehezana voalanjalanja.
14. Ahoana no ahafahan’ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany mihazona fomba fihevitra voalanjalanja momba ny fifehezana?
14 Milaza ny Baiboly fa “ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny”. (Ohabolana 29:15). Manana ny fanohanan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’ny fanorenana sy ny fampiharana fitsipika ao amin’ny fianakavianao ianao, koa aza manaiky ho resin’ny fahatsiarovana ho meloka, ny nenina, na ny tahotra, àry. (Ohabolana 1:8). Aza mampandefitra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly na oviana na oviana. (Ohabolana 13:24). Miezaha mba hahalala ny antonona sy tsy hiovaova ary ho hentitra. Amin’ny farany, dia hanaiky izany ny ankamaroan’ireo ankizy. Na dia izany aza, dia ho tianao ny haneho fiheverana ny fihetseham-pon’ireo zanakao. Hoy ny ray iray mitaiza irery ny zanany: “Tsy maintsy nohalefahiko tamin’ny fahazoana ny fihevitr’izy ireo ny fifehezako, noho ny fahatairan’izy ireo tamin’ny famoizana an-dreniny. Niresaka tamin’izy ireo isaky ny nisy fahafahana aho. Manana ‘fotoana mahafinaritra’ izahay rehefa manomana ny sakafo hariva. Amin’izay izy ireo no tena mamboraka ny ao am-pony amiko.”
15. Inona no tokony hohalavirin’ny ray (na ny reny) nisara-panambadiana, rehefa miresaka momba ilay vadiny taloha izy?
15 Raha nisara-panambadiana ianao, dia tsy misy zavatra tsara vitan’ny fampihenana ny fanajana an’ilay vadinao taloha. Ny fifamalian’ny ray aman-dreny dia mampanaintaina ny ankizy ary amin’ny farany dia hampihena ny fanajan’izy ireo anareo roa. Noho izany, dia halaviro ny teny mandratra toy ny hoe: “Tena tahaka an-drainao mihitsy ianao!” Na manao ahoana na manao ahoana fanaintainana mety ho naterak’ilay vadinao taloha taminao, dia mbola rain’ny (na renin’ny) zanakao ihany izy, ary ny zanakao dia mila ny fitiavana sy ny fanehoam-piheverana ary ny fifehezan’ny rainy sy ny reniny.16. Fandaharana ara-panahy inona avy no tokony hanana ny toerany tsy tapaka ao amin’ny fifehezana, ao amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ny ray (na ny reny)?
16 Araka ny noresahina tao amin’ireo toko teo aloha, dia tafiditra ao amin’ny fifehezana koa ny fampiofanana sy ny fampianarana, fa tsy ny fanasaziana fotsiny akory. Zava-manahirana maro no azo halavirina amin’ny alalan’ny fandaharam-pampiofanana ara-panahy tsara. (Filipiana 3:16). Tena ilaina ny fanatrehana fivoriana kristiana tsy tapaka. (Hebreo 10:24, 25). Toy izany koa ny fianaran’ny fianakaviana ny Baiboly isan-kerinandro. Marina fa tsy mora ny mihazona an’io fianarana io hitohy tsy tapaka. “Rehefa avy niasa nandritra ny andro ianao, dia tena maniry haka aina”, hoy ny reny iray malina tsara. “Nefa miomana ara-tsaina mba hiara-mianatra amin’ny zanako vavy aho, satria fantatro fa zavatra ilaina hatao ilay izy. Tena tiany ny fianaram-pianakavianay!”
17. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fitaizana tsara dia tsara azon’i Timoty, naman’i Paoly?
17 I Timoty, naman’ny apostoly Paoly, dia mazava ho azy fa nahazo ny fampiofanana azony momba ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly avy tamin’ny reniny sy ny renibeny — ary miharihary fa tsy avy tamin’ny rainy. Kanefa, tonga Kristiana niavaka toy inona moa i Timoty! (Asan’ny Apostoly 16:1, 2; 2 Timoty 1:5; 3:14, 15). Afaka manantena ny hahazo vokatra tsara toy izany koa ianao eo am-pikelezanao aina mitaiza ny zanakao “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. — Efesiana 6:4, NW.
FANDRESENA NY ADY ATAO AMIN’NY FAHATSIAROVANA HO MANIRERY
18, 19. a) Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ho manirery miseho eo amin’ny fiainan’ny ray (na ny reny) mitaiza irery ny zanany? b) Torohevitra inona no omena mba hanampiana hifehy ireo filan’ny nofo?
18 Nisento toy izao ny olona iray mitaiza irery ny zanany: “Rehefa mody aho ka tsy mahita afa-tsy ireo rindrina efatra 1 Timoty 5:11, 12, NW ). Ny famelana ny filan’ny nofo hanakona ny tombontsoa ara-panahy dia hitondra fahavoazana. — 1 Timoty 5:6.
ireo, ary indrindra fa rehefa lasa natory ny ankizy, dia tena resin’ny fahatsiarovana ho manirery aho.” Eny, ny fahatsiarovana ho manirery matetika no zava-manahirana lehibe indrindra atrehin’ny ray (na ny reny) mitaiza irery ny zanany. Ara-dalàna ny haniriana mafy ny fisakaizana mafana sy ny fifandraisana akaiky omen’ny fanambadiana. Tokony hitady handamina io zava-manahirana io ve anefa ny olona iray, na inona na inona vidiny? Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, ny mpitondratena tanora sasany dia namela ny ‘filany teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy hankeo anelanelan’izy sy i Kristy’. (19 Hoy ny lehilahy kristiana iray: “Tena mahery ny filana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, nefa afaka mifehy azy ireo ianao. Rehefa misy eritreritra tonga ao an-tsainao, dia tsy voatery hifantoka amin’ilay izy akory ianao. Tsy maintsy manesotra azy io ianao. Manampy koa ny fieritreretana momba ny zanakao.” Hoy ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra: ‘Vonoy ny momba ny tenanareo, [raha ny amin’ny filanareo mafy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, NW ].’ (Kolosiana 3:5). Raha toa ianao ka miezaka hamono ny filanao mafy hihinana, moa ve ianao hamaky gazetiboky mampiseho sary misy sakafo matsiro, na hifanerasera amin’olona izay miresaka tsy an-kijanona momba ny sakafo? Tsy izany mihitsy! Marina koa izany ny amin’ny filan’ny nofo.
20. a) Loza inona no mamitsaka miandry an’ireo izay “mampiaraka” amin’ny tsy mpino? b) Ahoana no niadian’ireo olona tsy manambady tamin’ny taonjato voalohany sy amin’izao andro izao, tamin’ny fahatsiarovana ho manirery?
20 Nisy Kristiana nanomboka “nampiaraka” tamin’ny tsy mpino. (1 Korintiana 7:39). Nandamina ny zava-nanahirana azy ve izany? Tsia. Nampitandrina toy izao ny vehivavy kristiana iray nisara-panambadiana: “Misy zavatra iray izay ratsy lavitra noho ny fitoerana ho tsy manambady. Izany dia ny fanambadiana ilay olona tsy izy!” Ireo mpitondratena kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia tsy isalasalana fa notafihin’ny fahatsiarovana ho manirery, nefa ireo hendry dia nitoetra ho be hatao ‘tamin’ny fampiantranoana vahiny, sy tamin’ny fanasana ny tongotry ny olona masina, ary tamin’ny famonjena ny nozoim-pahoriana’. (1 Timoty ). Ny Kristiana mahatoky amin’izao andro izao, izay niandry nandritra ny taona maro vao nahita vady matahotra an’Andriamanitra, dia nitoetra ho be hatao toy izany koa. Ny mpitondratena kristiana iray 68 taona, dia nanomboka nitsidika mpitondratena hafa, isaky ny nahatsiaro ho manirery. Hoy izy: “Hitako fa rehefa manao ireny fitsidihana ireny aho, sy maharaka ny raharahako ao an-trano, ary mikarakara ny fahasalamako ara-panahy, dia tsy manam-potoana hahatsiarovana ho manirery.” Ny fampianarana ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia asa tsara tena mitondra soa indrindra. — 5:10Matio 28:19, 20.
21. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny vavaka sy ny fifaneraserana tsara manampy mba handresena ny fahatsiarovana ho manirery?
1 Timoty 5:5). Ny hoe fitalahoana dia fiangaviana fatratra, eny, fangatahana fanampiana, angamba amin’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be. (Ampitahao amin’ny Hebreo 5:7.) Tena afaka manampy tokoa ny famborahana ny ao am-ponao amin’i Jehovah “andro aman-alina”. Ankoatra izany, ny fifaneraserana madio dia afaka manampy be dia be mba hamenoana ny fahabangan’ny fahatsiarovana ho manirery. Amin’ny alalan’ny fifaneraserana tsara, ny tena dia afaka mahazo ilay “teny soa” mampahery lazalazaina ao amin’ny Ohabolana 12:25.
21 Ekena fa tsy misy fanafody mahagaga ho an’ny fahatsiarovana ho manirery. Azo iaretana anefa izy io noho ny hery avy amin’i Jehovah. Azo io hery io rehefa “maharitra amin’ny [fitalahoana, NW ] sy ny fivavahana andro aman-alina” ny Kristiana iray. (22. Hevitra inona avy no hanampy rehefa mipongatra tsindraindray ny fahatsiarovana ho manirery?
22 Raha mipongatra tsindraindray ny fahatsiarovana ho manirery — ary azo inoana fa hitranga izany — dia tadidio fa tsy misy olona manana fiainana tonga lafatra. Eny tokoa, ny “rahalahinareo rehetra” dia mijaly noho ny antony iray na hafa. (1 Petera 5:9). Halaviro ny mifantoka amin’ny lasa. (Mpitoriteny 7:10). Visavisao ireo tombony anananao. Ambonin’ny zava-drehetra, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hihazona ny tsy fivadihanao sy hampifaly ny fon’i Jehovah. — Ohabolana 27:11.
NY FOMBA AHAFAHAN’NY HAFA MANAMPY
23. Andraikitra inona no ananan’ny Kristiana hafa eo anatrehan’ny ray (na ny reny) mitaiza irery ny zanany ao amin’ny kongregasiona?
23 Tsy voavidim-bola aman-karena ny fanohanana sy ny fanampian’ny Kristiana hafa. Hoy ny Jakoba 1:27: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany”. Eny, ny Kristiana dia manana adidy hanampy ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny. Inona avy no fomba sasany azo ampiharina ka ho azo anaovana izany?
24. Amin’ny fomba ahoana avy no azo anampiana ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ka sahirana?
24 Azo atao ny manome fanampiana ara-nofo. Hoy ny 1 Jaona 3:17). Ny teny grika tany am-boalohany nilazana ny hoe “mahita” dia tsy midika hoe fanopaza-maso sendra atao fotsiny, fa fibanjinana iniana atao. Izany dia manondro fa ho azon’ny Kristiana iray tsara fanahy atao ny hamantatra ny toe-javatra misy ny fianakaviana iray sy ny zavatra ilainy. Angamba mila vola izy ireo. Ny sasany mety hila fanampiana amin’ny fanamboarana ny simba ao an-tranony. Na mety hankasitraka ny hanasana azy hisakafo na hiara-mikorana fotsiny izy ireo.
Baiboly: “Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?” (25. Ahoana no azon’ireo Kristiana hafa ampisehoana fangorahana amin’ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany?
25 Ambonin’izany, dia hoy ny 1 Petera 3:8: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo”. Hoy ny reny iray mitaiza irery ireo zanany enina: “Mafy ilay izy ary indraindray aho dia rera-po. Kanefa, tsindraindray dia milaza amiko ny iray amin’ireo anadahy na rahavavy hoe: ‘Vitanao tsara izy izany, Joan a. Ho mendrika ny anaovanao azy ny vokany.’ Ny fahafantarana fotsiny hoe mieritreritra anao ny hafa, no sady miahy, dia tena manampy be.” Ny vehivavy kristiana be taona kokoa indrindra no mety hahita vokatra amin’ny fanampiana ireo vehivavy tanora izay mitaiza irery ny zanany, amin’ny fihainoana azy ireo, rehefa manan-java-manahirana izay mety hahasanganehana azy ny hiresaka azy amin’ny lehilahy iray, izy ireo.
26. Ahoana no ahafahan’ireo lehilahy kristiana matotra manampy an’ireo kamboty ray?
26 Ireo lehilahy kristiana dia afaka manampy amin’ny fomba hafa. Hoy i Joba, lehilahy marina: “Namonjy (...) ny kamboty [ray, NW ] izay tsy [nana-mpanampy, NW ] [aho].” (Joba 29:12). Ny lehilahy kristiana sasany amin’izao andro izao dia manisy fiheverana madio toy izany koa amin’ny kamboty ray ka mampiseho “fitiavana [marina] avy amin’ny fo madio”, amin’ny tsy fananana antony manosika mampisalasala. (1 Timoty 1:5). Sady tsy hanao tsirambina ny fianakavian’ny tenany manokana izy ireo, no ho azony atao ny handamina tsindraindray ny hiara-miasa amin’ireny ankizy ireny eo amin’ny fanompoana kristiana, ary ho azony atao koa ny hanasa azy ireny ho amin’ny fianaram-pianakaviana na ny fanarian-dia ataony. Ny hatsaram-panahy toy izany dia mety hamonjy tsara ny kamboty ray iray amin’ny lalan’ny faniasiavana.
27. Afaka mahazo toky ny amin’ny fanohanana inona ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany?
27 Amin’ny farany, mazava ho azy, ireo ray sy reny mitaiza irery ny zanany dia tsy maintsy ‘mitondra ny entany’, izany hoe ny andraikiny. (Galatiana 6:5). Na dia izany aza, izy ireo dia afaka manana ny fitiavan’ireo rahalahy sy anabavy kristiana, sy ny an’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Hoy ny Baiboly momba azy: “Manandratra ny kamboty [ray, NW ] sy ny mpitondratena [izy]”. (Salamo 146:9). Noho ny Fanampiany amim-pitiavana, dia afaka mahomby ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny!
^ feh. 9 Raha tonga bevohoka noho ny fahalotoam-pitondran-tena ny Kristiana tanora iray, ny kongregasiona kristiana dia tsy manala tsiny mihitsy ny zavatra nataony. Raha mibebaka anefa izy, ireo loholon’ny kongregasiona sy ny hafa ao amin’ny kongregasiona dia mety haniry hanolotra fanampiana ho azy.
^ feh. 15 Tsy miresaka ny amin’ny tarehin-javatra izay mety hilan’ny zaza iray ny ho voaro amin’ny ray (na reny) mampijaly, izahay eto. Afa-tsy izany koa, raha mitady hampihena ny fahefanao ilay vadinao taloha, angamba amin’ny fitadiavana hampiaiky ireo ankizy handao anao, dia mety ho tsara ny hiresahana amin’ny namana za-draharaha, toy ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana, mba hahazoana torohevitra momba ny fomba handaminana ilay tarehin-javatra.