Fonony Anatiny eo Aloha
Fonony Anatiny eo Aloha
Ry tanora malala,
Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Mifalia ry tanora dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao, ka ataovy izay irin’ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao.” (Mpitoriteny 11:9) Be dia be ny zavatra mahaliana sy mahafinaritra azonao atao, raha mbola tanora ianao. Ataovy àry izay mahafinaritra anao. Mitandrema anefa sao mampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitra. Aza hadinoina mihitsy fa mahita izay ataonao izy, ary mbola hitsara anao. Hendry àry ianao, raha manaraka ity torohevitra fanampiny nomen’i Solomona ity: “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.”—Mpitoriteny 12:1.
Enga anie ity boky ity ka hanampy anao handresy ny olana sy fakam-panahy mpahazo ny tanora, ary hahay handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ianao. Hampifaly ny fony ianao amin’izay.—Ohabolana 27:11.
Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah