Ohabolana 7:1-27
7 Araho foana ny teniko, anaka,Ary tehirizo ao am-ponao ny didiko.+
2 Araho ny didiko, dia ho velona ianao,+Ary arovy toy ny anakandriamasonao ny teniko.*
3 Afatory eo amin’ny rantsantananao izany,Ary soraty eo amin’ny fonao.+
4 Lazao amin’ny fahendrena hoe: “Anabaviko ianao”,
Ary amin’ny fahiratan-tsaina hoe: “Havako ianao.”
5 Amin’izay ianao harovany amin’ny vehivavy maditra,*+Sy amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena,* izay manao teny malefaka.*+
6 Tamin’izaho nitazana avy teo am-baravarankelin’ny tranoko,Teo amin’ilay makarakara,
7 Dia nandinika an’ireo olona mora fetsifetsena* aho,Ka nahamarika tovolahy iray tsy ampy saina,* izay niaraka tamin’ny tanora maromaro.+
8 Nandalo teo amin’ilay zoron-dalana teny akaikin’ny tranon’ilay vehivavy izy,Dia nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tranony.
9 Harivariva efa maizimaizina tamin’izay,+Rehefa ho alina sy maizina iny ny andro.
10 Dia iny nisy vehivavy nitsena azy,Nanao akanjona mpivaro-tena+ sady fetsifetsy.
11 Petsam-bava be izy sady sahisahy.+
Tsy mba mipetraka an-trano mihitsy koa izy,*
12 Fa mbetika eny ivelany, mbetika eny amin’ny tany malalaky ny tanàna.Eny akaikin’ny zoron-dalana rehetra eny izy no miandriandry.+
13 Notazoniny ilay tovolahy dia norohany.Hita hoe sahisahy be ilay vehivavy niteny hoe:
14 “Tsy maintsy nanao sorona iombonana aho,+
Ary nanefa ny voadiko aho androany.
15 Dia nivoaka hitsena anao ahoMba hitady anao, dia hitako ianao!
16 Efa nasiako lambam-pandriana tsara tarehy ny fandrianako,Lamba rongony marevaka avy any Ejipta.+
17 Efa nofafazako miora sy aloesy ary kanelina koa ny fandrianako.+
18 Andao isika hiara-higoka ny hamamin’ny fitiavana, mandra-paharainan’ny andro.Andao isika haka fahafinaretana amin’ny fifanehoam-pitiavana.
19 Tsy ao an-trano mantsy ny vadiko,Fa nandeha lavitra be.
20 Nitondra kitapom-bola izy,Dia tsy hody raha tsy efa fenomanana ny volana.”
21 Noreseny lahatra teo foana ilay tovolahy dia voafitaka.+
Nanaovany teny malefaka izy ka babony.
22 Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy, toy ny omby entina hovonoina,Ary hoatran’ny adala hosazina dia hasiana gadra hazo.*+
23 Farany, dia nitsatoka tamin’ny atiny ny zana-tsipìka.Toy ny vorona misosososo mankao anaty fandrika izy, ka tsy fantany hoe haningotra ny ainy izany.+
24 Henoy àry aho, anaka,Henoy tsara izay lazaiko.
25 Aza avela hivily mankany amin’ny lalan’ilay vehivavy ny fonao.
Aza mandehandeha eny amin’ny lalany,+
26 Fa be dia be ny olona efa matiny,+Ary betsaka no efa novonoiny.+
27 Lalana mankany amin’ny Fasana* ny tranony,Dia lalana midina mankany amin’ny efitra anatiny misy ny maty.
Fanamarihana
^ Na: “lalàko.”
^ Na: “manangoly.”
^ Na: “olona tsy dia nahita fiainana; olona tanora fanahy.”
^ Abt: “tsy misy fo.”
^ Abt: “ny tongony.”