Ohabolana 31:1-31
31 Izao no tenin’i Lemoela Mpanjaka, izany hoe ny hafatra mafonja nolazain’ny reniny mba hampianarana azy:+
2 Inona no holazaiko aminao, anaka?Inona no holazaiko, ry ilay naloaky ny kiboko,Ilay zanaka azoko tamin’ny voady?+
3 Aza mandany ny herinao amin’ny vehivavy,+Ary aza manaraka fomba fiaina ratsy, fa izany no mahatonga ny mpanjaka ho ripaka.+
4 Tsy tsara ho an’ny mpanjaka, ry Lemoela ô,Tsy tsara ho an’ny mpanjaka ny misotro divay,Na ho an’ny mpitondra ny manontany hoe: “Aiza ny toakako?”+
5 Sao hisotro izy dia hanadino ny didy efa navoaka,Ka hanitsakitsaka ny zon’ny madinika.
6 Omeo toaka izay efa ho faty,+Ary omeo divay izay kivy be.+
7 Aleo izy hisotro dia ho hadinony ny fahantrany,Ary aleo izy tsy hahatsiaro intsony ny fahoriany.
8 Mitenena mba hiaro an’izay tsy afaka miteny,Ary arovy ny zon’izay rehetra efa ho faty.+
9 Mitenena ka mitsarà araka ny rariny.Arovy ny zon’ny* madinika sy ny mahantra.+
א [Alefa]
10 Iza no nahita vady tsara?*+
Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina* izany vehivavy izany.
ב [Beta]
11 Matoky azy amin’ny fony manontolo ny vadiny,Sady manana an’izay rehetra ilainy.
ג [Gimela]
12 Tsara ny ataon’ilay vehivavy aminy fa tsy ratsy,Mandritra ny androm-piainany.
ד [Daleta]
13 Mitady volonondry sy lamba rongony ilay vehivavy,Ary mahafinaritra azy ny miasa amin’ny tanany.+
ה [He]
14 Hoatran’ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy,+Ka mitondra ny sakafony avy any lavitra.
ו [Vao]
15 Mifoha koa izy na dia mbola alina aza,Ka manome sakafo ho an’ny ankohonanySy anjara sakafo* ho an’ny mpanompovaviny.+
ז [Zaina]
16 Mandinika tsara aloha izy vao mividy saha.Ny asa mafy nataony* no ahafahany mamboly voaloboka.
ח [Heta]
17 Miomana hiasa mafy izy,*+Ka hatanjahiny ny sandriny.
ט [Teta]
18 Hitany fa ahazoany tombony ny varotra ataony,Ary tsy maty jiro izy mandritra ny alina.
י [Yôda]
19 Alainy ny fitazonana kofehy mbola tsy voafoly,*Ary tazoniny koa ny ampela.*+
כ [Kafa]
20 Manatsotra ny tanany hanampy ny madinika izy,Sady malala-tanana amin’ny mahantra.+
ל [Lameda]
21 Tsy manahy ny amin’ny ankohonany izy rehefa latsaka ny lanezy,Satria manao akanjo mafana* daholo izy mianakavy.
מ [Mema]
22 Izy ihany no manamboatra ny lambam-pandrianany,
Ary lamba rongony sy volonondry volomparasy ny akanjony.
נ [Nona]
23 Be mpahafantatra eo am-bavahadin’ny tanàna ny vadiny,+Eo amin’ilay toerana iarahany mipetrapetraka amin’ny anti-panahy* ao amin’ilay tany.
ס [Sameka]
24 Manamboatra akanjo rongony* izy, dia mivarotra an’izany.Mamatsy fehikibo ho an’ny mpivaro-mandeha koa izy.
ע [Aina]
25 Hery sy voninahitra no akanjony,Ary feno toky izy miandrandra ny hoavy.*
פ [Pe]
26 Hita hoe hendry izy rehefa miteny,+Ary ny lalàn’ny hatsaram-panahy no eo am-bavany.*
צ [Tsade]
27 Manara-maso an’izay mitranga ao an-tokantranony izy,Ary tsy mihinana ny mofon’ny hakamoana.+
ק [Kôfa]
28 Mitsangana ny zanany, ka milaza azy hoe sambatra.Mitsangana koa ny vadiny, ka midera azy hoe:
ר [Resa]
29 Betsaka ny vehivavy mahay,*Fa ianao mbola mihoatra noho izy rehetra.
ש [Shina]
30 Mety hamitaka ny hatsaram-bika, ary mety hihelina* ihany ny hatsaran-tarehy,+Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hoderaina.+
ת [Tao]
31 Omeo valisoa izy noho izay ataony,*+Ary aoka hidera azy eny am-bavahadin’ny tanàna ny asany.+
Fanamarihana
^ Na: “Miadia ho an’ny.”
^ Na: “mahay?”
^ Na mety hoe “asa.”
^ Na: “Ny karamany.” Abt: “Ny vokatry ny tanany.”
^ Abt: “Sikinany hery ny andilany.”
^ Hazokely fampiasan’ny mpanenona.
^ Izany hoe mbola tsy tena kofehy fa vohavoha mbola miboraboraka.
^ Abt: “roa sosona.”
^ Na: “akanjo anatiny vita amin’ny lamba rongony.”
^ Na: “ihomehezany ny andro ho avy.”
^ Na: “Ary tsara fanahy izy rehefa mampianatra.” Abt: “Eo amin’ny lelany ny lalàn’ny fitiavana sy tsy fivadihana.”
^ Na: “tena tsara.”
^ Na: “mety ho zava-poana.”
^ Abt: “Omeo avy amin’ny vokatry ny tanany izy.”