Mpitsara 6:1-40
6 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray anefa ny Israelita,+ ka navelan’i Jehovah ho resin’ny Midianina izy ireo nandritra ny fito taona.+
2 Dia nanjakazaka tamin’ny Israely ny Midianina.+ Noho ny nataon’ny Midianina, dia nanamboatra toerana hiafenany* ny Israelita. Nataon’izy ireo teny an-tendrombohitra izany sy tao amin’ireo lava-bato ary tany amin’ireo toerana sarotra aleha.+
3 Ary rehefa namafy voa ny Israely, dia nanafika azy ny Midianina sy ny Amalekita+ ary ny Tatsinanana.+
4 Nanangana toby izy ireo dia notafihiny ny Israely. Dia nosimban’izy ireo ny vokatry ny tany, hatrany Gaza. Nataony tsy nanana na inona na inona hatao sakafo intsony ny Israely. Ary nalainy daholo na ny ondry na ny omby na ny ampondra.+
5 Nitondra biby fiompy sy tranolay izy ireo ary nanao rodobe hoatran’ny valala.+ Tsy voaisa koa izy ireo sy ny ramevany.+ Ary ny hanimba an’ilay tany no nahatongavany.
6 Lasa nahantra be àry ny Israely noho ny nataon’ny Midianina. Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah ny Israelita.+
7 Rehefa niantso vonjy tamin’i Jehovah ny Israelita noho ny nataon’ny Midianina,+
8 dia naniraka mpaminany ho any amin’ny Israelita i Jehovah mba hiteny amin’izy ireo hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izaho no nitondra anareo avy tany Ejipta, ka nanafaka anareo tany amin’ny toerana nanandevozana anareo.+
9 Dia namonjy anareo tamin’ny Ejipsianina sy tamin’izay rehetra nampijaly anareo aho. Noroahiko ny fahavalonareo, ary nomeko anareo ny taniny.+
10 Dia niteny taminareo koa aho hoe: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ Aza mivavaka amin’ireo* andriamanitra ivavahan’ny Amorita, izay tompon’ny tany ipetrahanareo.”+ Tsy nankatò ahy* anefa ianareo.’”+
11 Ary tonga ilay anjelin’i Jehovah taorian’izay,+ ka nipetraka teo ambanin’ilay hazoben’i Joasy Abi-ezerita, tany Ofra.+ Nively varimbazaha tao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka i Gideona+ zanakalahin’i Joasy tamin’izay, mba tsy ho hitan’ny Midianina.
12 Dia niseho taminy ilay anjelin’i Jehovah, ka niteny hoe: “Momba anao i Jehovah,+ ry miaramila matanjaka!”
13 Hoy anefa i Gideona taminy: “Azafady tompoko, fa raha momba anay i Jehovah, maninona no manjo anay izao zavatra rehetra izao?+ Aiza daholo izao ny zava-mahagaga nataony, ilay notantarain’ny razambenay taminay+ hoe: ‘I Jehovah no nitondra antsika nivoaka avy tany Ejipta’?+ Efa nafoin’i Jehovah izahay,+ ka navelany hanompo ny Midianina.”
14 Dia nijery azy i Jehovah ka niteny hoe: “Mandehana, ary ampiasao ny hery anananao mba hamonjena ny Israely eo an-tanan’ny Midianina.+ Izaho no maniraka anao.”
15 Ary hoy ny navalin’i Gideona: “Azafady Jehovah ô, ahoana moa no hamonjeko ny Israely? Ny fianakaviako* ange no tsinontsinona indrindra ao amin’ny fokon’i Manase e! Dia izaho no tsy misy dikany indrindra ao amin’ny fianakavian’ny dadako.”
16 Hoy anefa i Jehovah: “Hanampy anao aho,+ ka ho resinao hoatran’ny fandresena olona anankiray ny Midianina.”
17 Dia hoy i Gideona: “Raha mahazo sitraka aminao àry aho, dia manaova famantarana mba hahalalako fa ianao tokoa no miresaka amiko.
18 Aza miala eto, azafady, mandra-piveriko, fa handeha haka fanomezana aho mba hoentiko eto aminao.”+ Dia hoy izy: “Hijanona eto aho mandra-piverinao.”
19 Ary lasa i Gideona, ka nahandro zanak’osy sy nanamboatra mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarinina iray efaha.*+ Dia nataony tao anaty harona ny hena, ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena. Dia nentiny tany amin’ilay anjely izany ka narosony azy, teo ambanin’ilay hazobe.
20 Ary hoy ilay anjelin’ilay tena Andriamanitra: “Alaivo ilay hena sy ilay mofo tsy misy lalivay, ka apetraho erỳ ambonin’irỳ vatobe irỳ, ary araraho eo ilay ron-kena.” Dia nataon’i Gideona izany.
21 Ary nokasihin’ilay anjelin’i Jehovah tamin’ny tendron’ny tehina teny an-tanany ilay hena sy ny mofo tsy misy lalivay. Dia nisy afo nivoaka avy tamin’ilay vato ka nandevona an’ilay hena sy ilay mofo tsy misy lalivay.+ Nanjavona ilay anjelin’i Jehovah avy eo ka tsy hitan’i Gideona intsony.
22 Izay vao fantany hoe anjelin’i Jehovah ilay teo.+
Dia hoy i Gideona: “Maty aho, ry Jehovah Tompo Fara Tampony, fa nahita* anjelin’i Jehovah!”+
23 Fa hoy i Jehovah taminy: “Aza taitaitra ianao!* Aza matahotra+ fa tsy ho faty ianao.”
24 Nanamboatra alitara ho an’i Jehovah teo àry i Gideona. Natao hoe Jehovah-saloma*+ ny anaran’ilay alitara. Izany no iantsoana an’ilay izy hatramin’izao, ary mbola any Ofra, tanànan’ny Abi-ezerita, ilay izy.
25 Hoy i Jehovah tamin’i Gideona rehefa alina ny andro: “Alaivo ny vantotr’ombilahin’ny dadanao, dia ilay vantotr’omby faharoa efa fito taona. Arodano koa ny alitaran’i Bala, izay an’ny dadanao, ary tapaho ny tsato-kazo masina* eo akaikiny.+
26 Ary manamboara alitara ho an’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tampon’ity toerana voaro mafy ity, ka ataovy milahatra tsara ny vato eo aminy. Ary alaivo ilay vantotr’ombilahy faharoa, dia ataovy fanatitra dorana eo ambony kitay, ka ilay tsato-kazo masina* notapahinao no hataonao kitay.”
27 Koa naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Gideona, ka nataony izay notenenin’i Jehovah taminy. Tamin’ny alina anefa izy no nanao an’izany fa tsy tamin’ny antoandro, satria izy natahotra be an’ireo fianakavian’ny dadany sy ny lehilahy tao an-tanàna.
28 Rehefa nifoha maraina ny olona tao an-tanàna ny ampitson’iny, dia hitan’izy ireo fa nirodana ny alitaran’i Bala, tapaka ilay tsato-kazo masina* teo akaikiny, ary efa natao fanatitra teo ambonin’ilay alitara vao namboarina ilay vantotr’ombilahy faharoa.
29 Dia nifanontany ny olona hoe: “Fa iza no nanao an’ireo?” Rehefa avy nanadihady izy ireo, dia niteny hoe: “I Gideona zanak’i Joasy!”
30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: “Avoahy atỳ ny zanakao mba hovonoina ho faty, fa izy no nandrodana ny alitaran’i Bala sy nanapaka an’ilay tsato-kazo masina* teo akaikin’ilay izy.”
31 Dia hoy i Joasy+ tamin’izay rehetra nila ady taminy: “Angaha ianareo tsy maintsy miaro an’i Bala? Tsy maintsy mamonjy azy angaha ianareo? Izay rehetra miaro an’i Bala dia tokony hovonoina ho faty izao maraina izao ihany.+ Raha andriamanitra i Bala, dia avelao izy ihany no hiaro ny tenany,+ satria nisy nandrodana ny alitarany.”
32 Ary nataon’i Joasy hoe Jerobala* ny anaran’i Gideona nanomboka tamin’izay, fa hoy izy: “Avelao i Bala hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.”
33 Ary nivondrona ny Midianina+ sy ny Amalekita+ ary ny Tatsinanana+ ka niampita* nankeny amin’ny Lohasahan’i* Jezirela. Ary nitoby teo izy ireo.
34 Ary niasa tamin’i Gideona ny fanahin’i Jehovah,+ ka nitsoka anjombona izy.+ Dia nankany aminy ny Abi-ezerita+ mba hanohana azy.
35 Ary naniraka olona nankany amin’izay rehetra anisan’ny fokon’i Manase izy, dia nankany aminy koa ireo mba hanohana azy. Naniraka olona nankany amin’ny fokon’i Asera sy Zebolona ary Naftaly koa i Gideona, ka tonga nitsena azy izy ireo.
36 Dia hoy i Gideona tamin’ilay tena Andriamanitra: “Ianao efa nampanantena hoe hamonjy ny Israely, ary izaho no hampiasainao hanao an’izany.+
37 Hametraka volonondry eo am-pamoloana àry aho. Raha ilay volonondry ihany no misy ranonando, fa ny tany manodidina an’ilay izy kosa maina, dia ho fantatro fa hamonjy ny Israely ianao ary izaho no hampiasainao. Izany mantsy no efa nampanantenainao.”
38 Dia izany tokoa no nitranga. Nofiazany ilay volonondry rehefa nifoha maraina izy ny ampitson’iny, ka nahafeno vilia baolina lehibe ny ranonando avy tamin’ilay izy.
39 Fa hoy indray i Gideona tamin’ilay tena Andriamanitra: “Aoka re ianao mba tsy ho tezitra be amiko e, fa mbola misy zavatra iray tiako hangatahina aminao. Mba avelao aho hampiasa an’ilay volonondry indray! Mba tiako ho hita mantsy raha tena hanampy ahy ianao na tsia. Aleo indray ilay volonondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa hisy ranonando.”
40 Dia izany no nataon’Andriamanitra tamin’iny alina iny. Ilay volonondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa nisy ranonando.
Fanamarihana
^ Na mety ho “toerana fitehirizam-bokatra any ambanin’ny tany.”
^ Abt: “Tsy nihaino ny feoko.”
^ Abt: “matahotra an’ireo.”
^ Abt: “Ny arivo misy ahy.” Nisy olona arivo ny fizarana sasany rehefa nozarazaraina ny foko iray.
^ Abt: “nifanatrika tamin’ny.”
^ Abt: “Fiadanana anie ho anao!”
^ Midika hoe “Fiadanana i Jehovah.”
^ Midika hoe “Avelao i Bala Hiaro ny Tenany any Amin’ny Fitsarana.”
^ Na: “niampita renirano.”
^ Na: “Lemaka Ivan’i.”