Joba 19:1-29

  • Valin-tenin’i Joba (1-29)

    • Tsy nanaiky ny teny henjana nolazain’ny “namany” (1-6)

    • Nandao azy daholo, hono, ny olona (13-19)

    • “Velona ny mpanavotra ahy” (25)

19  Namaly i Joba hoe:  “Mandra-pahoviana ianareo no hanorisory ahy,+Sy handevilevy ahy amin’ny teninareo?+   Efa impolo kely ianareo no niteny mafy* ahy.Tsy menatra akory ianareo mampijaly ahy.+   Ary na dia tena nanao fahadisoana aza aho,Dia ahy ihany izany!   Raha mbola mihevi-tena ho ambony noho izaho foana ianareo,Ka milaza fa rariny raha alaina baraka aho,   Dia fantaro fa Andriamanitra no namitaka ahy,Ary tratran’ny harato famandrihany aho.   Miantsoantso aho hoe: ‘Loza!’, nefa tsy misy mamaly;+Miantso vonjy aho, nefa tsy mahazo rariny.+   Nosakanany tamin’ny rindrim-bato ny lalako, ka tsy afa-mandroso aho;Norakofany haizina izay alehako.+   Nalany tamiko ny voninahitro,Ary nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohako. 10  Potipotehiny tanteraka ny fiainako mandra-pahafatiko;Ongotany toy ny hazo ny fanantenako. 11  Tezitra be amiko izy,Ary mihevitra ahy ho fahavalony.+ 12  Mirohotra manao fahirano ahy ny miaramilany,Ka mitoby manodidina ny tranolaiko. 13  Nataony lavitra ahy ny rahalahiko,Ary mihatakataka amiko ireo mahafantatra ahy.+ 14  Nandao ahy ny namako akaiky,*Ary nanadino ahy ny olona fantatro tsara.+ 15  Ataon’ireo vahiny ao an-tranoko+ sy ny mpanompovaviko hoatran’ny olona tsy fantany aho;Toy ireny vahiny ireny aho amin’izy ireo. 16  Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy mamaly;Ny vavako mihitsy no miangavy azy mba hangoraka ahy. 17  Lasa rikoriko amin’ny fofonaiko ny vadiko,+Ary maimbo aho eo amin’ny rahalahiko.* 18  Na ny ankizikely aza manao tsinontsinona ahy;Maniratsira ahy izy ireo rehefa mitsangana aho. 19  Mankahala ahy daholo ny namako akaiky,+Ary nivadika tamiko ireo notiaviko.+ 20  Taolana mifono hoditra aho,+Ary ny hoditry ny nifiko* sisa no entiko mandositra. 21  Mba iantrao aho, ry namako! Iantrao aho!Fa efa namely ahy ny tanan’Andriamanitra.+ 22  Nahoana ianareo no manenjika ahy foana toy ny ataon’Andriamanitra,+Ka mamely ahy tsy an-kijanona?*+ 23  Raha mba voasoratra mantsy ny teniko,Raha mba azo raketina ao anaty boky mantsy izany! 24  Enga anie izany ka ho voasokitra mandrakizay eo amin’ny vatolampyAmin’ny penina vy sy amin’ny firamainty araraka! 25  Fa fantatro tsara fa velona ny mpanavotra+ ahy;Mbola ho avy izy ka hitsangana eo amin’ny tany.* 26  Rehefa avy nopotehina toy izao ny hoditro,Nefa mbola eo amiko ihany ny nofoko, dia hahita an’Andriamanitra aho. 27  Izaho mihitsy no hahita azy,Eny, ny masoko fa tsy mason’olon-kafa.+ Trotraka tanteraka anefa ny ato anatiko!* 28  Fa hoy ianareo: ‘Inona no ataonay no lazaina fa manenjika azy izahay?’+ Izaho mantsy no hoatran’ny hoe fototry ny olana. 29  Mba atahory ny sabatra,+Fa manasazy an’izay manao fahadisoana ny sabatra;Tokony ho fantatrareo fa misy ny mpitsara.”+

Fanamarihana

Na: “nanevateva.”
Na: “ny havako.”
Abt: “ny zanakalahin’ny kiboko”, izany hoe ny kibo nitondra ahy (ny kibon-dreniko).
Na: “Ary ny akanjo-nifiko.”
Abt: “Ka tsy mety afa-po amin’ny nofoko?”
Abt: “vovoka.”
Na: “Tsy miasa intsony anefa ny voako.”