Ny Taratasy Nosoratan’i Jakoba 4:1-17

  • Aza minamana amin’izao tontolo izao (1-12)

    • Tohero ny Devoly (7)

    • Manatòna an’Andriamanitra (8)

  • Aza mirehareha (13-17)

    • “Raha sitrapon’i Jehovah” (15)

4  Inona no mahatonga anareo hiady sy hifamaly? Tsy ny fanirian’ny nofonareo izay mitady hibaiko anareo* ve?+ 2  Te hahazo zavatra ianareo, nefa tsy manana ihany. Mamono olona sy mitsiriritra foana ianareo, nefa tsy mety mahazo ihany. Mifamaly sy miady+ foana ianareo. Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. 3  Rehefa tena mangataka ianareo dia tsy mahazo, satria ratsy ny antony angatahanareo. Te hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofonareo fotsiny mantsy ianareo. 4  Ry mpanitsakitsa-bady,* angaha tsy fantatrareo fa lasa fahavalon’Andriamanitra izay minamana amin’izao tontolo izao? Izay te ho naman’izao tontolo izao àry, dia mitsangana ho fahavalon’Andriamanitra.+ 5  Sa heverinareo ho tsy misy antony ny ilazan’ny Soratra Masina hoe: “Tsy mety afa-po mihitsy ilay fitsiriritana ao anatintsika ao”?+ 6  Lehibe kokoa anefa ny hatsaram-panahy miavaka* asehon’Andriamanitra. Hoy àry ny Soratra Masina: “Manohitra ny olona manambony tena Andriamanitra,+ fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena kosa.”+ 7  Koa maneke an’Andriamanitra,+ fa tohero kosa ny Devoly,+ dia handositra anareo izy.+ 8  Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.+ Diovy ny tananareo, ry mpanota,+ ary diovy ny fonareo,+ ry mpisalasala. 9  Aoka ianareo ho ory sy halahelo ary hitomany.+ Tokony halahelo ianareo fa tsy hihomehy, ary tokony ho kivy fa tsy ho faly. 10  Manetre tena eo anatrehan’i Jehovah,*+ dia hanandratra anareo+ izy. 11  Aza mifanaratsy intsony, ry rahalahy.+ Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny lalàna sady mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna anefa ianao, dia tsy mpankatò lalàna fa mpitsara. 12  Iray ihany ny Mpanao Lalàna sy Mpitsara,+ dia ilay afaka mamonjy sy mandringana.+ Fa iza moa ianao no hitsara ny namanao?+ 13  Ianareo miteny hoe: “Hankany ananona izahay androany na rahampitso, dia hijanona any herintaona, ary hivarotra ka hahazo tombony.”+ 14  Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso.+ Zavona miserana vetivety fotsiny ianareo, dia avy eo levona.+ 15  Izao kosa no tokony holazainareo: “Raha sitrapon’i Jehovah*+ ka velona izahay, dia hanao an’izao na izao.” 16  Izao anefa ianareo mirehareha sady mieboebo. Tena ratsy ny mirehareha hoatr’izany. 17  Raha misy mahafantatra an’izay tokony hataony àry, nefa tsy manao, dia manota izy.+

Fanamarihana

Na: “miady ao anatin’ny rantsambatanareo.”
Na: “Ry mpivadika.”
Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.