Isaia 56:1-12
56 Izao no tenin’i Jehovah:
“Manaova foana ny rariny,+ ary manaova ny marina.Fa tsy ho ela aho dia hamonjy,Ary efa haharihary ny fahamarinako.+
2 Sambatra ny olona manao an’izany,Sy ny zanak’olombelona mifikitra mafy amin’izany,Sady mitandrina sy tsy manazimbazimba ny Sabata,+Ary mifehy ny tanany tsy hanao ratsy mihitsy.
3 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah+ dia tsy tokony hiteny hoe:‘Tsy maintsy hesorin’i Jehovah tsy ho anisan’ny vahoakany aho izao.’
Ny lehilahy novosirina koa tsy tokony hiteny hoe: ‘Indrisy fa hazo maina aho!’”
4 Fa izao no tenin’i Jehovah: “Izay lehilahy novosirina ka mitandrina ny sabatako sy mifidy ny hanao izay sitrako ary mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,
5 Dia homeko tsangambato sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako.Zavatra tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy izany.
Anarana maharitra mandrakizay no homeko azy,Dia anarana tsy hofoanana mihitsy.
6 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+Ary mba ho mpanompony,Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,
7 Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.
Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako.
Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+
8 Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, izay manangona an’ireo Israelita efa niparitaka:+
“Ankoatra an’izay efa voangona, dia hanangona olon-kafa ho eo amin’izy ireo koa aho.”+
9 Tongava daholo ka mihinàna, ry bibidia rehetra any an-tsaha,Dia ianareo bibidia rehetra any an’ala.+
10 Jamba+ ny mpitiliny, ka tsy misy mahatsikaritra an’izay mety hitranga.+
Alika moana izy rehetra ka tsy mahavovò,+
Fa misefosefo fotsiny sy mitsilailay ary tia matoritory.
11 Alika mirangorango izy ireo,Sady tsy mety voky mihitsy.
Mpiandry ondry tsy mahay na inona na inona koa izy ireo,+
Ary samy manaraka ny lalany avy.Samy te hahazo tombony azo tamin’ny tsy rariny izy rehetra ka miteny hoe:
12 “Avia, fa haka divay aho.Andao hisotro toaka mandra-pahamamo.+
Mbola ho toy ny androany ihany ny rahampitso, ary mbola ho tsara lavitra mihitsy aza.”