Timoty Faharoa 1:1-18
1 Avy amin’i Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, izay nirahina hitory ny fampanantenana fiainana amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.+
2 Ho an’i Timoty, zanako malalako,+
Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka* sy famindram-po aminao, ary hanome anao fiadanana!
3 Misaotra an’Andriamanitra aho, dia ilay anaovako fanompoana masina, hoatran’ny nataon’ny razambeko, amim-pieritreretana madio. Ary mahatsiaro anao foana aho rehefa mitalaho amim-bavaka andro aman’alina.
4 Te hahita mafy anao aho rehefa mahatsiaro ny ranomasonao. Amin’izay raha mahita anao aho, dia tena ho faly be.
5 Tsaroako mantsy ny finoana tsy mihatsaravelatsihy anananao,+ izay efa tao amin’i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao aminao koa.
6 Izany no antony ampahatsiahivako anao hoe ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra, izay noraisinao tamin’izaho nametra-tanana taminao.+
7 Fa tsy mahatonga antsika ho kanosa ny toe-tsaina* omen’Andriamanitra antsika,+ fa mahatonga antsika hahery+ sy ho be fitiavana ary hahay hisaina.
8 Koa aza menatra mitory momba ny Tompontsika,+ na menatra noho ny amiko, izay voafonja noho ny aminy. Miareta kosa fahoriana+ noho ny vaovao tsara, ka miantehera amin’ny herin’Andriamanitra.+
9 Namonjy sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina izy,+ tsy noho izay nataontsika anefa, fa noho ny fikasany sy ny hatsaram-panahiny miavaka.+ Naneho an’izany hatsaram-panahy izany tamintsika tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy izy, efa hatramin’ny ela be.
10 Fa natao mazava tsara izany izao, tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy+ Mpamonjy antsika. Izy no nanafoana ny fahafatesana+ sy nampahafantatra tamin’ny alalan’ny vaovao tsara+ hoe ahoana no hahazoana fiainana+ sy vatana tsy mety lo.+
11 Mba hampahafantatra an’izany vaovao tsara izany no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly ary mpampianatra.+
12 Izany koa no antony iaretako an’ireny zavatra ireny.+ Tsy menatra anefa aho.+ Fantatro mantsy Ilay inoako, ary matoky aho fa vitany ny miaro an’izay nankiniko taminy mandra-pahatongan’izany andro izany.+
13 Aza ialana mihitsy ny modelin’ny* teny mahasoa*+ efa henonao tamiko, ary koa ny finoana sy ny fitiavana izay anananao noho ianao tafaray amin’i Kristy Jesosy.
14 Arovy amin’ny alalan’ny fanahy masina, izay ao anatintsika,+ izany zavatra sarobidy nankinina taminao izany.
15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy ireo rehetra any amin’ny faritanin’i Azia,+ anisan’izany i Fygelo sy Hermogena.
16 Fa enga anie ny Tompo hiantra ny ankohonan’i Onesiforosy,+ satria namelombelona ahy matetika izy, sady tsy mba nahamenatra azy ny rojo vy namatorana ahy.
17 Izy aza nitady mafy ahy tamin’izy teto Roma, ka nahita ahy.
18 I Jehovah* Tompo anie hiantra azy amin’izany andro izany! Ary fantatrao tsara ny fanompoana rehetra nataony tany Efesosy.