Levitikosy 21:1-24
21 Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mitenena amin’ny mpisorona zanakalahin’i Arona hoe: ‘Rehefa misy olona* maty eo amin’ny fireneny, dia tsy misy amin’izy ireo mahazo mandoto tena amin’ny faty,+
2 afa-tsy amin’ny fatin’ny havany akaiky izay iray ra aminy, izany hoe ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny,
3 ary ny anabaviny mbola virjiny, izay havany akaiky sady mbola tsy manambady. Azony atao ny mandoto tena amin’ny fatin’io anabaviny io.
4 Raha vehivavy manambady no maty, dia aoka izy tsy handoto tena amin’izany, eo amin’ny fireneny, sao hampahaloto ny tenany.
5 Tsy hosolainy ny lohany,+ na hoharatany ny sisin’ny volombavany,+ na hodidididiany ny vatany.+
6 Fa ho masina eo anatrehan’Andriamaniny+ kosa izy, ary tsy hanazimbazimba ny anaran’Andriamaniny,+ satria izy no manolotra ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, dia ny sakafo ho an’Andriamaniny.+ Aoka ho masina izy.+
7 Tsy halainy+ ho vady ny vehivavy mpivaro-tena,+ na tsy virjiny intsony, na nisara-bady,+ satria masina eo anatrehan’Andriamaniny izy.
8 Koa hamasino izy,+ satria izy no manolotra ny sakafo ho an’Andriamanitrao. Ary tokony ho masina aminao izy,+ satria masina izaho Jehovah izay manamasina anareo.+
9 “‘Ary raha toa ny zanakavavin’ny mpisorona ka manala baraka tena satria mivaro-tena, dia ny rainy no ataony afa-baraka, ka hodorana izy.+
10 “‘Ny mpisoronabe eo anivon’ny rahalahiny dia tsy hamela ny volony hisavoritaka,+ sady tsy handrovitra ny akanjony.+ Efa nandrarahana menaka masina fanosorana mantsy ny lohany,+ ary efa nomena fahefana* hanao ny akanjon’ny mpisoronabe+ izy.
11 Tsy hanakaiky faty* izy,+ ary tsy mahazo mandoto tena amin’ny fatin-drainy na ny fatin-dreniny.
12 Tsy hivoaka ny toerana masina koa izy, na hanazimbazimba ny toerana masin’Andriamaniny,+ satria eo aminy ilay famantarana hoe voatokana izy, dia ilay menaka fanosorana avy amin’Andriamaniny.+ Izaho no Jehovah.
13 “‘Vehivavy virjiny+ no tokony halainy ho vady.
14 Fa ny vehivavy mpitondratena na nisarahan’ny vadiny na tsy virjiny intsony na mpivaro-tena, dia tsy azony alaina, fa virjiny eo amin’ny fireneny ihany no halainy.
15 Tsy tokony hanao izay hampahaloto ny taranany eo amin’ny fireneny izy,+ satria izaho no Jehovah izay manamasina azy.’”+
16 Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:
17 “Lazao amin’i Arona hoe: ‘Izay lehilahy anisan’ny taranakao, hatramin’ny taranany fara mandimby, nefa manan-takaitra,+ dia tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an’Andriamaniny.+
18 Tsy misy mahazo manatona hanao izany ny lehilahy manan-takaitra, izany hoe jamba, malemy tongotra, misy rimbona ny orony, lava loatra ny tanany na ny tongony ilany,+
19 misy tapaka ny taolan-tongony na ny taolan-tanany,
20 vokoka, mahia kaozatra, misy aretina ny masony, misy anakandroana ny hodiny na misy mamariparitra boribory, torotoro ny vihiny.+
21 Izay lehilahy anisan’ny taranak’i Arona mpisorona, nefa manan-takaitra, dia tsy mahazo manatona mba hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Manan-takaitra izy, ka tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an’Andriamaniny.+
22 Fa azony atao ihany ny mihinana ny sakafo natolotra ho an’Andriamaniny, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra+ sy ny zavatra masina.+
23 Tsy azony atao anefa ny miditra eo akaikin’ny ridao,+ na manakaiky ny alitara,+ satria manan-takaitra izy.+ Tsy hanazimbazimba ny toerako masina izy,+ fa izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.’”+
24 Koa niresaka tamin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny zanak’Israely rehetra i Mosesy.