Leo Be ve Ianao Satria Tsy Mety Tapitra Mihitsy ny Valanaretina?
Leo be ve ianao satria tsy mety tapitra mihitsy ny valanaretina COVID-19? Matokia fa tsy ianao irery no hoatr’izany. Nandritra ny volana maromaro izay, dia ny olona maneran-tany no tsy maintsy nanova ny fomba fiainany vokatry ny valanaretina COVID-19. Nilaza ny Dr. Hans Kluge, talem-paritry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana any Eoropa hoe be dia be mihitsy no “nanao ezaka mafy mba tsy hiparitahan’ny valanaretina COVID-19. Tsy maintsy hoe leo ihany ry zareo amin’ny farany, dia ara-dalàna raha lasa tsy miraika sy tsy te hanao na inona na inona intsony.”
Aza kivy raha mahatsiaro hoe leo ianao satria tsy mety tapitra mihitsy ny valanaretina COVID-19. Manampy olona be dia be mba hahavita hiatrika an’izao fotoan-tsarotra izao ny Baiboly, dia azo antoka fa hanampy anao koa izy io.
Ahoana no ahafantarana hoe efa leo an’ilay valanaretina ny olona iray?
Tsy hoe aretina izy io, fa ny zavatra tsapan’ny olona rehefa tsy mety tapitra ny valanaretina. Nanova ny fiainan’ny olona mantsy ny COVID-19, sady mahatonga azy ireo hanahy hoe inona no hitranga amin’ny hoavy. Na dia tsy voatery hitovy aza ny zavatra tsapan’ny olona, dia ireto misy famantarana vitsivitsy hoe efa leo an’ilay valanaretina ny olona anankiray:
Lasa tsy mazoto hanao zavatra
Lasa miovaova ny fotoana isakafoanana sy ny fotoana atoriana
Mora tezitra
Sorena rehefa manao ny zavatra efa fanaony na dia hoe tsy nanahirana azy aza ny nanao an’izany teo aloha
Tsy mahavita mifantoka
Kivy tanteraka
Nahoana izany no tena ratsy?
Mety tsy ho voaro tsara intsony isika sy ny olona manodidina antsika. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanomboka tsy dia hiraharaha intsony ny fepetra natao mba hiarovana amin’ny valanaretina COVID-19. Rehefa mandeha aza ny fotoana, dia mety tsy hivaky loha amin’ilay valanaretina, na dia mbola miparitaka sy mahafaty aza ilay izy. Mety ho leo koa isika satria betsaka ny zavatra tsy azontsika atao, dia lasa te hanana fahafahana bebe kokoa, nefa mety hampidi-doza antsika sy ny hafa izany.
Mandritra an’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao, dia betsaka no miaiky hoe marina ity resahin’ny Baiboly ity, hoe: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Misy toro lalana afaka manampy antsika hiatrika an’izay toe-javatra mety hahakivy antsika ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny valanaretina COVID-19.
Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anao?
Hajao foana ny elanelana eo aminao sy ny olon-kafa, nefa miezaha hifandray amin’ny namanao foana
Milaza ny Baiboly hoe: “Ny tena namana ... natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.
Nahoana izany no tena ilaina? Mampahery antsika ny tena namana. (1 Tesalonianina 5:11) Raha mitokantokana mandritra ny fotoana elaela kosa isika, dia mety hisy vokany ratsy amin’ny fahasalamantsika izany.—Ohabolana 18:1.
Andramo izao: Miezaha hifandray amin’ny namanao foana, ohatra hoe amin’ny alalan’ny Internet, telefaonina, e-mail na SMS. Miresaha amin’ny namanao rehefa ilay misy zavatra mahakivy anao iny, ary anontanio matetika koa ry zareo hoe manao ahoana izy. Miezaha hifampizara an’izay hevitra hitanareo hoe nanampy anareo hiatrika an’ilay valanaretina. Mitadiava hevitra mba hanaovana zavatra tsara ho an’ny namanao, amin’izay samy ho faly na ianao na ry zareo.
Hararaoty tsara izao fotoana izao
Milaza ny Baiboly hoe: “Hararaoty tsara ny fotoana.”—Efesianina 5:16.
Nahoana izany no tena ilaina? Raha hainao tsara ny mampiasa ny fotoananao, dia tsy ho mora kivy ianao, sady tsy hanahy be loatra.—Lioka 12:25.
Andramo izao: Aza mifantoka be amin’izay zavatra tsy azonao atao intsony, fa aleo mieritreritra hoe inona avy ny zavatra tsara azonao atao, amin’izao fotoana misy valanaretina izao. Sao dia mba nisy zavatra efa noeritreretinao hatao, ohatra, fa izao ianao vao misy fotoana hanaovana an’ilay izy? Na misy fialam-boly tianao hatao? Na sao dia mba afaka manokana fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ny fianakavianao ianao?
Miezaha hanana fandaharam-potoana matotra, dia hajao ilay izy
Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny zava-drehetra hatao ... amim-pilaminana.”—1 Korintianina 14:40.
Nahoana izany no tena ilaina? Be dia be no mahatsiaro ho milamina kokoa sady falifaly rehefa manaraka fandaharam-potoana matotra tsara.
Andramo izao: Manaova fandaharam-potoana, dia ataovy mifanaraka amin’ny zavatra iainanao amin’izao ilay izy. Alamino tsara hoe rahoviana ianao no hanao ny asanao, hanao devoara, hanao raharaha ao an-trano, ary hanao zavatra ara-panahy. Asio fialam-boly koa ao amin’ny fandaharam-potoananao, ohatra hoe miaraka amin’ny fianakaviana, mitsangantsangana, na manao fanatanjahan-tena. Jereo matetitetika ilay fandaharam-potoana, dia ahitsio raha ilaina.
Ataovy miovaova arakaraka ny toetrandro ny fandaharam-potoananao
Milaza ny Baiboly hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.”—Ohabolana 22:3.
Nahoana izany no tena ilaina? Mety tsy dia hahazo masoandro sy rivotra madio ianao rehefa miova ny toetrandro, arakaraka ny tany misy anao. Tena mila rivotra madio sy masoandro anefa ianao raha te hanana vatana sy saina salama.
Andramo izao: Raha efa kely sisa dia ho ririnina any aminareo, dia amboary ny efitra fampiasanareo matetika na ny toerana iasanao mba hidiran’ny masoandro bebe kokoa. Jereo sao dia mba afaka mivoaboaka kely ny trano ianao, ohatra hoe manao fanatanjahan-tena kely na manao zaridaina, na dia mangatsiaka be aza ny andro. Raha azo atao, dia miezaha hanana akanjo fentina amin’ny andro mangatsiaka, amin’izay ianao mba afaka mijanona elaela any ivelan’ny trano.
Rehefa mafana ny andro, dia tsy mijanona firy ao an-trano ny ankamaroan’ny olona fa mandehandeha. Mitandrema tsara àry. Jereo hoe aiza ianao no handeha, dia ataovy amin’ilay fotoana tsy dia be olona iny ianao no mankany.
Hajao foana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mifandray amin’ny valanaretina COVID-19
Milaza ny Baiboly hoe: ‘Ny tsisy saina ... tezitra sy matoky tena loatra.’—Ohabolana 14:16.
Nahoana izany no tena ilaina? Tena mahafaty ny valanaretina COVID-19. Raha tsy mitandrina ianao dia mety ho voa.
Andramo izao: Jereo foana hoe inona ny toromarika vaovao momba an’ilay valanaretina. Izay toromarika azo atokisana ihany anefa fantarina, ary jereo raha mbola manaraka tsara an’izy ireny ianao na tsia. Saintsaino hoe inona no mety ho vokatry ny ataonao amin’ny tenanao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny olon-kafa.
Miezaha hifandray tsara amin’Andriamanitra foana
Milaza ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.
Nahoana izany no tena ilaina? Afaka manampy anao hiatrika an’izay olana rehetra mahazo anao Andriamanitra.—Isaia 41:13.
Andramo izao: Vakio isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly. Misy fandaharana azonao arahina ato mba hanampiana anao hanomboka hamaky Baiboly.
Maninona raha manontany ny Vavolombelon’i Jehovah hoe inona no tokony hataonao raha te hanatrika ny fivoriana alamin’izy ireo ianao mandritra an’izao valanaretina COVID-19 izao? Maneran-tany, ohatra, dia atao amin’ny alalan’ny vidéoconférence ny fivorian’izy ireo sy ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ary ny fivoriambe.
Andinin-teny ao amin’ny Baiboly afaka manampy anao tsy ho leo be
Isaia 30:15: “Ny tsy fahataitairanareo sy ny fatokisanareo no ho tanjakareo.”
Ny tiany holazaina: Raha manaraka tsara ny torohevitra avy amin’Andriamanitra isika, dia ho tony foana mandritra an’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao.
Ohabolana 15:15: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.”
Ny tiany holazaina: Raha mifantoka amin’ny zavatra tsara isika, dia ho faly foana na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.
Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”
Ny tiany holazaina: Araho tsara foana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra, ary aza maika hieritreritra hoe efa tsy mihatra intsony izy ireny.
Isaia 33:24: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”
Ny tiany holazaina: Mampanantena Andriamanitra fa hofoanany daholo ny karazan’aretina rehetra.