Ny Fiovan’ny Toetrandro sy ny Hoavintsika
“Simba ny toetrandro ary lasa tsy azo iainana ny tany.”—Ilay Mpiambina (anglisy).
Lasa miatrika olana lehibe ny zanak’olombelona, nefa izy ihany no nahatonga an’izany. Miaiky ny ankamaroan’ny mpahay siansa hoe ny ataon’ny olona ihany no mahatonga ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Nanova ny toetrandro izany ary nahatonga loza be dia be. Ireto avy, ohatra, izany:
Mitranga matetika ny hoe mikorontana be ny toetrandro, ohatra hoe lasa mafana be ny andro, na misy hain-tany, na oram-be mivatravatra. Izany avy eo no mahatonga tondra-drano na afo mandravarava.
Mitsonika ny ranomandry anisan’izany ny ranomandry any amin’ny Tendrontany Avaratra.
Miakatra ny haavon’ny ranomasina.
Voakasiky ny fiovan’ny toetrandro daholo ny tany manontolo. Izao no nolazain’ny gazety New York Times rehefa avy nanazava ny zava-misy any amin’ny firenena 193 izy: “Miantso vonjy ny tany.” Be dia be koa ny marary sy maty noho ny fiovan’ny toetrandro. Izay no nahatonga ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana hilaza hoe “ny fiovan’ny toetrandro no atahorana hankarary ny olona indrindra.”
Mbola misy azo antenaina anefa rehefa jerena ny zavatra resahin’ny Baiboly. Efa nolazain’izy io mialoha ny zavatra hitantsika mitranga amin’izao andro izao. Tsy izay ihany anefa fa hazavainy koa hoe nahoana isika no mahazo antoka fa hanao zavatra Andriamanitra. Lazain’ny Baiboly koa hoe inona no hataon’Andriamanitra mba hananantsika hoavy tsara.
Misy faminaniana ao amin’ny Baiboly ve miresaka momba ny fiovan’ny toetrandro?
Tena misy tokoa! Efa ampoizina hoe hitranga izao fiovan’ny toetrandro vokatry ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany izao, rehefa jerena ny zavatra nolazain’ny Baiboly.
Faminaniana: ‘Handringanana an’izay manimba ny tany’ Andriamanitra.—Apokalypsy 11:18.
Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy fotoana efa mila ho potika tanteraka mihitsy ny tany noho ny ataon’ny olombelona. Betsaka mantsy ny zavatra ataon’ny olona mampiakatra ny mari-panan’ny tany, dia mbola tsy simba hoatran’izao hitantsika izao mihitsy ny tany.
Hitantsika avy amin’io faminaniana io fa tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny hanavotra ny tany. Mariho fa mbola eo ‘am-panimbana ny tany’ ny olona no hanao zavatra Andriamanitra. Mety hisy olona te hanao zavatra ihany mba tsy hanimbana ny toetrandro. Na inona na inona anefa ataon’izy ireo, dia tsy ho vitan’izy ireo mihitsy ny hisakana ny olona tsy hanimba ny tany.
Faminaniana: “Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona.”—Lioka 21:11.
Nilaza mialoha ny Baiboly hoe “hisy zavatra mampahatahotra” hitranga amin’izao androntsika izao. Lasa misy zavatra mampatahotra be mitranga eran’izao tontolo izao, satria miovaova be ny toetrandro. Maro ny olona no matahotra hoe ho simba ny tontolo iainana ka tsy ho azo iainana intsony eto an-tany.
Faminaniana: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... ho mora mivadika, ... tsy ho azo ifanarahana, ... ho mpamadika, ho mafy loha.”—2 Timoty 3:1-4.
Nilaza mialoha ny Baiboly hoe ho ratsy toetra ny olona, dia izay no anisan’ny mahatonga azy ireo hanimba tontolo. Maro ny fitondram-panjakana sy mpandraharaha no tia vola loatra ka tsy miraharaha an’izay hanjo ny taranaka any aoriana. Te hifarimbona ihany izy ireo mba hanajanonana ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Tsy mety mifanara-kevitra anefa ry zareo ny amin’ny zavatra tokony hatao amin’izany.
Hita amin’io faminaniana io àry fa tsy azo antenaina hanova ny ataony sy hiaro ny tany ny olombelona. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe “vao mainka hiharatsy kokoa” ny olona tia tena.—2 Timoty 3:13.
Ahoana no ahafantarantsika fa hanao zavatra Andriamanitra?
Lazain’ny Baiboly fa tena tian’i Jehovah a Andriamanitra Mpamorona ny tany sy ny olona mipetraka eo aminy. Misy andinin-teny telo ireto mampiseho amintsika fa hanao zavatra Andriamanitra.
1. ‘Tsy hoe tsy misy antony ny namoronan’Andriamanitra ny tany fa nataony honenana.’—Isaia 45:18.
Hotanterahin’Andriamanitra ny zavatra nokasainy momba ny tany. (Isaia 55:11) Tsy havelany ho potika izy io na hoe tsy azo onenana intsony.
2. ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana. Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.’—Salamo 37:11, 29.
Mampanantena Andriamanitra fa hiaina mandrakizay eto an-tany ny olombelona ary hilamina ny tany amin’izay.
3. “Fa ny ratsy fanahy kosa horinganina tsy hisy eto an-tany.”—Ohabolana 2:22.
Mampanantena Andriamanitra hoe handringana an’izay mikiry manao ratsy izy, anisan’izany izay manimba ny tany.
Inona no hataon’Andriamanitra mba hananantsika hoavy tsara?
Ahoana no ataon’Andriamanitra mba ho tanteraka ny fampanantenany momba ny tany? Hampiasa fitondram-panjakana anankiray izy. Ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. (Matio 6:10) Hitondra ny tany manontolo avy any an-danitra io Fanjakana io. Tsy hila hanao fifampiraharahana amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izy io mba hanavotana ny tany sy ny tontolo iainana. Hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra izy io.—Daniela 2:44.
Hanao zavatra tsara ho an’ny olombelona sy ny tontolo iainana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 96:10-13) Ireto avy ny zavatra hataon’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’io Fanjakana io.
Hamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainana
Hoy ny Baiboly: “Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.”—Isaia 35:1.
Inona no dikan’izany? Havaozin’i Jehovah ny planeta tany. Haveriny amin’ny laoniny na dia izay toerana potika be noho ny nataon’ny olombelona aza.
Hifehy ny toetrandro
Hoy ny Baiboly: “Mampitony ny tafio-drivotra i [Jehovah], dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina.”—Salamo 107:29.
Inona no dikan’izany? Tsy hijaly intsony isika noho ny fikorontanan’ny toetrandro satria vitan’i Jehovah ny mifehy ny natiora.
Hampianatra ny olona hanolokolo ny tany
Hoy ny Baiboly: “Hataoko izay hahatonga anao ho lalin-tsaina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao.”—Salamo 32:8.
Inona no dikan’izany? Nomen’i Jehovah andraikitra hikarakara ny tany ny olombelona. (Genesisy 1:28; 2:15) Hampianatra antsika ny fomba hanatanterahana tsara an’izany andraikitra izany izy, dia amin’izay tsy manimba ny tany sy ny tontolo iainana.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”