12 JONA 2024 | VAOVAO FARANY: 25 JOLAY 2024
ROSIA
VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Hoatran’ny Ekipa Iray … Manompo An’i Jehovah”
Nomelohin’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Sovietski any Oriol ny Rahalahy Dmitriy Ignatov, tamin’ny 24 Jolay 2024, ary voasazy hanao asa an-terivozona roa taona any am-ponja. Voatery hipetraka ao amin’ilay fonja izy, ary hasaina hanao asa ho tombontsoan’ny besinimaro any amin’izay toerana hasaina hanaovany an’izany. Mandritra ny fotoana hanasaziana azy, dia halain’ny fanjakana ny 5 isan-jaton’ny karamany.
Ilay voampanga
Tena mampahery antsika ny ohatr’i Dmitriy sy Darya. Mampahatsiahy antsika ilay izy hoe rehefa mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony foana isika, dia hatanjaka foana ny finoantsika na dia miatrika zava-tsarotra aza isika.—Kolosianina 3:2.
Zava-nitranga
9 Desambra 2020
Nosavana ny tranony
28 Oktobra 2021
Nampangaina ho mpanao heloka bevava
13 Septambra 2023
Nosavana indray ny tranony
4 Martsa 2024
Nanomboka ny fitsarana azy