Hijery ny anatiny

Sarin’ilay didy navoakan’ny Minisiteran’ny Fampianarana any Kenya

7 JONA 2022
KENYA

Namoaka Didy Miaro ny Zon’ny Mpianatra ny Fitondrana any Kenya

Namoaka Didy Miaro ny Zon’ny Mpianatra ny Fitondrana any Kenya

Namoaka didy ny Minisiteran’ny Fampianarana any Kenya vao haingana hoe tokony hiaro ny zon’ny mpianatra hanana ny fivavahany ny tompon’andraikitry ny sekoly. Tamin’ny 4 Martsa 2022 no nivoaka ilay didy. Manantena isika hoe hanampy antsika hiaro ny zon’ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah io didy io. Navakavahana nandritra ny taona maro mantsy ry zareo.

Hatramin’ny 2015, dia zanaka Vavolombelon’i Jehovah 36 no voaroaka tany am-pianarana na tsy navela hianatra nandritra ny fotoana tsy naharitra satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana nalamin’ny sekoly. Nivory niaraka tamin’ny manam-pahefana miandraikitra ny fampianarana ny solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Nairobi tamin’ny 2018 mba hampitsaharana an’ilay fanavakavahana. Nihaona tamin’ny Pr. Amina Mohamed, Minisitry ny Fampianarana tamin’izany, ohatra, ireo solontena ireo tamin’ny 23 Oktobra 2018.

Voalaza mazava tsara tao amin’ilay didy navoakan’ny fanjakana fa misy “tale sy tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly” sasany any Kenya “mahita antony tsy dia misy dikany hisakanana ny mpianatra tsy handeha hianatra.” Voalaza tao koa fa “tsy manaja ny zon’ny mpianatra hanana ny fivavahany ny sekoly sasany ary misy ankizy tsy avelany hianatra ao aminy na roahiny tsy hianatra ao intsony noho ny fivavahany.”

Nalaza be tao amin’ny fampitam-baovao tany Kenya ilay didy. Nilaza ireny fampitam-baovao ireny fa “ny fanaovana tsinontsinona ny zon’ny olona hanana ny fivavahany dia mandika didim-panjakana maromaro sady mandika ny fifanekena any amin’ny faritra samihafa sy ny fifanekena iraisam-pirenena, ... ary indrindra fa ny Lalàm-panorenan’i Kenya.” Noho izany, dia tsy azo atao ny mangataka amin’ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah na ny mpianatra hafa “mba hanao zavatra mifanohitra amin’ny fivavahany.” Milaza ilay didy amin’ny farany hoe tsy maintsy mampihatra an’izay voalaza ao ny tompon’andraikitry ny sekoly rehetra.

Izao no nolazain’i Kimberly Nyang’ate, anabavy 17 taona any Nairobi: “Indimy mahery ny dada sy mamako no voantso tany am-pianarana satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana aho. Faly aho hoe nivoaka io didy io satria manohana ny safidinay hankatò ny Baiboly ilay izy.”

Tena faly isika hoe misy manam-pahefana mahay mandanjalanja namoaka an’io didy io. Hanampy ny tanora sy ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah any Kenya izy io mba tsy hiala amin’ny zavatra inoany mihitsy.​—1 Korintianina 15:58.