Hijery ny anatiny

ÉRYTHRÉE

Fotoana Niavaka Tany Érythrée

Fotoana Niavaka Tany Érythrée
  1. APRILY 2014: Nosamborin’ny manam-pahefana sy notanany am-ponja ny Vavolombelona maherin’ny 120 (lehilahy sy vehivavy ary ankizy) satria nanatrika fivoriana ara-pivavahana; navotsotra ny ankamaroany taorian’izay

  2. 8 JOLAY 2008: Nanao bemidina tany an-tranon’olona sy tany amin’ny toeram-piasana ny manam-pahefana, ary nisambotra Vavolombelona 24

  3. MEY 2002: Nakaton’ny fanjakana ny antokom-pivavahana rehetra tsy anisan’ireo fivavahana efatra ekeny ho ara-dalàna

  4. 25 OKTOBRA 1994: Nivoaka ny didim-pitondrana hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo sy ny zo fototra hafa ananany

  5. 17 SEPTAMBRA 1994: Nosamborin’ny manam-pahefana i Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam nefa tsy nisy zavatra niampangana azy

  6. 1994: Nanomboka nisambotra Vavolombelon’i Jehovah sy nampiditra am-ponja azy ireny ny manam-pahefana

  7. 27 APRILY 1993: Nanambara ny fahaleovan-tenany avy tamin’i Etiopia i Érythrée

  8. 1954: Nanomboka nandamina fotoam-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy