Hijery ny anatiny

4 SEPTAMBRA 2023
BURUNDI

Nivoaka Tamin’ny Teny Kirundi ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Nivoaka Tamin’ny Teny Kirundi ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoakan’ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny kirundi, tamin’ny 25 Aogositra 2023. Nisy an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Manàna Faharetana”! natao tany Bujumbura, any Burundi, ary tamin’izay io Baiboly io no navoaka. Nalefa mivantana tamin’ny Internet ilay fandaharana, ka afaka nanaraka an’ilay izy ny mpanatrika tany amin’ny toerana 11 manerana an’io firenena io. Nisy 15 084 ny mpanatrika. Nahazo vita pirinty tamin’io Baiboly io ny mpanatrika, ary efa azo nalaina tamin’ny endrika elektronika koa ilay izy.

Misy 13 tapitrisa eo ho eo ny olona miteny kirundi, any Burundi. Tamin’ny 1969 no niorina ny fiangonana voalohany miteny kirundi, ary tamin’ny 1985 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka nandika zavatra ho amin’io fiteny io. Maherin’ny 16 900 izao ny rahalahy sy anabavy manompo any amin’ny fiangonana 350 miteny kirundi, manerana an’i Burundi. Faly ny rahalahy sy anabavy miteny kirundi tamin’ny 2007 satria nahazo ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Vao mainka faly be anefa ry zareo izao satria nahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo nohavaozina.

Rehefa nadika tamin’ny teny kirundi ilay hoe hatsaram-panahy miavaka, dia nasongadina amin’ilay izy hoe malala-tana ilay Mpanome. Faly koa isika, hoatran’ireo rahalahy sy anabavy ary ny olon-kafa be dia be miteny kirundi, izay handray soa avy amin’io Baiboly io. Naneho ‘hatsaram-panahy miavaka’ mantsy i Jehovah ka nanome ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny kirundi.​—Titosy 2:11.