25 JONA 2019
ALEMAINA
Berlin, Alemaina: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 14-16 Jona 2019
Toerana: Kianja Olympika any Berlin, any Alemaina
Fiteny: Alemà, anglisy, rosianina
Tampon’isan’ny mpanatrika: 37115
Tontalin’ny natao batisa: 255
Solontena avy any ivelany: 5000
Sampana nasaina: Brezila, Ekoatera, Etazonia, Failandy, Grande-Bretagne, Gresy, Kanada, Polonina, Skandinavia, Slovenia
Fitantarana: Anisan’ny notsidihin’ny solontena avy any ivelany ilay tranombakoka malaza atao hoe Tranombakoka Pergamon. Hoy ny mpiambina iray tao rehefa nandinika azy ireo nitsidika: “Betsaka ny olona kivy satria tsy manana finoana. Ianareo anefa hita be hoe tena manana finoana sy mifankatia.” Hoy koa ny mpiambina hafa: “Mandeha be ny fotoana rehefa ianareo no mitsidika, dia tsy mampaninona ahy ny hanao asa fanampiny ho anareo.”
Rahalahy sy anabavy miarahaba tonga soa an’ireo vahiny eny amin’ny seranam-piaramanidina
Rahalahy sy anabavy eo ivelan’ilay toerana anaovana fivoriambe
Vahiny miara-maka sary ary manao akanjo mampiavaka ny taniny ny sasany aminy
Manao ny lahateny famaranana ny asabotsy ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana
Mihaino lahateny amin’ny teny anglisy ny vahiny ary mandray naoty. Mampiasa fitaovana fihainoana ny anabavy roa satria mihaino an’ilay lahateny amin’ny fiteny hafa
Rahalahy sy anabavy mijery batisa, ny asabotsy
Manofahofa tanana ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, amin’ny faran’ny fandaharana ny alahady
Ny Kianja Olympika any Berlin, ny andro voalohany amin’ilay fivoriambe. Tamin’ny 1936 no vita io kianja io. Efa nampiasaina tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena manan-tantara tamin’ny 1990 izy io, taorian’ny nianjeran’ny Rindrin’i Berlin
Vahiny manao fampirantiana eo akaikin’ilay toerana malaza atao hoe Vavahadin’i Brandebourg, any Berlin
Vahiny mipetrapetraka eo amin’ny Colonnade Courtyard, eo akaikin’ny Tranombakoka Pergamon
Mitehaka ny mpanatrika amin’ny faran’ny korana takariva