Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW BROADCASTING

Hijery Video Amin’ny Roku

Hijery Video Amin’ny Roku

Afaka mijery video izay tianao ianao, ary be dia be ny zavatra azonao atao rehefa mijery azy ireny ianao (hampiato, hampihemotra, hampandroso, handingana). Afaka mijery video iray na ny video rehetra ao amin’ny sokajy iray na lohateny iray ianao.

(Fanamarihana: Mety tsy hitovy amin’izay aseho ato ny télécommande Roku ampiasainao.)

 Hitady sy handefa video iray

Fidio ny Karazana Video eny amin’ny faran’ny ambony amin’ny pejy fandraisana mba hijerena ny sokajina video misy. Ampiasao ireo flesy eo amin’ny télécommande rehefa hifidy sokajy iray, dia tsindrio ny OK.

Hita ao amin’ny sokajina video samihafa ny video sasany. Mety ho hita ao amin’ny Tantara, Fianakaviana, ary Tanora, ohatra, ilay video hoe Nody Ilay Zanaka Adala.

Tsindrio ilay hoe Tsy Milahatra raha te handefa ny video rehetra ao amin’ny sokajy iray. Tsy handeha araka ny filaharany izy ireo.

Misy lohateny maromaro isaky ny sokajina video, ka ny andalana iray mampiseho lohateny iray. Eo ambonin’ilay andalana ny anaran’ny lohateny.

Ampiasao ny télécommande mba hanaovana an’ireto:

  • Miakatra sy Midina: Hifindra lohateny.

  • Havia sy Havanana: Hitady video ao amin’ny lohateny iray.

Misy fomba roa ireto hahafahana mandefa ny video rehetra ao amin’ny lohateny iray:

  • Tsindrio ilay hoe Hijery Azy Rehetra raha te handefa ny video rehetra sy handefa azy misesy manomboka amin’ny video voalohany.

  • Tsindrio ilay hoe Tsy Milahatra raha te handefa ny video rehetra sy handefa azy tsy arakaraka ny filaharany.

Fanamarihana: Hijanona ho azy ilay izy rehefa tapitra nandeha daholo ny video rehetra ao amin’ilay lohateny.

Mifidiana video iray raha tianao ho hita ny mombamomba ny video (Video Details). Rehefa eo amin’ilay izy ianao, dia azonao atao ny iray amin’ireto:

  • Hanohy: Rehefa tsy nojerenao hatramin’ny farany ihany ilay video vao hipoitra ilay hoe Hanohy. Tsindrio ilay izy raha hijery ny tohin’ilay video ianao.

  • Handefa na Alefa hatramin’ny voalohany: Handefa an’ilay video hatramin’ny voalohany.

  • Handefa miaraka amin’ny soratra eny ambany: Rehefa misy soratra eny ambany ihany ilay video fidinao vao hipoitra ity safidy ity. Handefa video miaraka amin’ny soratra eny ambany ilay izy. Hipoitra koa ny soratra eny ambany amin’ny video rehetra (raha misy). Fidio ilay hoe Handefa tsy misy soratra eny ambany, raha tianao hajanona ny soratra eny ambany.

  • Handefa an’izay rehetra ao amin’ny lohateny: Handefa ny video rehetra ao amin’ilay lohateny manomboka amin’ilay video nofidinao. Hijanona ho azy ilay izy rehefa tapitra nandeha daholo ny video rehetra ao amin’ilay lohateny.

Aseho eo ambanin’ny Mombamomba ny Video ireo video hafa iray lohateny aminy. Tsindrio ny flesy Midina amin’ny télécommande raha ho eo amin’ireo video hafa, ary Miakatra raha hiverina eo amin’ny Mombamomba ny Video.

 Zavatra azo atao rehefa mijery video

Rehefa mandeha ny video, dia afaka mampiasa ny télécommande ianao mba hanaovana an’ireto:

  • Handefa/Hampiato: Hampiato an’ilay video. Tsindrio indray raha hanohy hijery.

  • Havanana: Hampandroso segondra vitsy. Tsindrio maharitra raha te hampandroso haingana kokoa. Tsindrio ny Handefa na OK rehefa tonga eo amin’ilay tianao hojerena ianao.

  • Haroso haingana: Hiroso ho azy ilay video. Tsindrio ny Handefa na OK rehefa tonga eo amin’ilay tianao hojerena ianao.

  • Havia: Hampihemotra segondra vitsy. Tsindrio maharitra raha te hampihemotra haingana kokoa. Tsindrio ny Handefa na OK rehefa tonga eo amin’ilay tianao hojerena ianao.

  • Hahemotra: Hihemotra haingana ho any amin’ny fanombohany ilay video. Tsindrio ny Handefa na OK rehefa tonga eo amin’ilay tianao hojerena ianao.

  • Hiverina: Hiverina eo amin’ny Mombamomba ny Video.

 Hijery video mahaliana na video faramparany

Misy karazany roa ny video ao amin’ny pejy fandraisana amin’ny JW Broadcasting:

  1. Video mahaliana: Misy an’ireo video ilaina manokana, ohatra hoe ny video ilaina amin’ny fivoriana na fotoam-pivavahan’ny fianakaviana.

  2. Video faramparany: Misy an’ireo video nivoaka faramparany.